Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nitory ny Vaovao Tsara Tany An-tany Lavitra

Nitory ny Vaovao Tsara Tany An-tany Lavitra

Nitory ny Vaovao Tsara Tany An-tany Lavitra

Notantarain’i Helen Jones

Teny an-tsena feno olona tany Bangalore, any Inde, aho tamin’ny taona 1970 tany ho any. Tampoka teo dia notrongisin’ny ombidia iray tamin’ny tandrony aho, sady natsipiny tamin’ny tany. Efa hanitsaka ahy izy no nisy vehivavy karàna namonjy ahy. Fa nahoana aho no tany Inde?

TERAKA tamin’ny 1931 aho ary lehibe tao Vancouver, tanàna tsara tarehy any Kanada. Tia nanao ny marina ny ray aman-dreniko, nefa tsy nandeha niangona. Izaho kosa tena tia nivavaka, ka namonjy sekoly alahady tamin’ny mbola kely. Nanatrika fianarana Baiboly koa aho, rehefa vakansy.

Nanambady an’i Frank Schiller aho tamin’ny 1950, tamin’izaho 19 taona. Efa nanan-janaka efatra izy, ary niteraka lahy kely izahay, roa taona tatỳ aoriana. Te hivavaka izahay, nefa tsy nisy fiangonana nanaiky anay, noho i Frank efa nisara-panambadiana. Tofoka tamin’izany izy, ka tsy nety niresaka fivavahana intsony.

Nianatra ny fahamarinana ara-baiboly

Tamin’ny 1954, dia faly erỳ ny anadahiko nilaza tamiko ny zavatra nasehon’ny mpiara-miasa taminy avy ao amin’ny Baiboly. Vavolombelon’i Jehovah izy io. Betsaka ny fanontaniana tiako hapetraka, ary fantatro ny toerana nivorian’izy ireo. Tsy nankany anefa aho, noho i Frank efa leon’ny fivavahana. Nisy Vavolombelona tonga tao aminay tatỳ aoriana. Nanontaniako azy ireo hoe inona no ampianarin’ny fivavahany momba ny fisaraham-panambadiana. Nasehony tamiko tao amin’ny Baiboly ny antony azo isarahana. (Matio 19:3-9) Nanome toky izy ireo fa ho voavaly ny fanontaniako hafa rehetra, raha mianatra Baiboly tsy tapaka aho.

Tezitra be i Frank, satria tsy te hifandray tamin’ny Vavolombelona mihitsy. Nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy aho tamin’ny 1955. Rehefa nody aho, dia nafana fo erỳ nitantara tamin’i Frank ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly. Nivazavaza izy hoe: “Tsy marina izany! Raha voaporofonao avy ao amin’ny Baiboly izany, dia ho any amin’izany fivoriana tsisy dikany izany aho!”

Natolotro azy ny Baiboly, dia noraisiny moramora. Hita hoe tena nanaja azy io izy. Nojerenay tao ireo andinin-teny nosoratako, ary tsy nila niteny firy aho satria efa nazava ny voalaza tao. Tsy niady hevitra i Frank, ary toa lasa saina be izy tamin’iny alina iny.

Nampahatsiahiviko azy tatỳ aoriana fa nampanantena ny hivory izy. Namaly tsy sazoka izy hoe: “Eny àry. Hamonjy indray mandeha fotsiny aho hahitako izay atao any.” Ny faneken’ny vehivavy ny vadiny no novelabelarina tamin’ny lahateny tany am-pivoriana tamin’izay. (Efesianina 5:22, 23, 33) Tena nampiaiky azy ilay fanazavana. Nanatrika fianarana lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana koa izy. Ny lohatenin’ilay izy dia hoe “Afa-po Amin’ny Asanao ve Ianao?” Tena tian’i Frank ilay izy, satria nazoto niasa izy. Nivory foana izy taorian’ilay fianarana. Tsy ela dia lasa nazoto nitory i Frank, ary izaho koa nampianatra Baiboly olona maromaro, izay nandroso sy natao batisa. Natao batisa izahay mivady sy Neny ary ny anadahiko tamin’io taona 1955 io, ho porofo fa nanolo-tena ho an’Andriamanitra izahay.

Naniry hanao bebe kokoa

Nisy lahateny momba ny fanompoana any amin’ny toerana ilana mpitory bebe kokoa, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 1957 tany Seattle (Etazonia). Nivavaka aho hoe: ‘Te handeha koa aho, Jehovah ô! Mba ampio re izahay mba ho afaka hankany amin’izay ilana anay e!’ Nanahy anefa i Frank hoe ahoana no hamelomany anay mianakavy.—1 Timoty 5:8.

Namonjy fivoriambe tany New York izahay mianakavy ny taona nanaraka. Natao tao amin’ny Yankee Stadium sy ny Polo Grounds izy io. Maherin’ny 253 000 no nanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro! Nanohina ny fon’i Frank ny zavatra hitany sy reny, ka nanapa-kevitra ho any Kenya izahay, rehefa tafody. Miteny anglisy koa mantsy ny olona any, ary natoky izahay fa hahita sekoly tsara ho an’ny ankizy.

Namidinay ny tranonay tamin’ny 1959, ary nandeha fiara nankany Montréal (Kanada) izahay, niaraka tamin’ny entanay. Tany izahay no nandray sambo nankany Londres (Angletera), ary avy eo nandeha sambo hafa namakivaky ny Ranomasina Mediterane sy ny Ranomasina Mena, mandra-pahatonga tany amin’ny Oseana Indianina. Tonga tany Mombasa (Kenya) any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Afrika izahay tamin’ny farany. Nandeha masinina nankany Nairobi renivohitra izahay ny ampitso.

Ny zavatra nahafinaritra tany Afrika

Voarara ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Kenya tamin’izany, ka nitandrina izahay rehefa nitory. Nahazo alalana hijanona tany anefa ny vahiny, ary efa nisy mpivady maromaro avy any an-tany hafa nipetraka tany. Tsy maintsy natao latsaka ny folo ny mpivory, ka nandray anjara betsaka izahay, anisan’izany ny ankizy.

Vao tonga kelikely izahay, dia nahita trano ary nahazo asa i Frank. Nanaiky hianatra Baiboly ilay vehivavy voalohany niresahako tamin’izahay nitory isan-trano, ary lasa mpisava lalana (mpitory manontolo andro). Nampianatra tovovavy kely tao amin’ny fivavahana sikh koa aho. Goody no niantsoanay azy. Nanohitra azy ny fianakaviany sy ny mpiara-mivavaka taminy, nefa tsy nanaiky lembenana izy. Lasa nipetraka tany amin’ny fianakaviana iray Vavolombelon’i Jehovah izy, rehefa noroahin’ny tao an-tranony. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy, lasa mpisava lalana, ary nahazo diplaoma tamin’ny sekoly fampiofanana misionera any Gileada tatỳ aoriana.

Niatrika fitsapana ny fianakavianay. Voan’ny aretin’ny tonon-taolana ny zanakay lahimatoa, ary may be teo am-panamboarana fiara i Frank, ka nesorina tamin’ny asany. Nahazo asa ihany anefa izy, saingy tany Dar es-Salaam renivohitr’i Tanganyika (Tanzania), 1 000 kilaometatra niala teo. Namatratra entana indray àry izahay, ary nandeha fiara nankany. Nisy fiangonana kely tao Dar es-Salaam, ary nandray tsara anay ry zareo.

Voarara ny fitoriana tany Tanzania, nefa tsy hentitra loatra ny manam-pahefana. Tamin’ny 1963, dia nitsidika tany i Milton Henschel, solontenan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia, ary nanao lahateny tao amin’ny Karimjee Hall, efitrano tsara indrindra ao Tanzania. Tonga nipetraka teo akaikiko ny rangahy iray efa be taona, ary toy ireny mahantra ireny ny fiakanjony. Niarahaba azy aho, ary niarahanay nijery ny Baiboliko sy ny fihiranako. Rehefa tapitra ny fandaharana, dia nasaiko hiverina izy amin’ny manaraka. Nankeo amiko avy hatrany ireo anadahy sy rahavavy, rehefa lasa izy.

Hoy ry zareo: “Fantatrao ve hoe iza ilay teo iny? Iny no ben’ny tanàna eto Dar es-Salaam!” Hay efa nandrahona ny hampitsahatra an’ilay fivoriambenay izy, ary nitady antony hanaovana izany. Noheveriny fa hanilikilika azy aho noho izy hoe “mahantra”, ka izay no saika hohararaotiny. Nampiaiky azy anefa ny hatsaram-panahy naseho taminy sy ny fikarakarana azy, ka navelany hitohy ilay fivoriambe. Nisy 274 ny mpanatrika, ary 16 no natao batisa!

Rehefa nahazo fahaleovan-tena i Tanzania, dia naleon’ny mpampiasa naka mpiasa avy eo an-toerana, toy izay vahiny. Voatery nandao an’i Tanzania àry ny ankamaroan’ny vahiny. Nikiry nitady asa ihany anefa i Frank. Tsy very maina ny ezaka nataony, satria nisy nitady mekanisianina mahay mba hikojakoja lohamasinina mandeha amin’ny gazoalina. Tafajanona efa-taona indray àry izahay. Nody tany Kanada izahay rehefa vita ny nilana an’i Frank, ary tsy niala tany raha tsy rehefa nanambady ny zanakay farany. Mbola nahatsiaro tena ho tanora izahay, ka nazoto hanompo bebe kokoa.

Nifindra tany Inde

Nampirisika anay hankany Bangalore ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Bombay (Mumbai). Nifindra tany àry izahay tamin’ny 1970. Nisy 1 600 000 teo ho eo ny mponina tao Bangalore tamin’izany. Tany aho ilay saika maty nototoin’ny ombidia. Nisy fiangonana anglisy nanana mpitory 40 tany, ary antoko-mpitory niteny tamoul. Lehilahy maromaro no nampianarin’i Frank Baiboly, ary nandroso sy lasa anti-panahy izy ireo. Izaho koa nampianatra fianakaviana maromaro lasa mpanompon’i Jehovah.

Nisy vehivavy atao hoe Gloria nipetraka tao amin’ny tanàna iray nahantra be. Nampandrosoiny aho rehefa nitory taminy. Tsy nanana seza izy, ka nipetraka tamin’ny tany izahay. Nomeko gazety Ny Tilikambo Fiambenana izy, ary nohetezany ilay nisy ny Apokalypsy 4:11, ka napetany tamin’ny rindrina mba ho hitany isan’andro. Tena tiany ilay voalazan’io andininy io hoe: ‘Mendrika ianao Jehovah ô.’ Natao batisa izy ny taona nanaraka.

Nangatahina hiasa herintaona tao amin’ny sampan’i Bombay i Frank. Niandraikitra ny fanorenana ny Efitrano Fivoriambe voalohany an’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Inde izy. Nampiana rihana iray fotsiny ilay tranon’ny sampana, mba hahazoana an’ilay Efitrano Fivoriambe. Vao 3 000 mahery kely ny Vavolombelona tany Inde tamin’izany, ary tsy ampy 10 ny mpiasan’ny sampana. Niala tany izahay tamin’ny 1975, satria lany ny volanay. Nalahelo izahay nisaraka tamin’ireo namana tsy foinay.

Niverina tany Afrika

Nahazo vola fisotroan-dronono i Frank, rehefa afaka folo taona. Nanolo-tena àry izahay mba handray anjara tamin’ny tetikasa iraisam-pirenena hanorenana biraon’ny sampana. Nahazo taratasy nanendry anay ho any Igieduma (Nizeria) izahay, satria efa nisy fanorenana tany. Nampianatra Baiboly lehilahy iray nipetraka tsy lavitra ny sampana i Frank, tamin’izahay tany. Nandroso izy io, ary lasa mpiasan’ny sampan’i Nizeria.

Nandeha nanorina ny sampan’i Zaïre izahay taorian’izay. Tsy ela dia norarana ny fitoriana, ary nalain’ny manam-pahefana ny pasipaoronay. Nihetsika aretim-po teo am-piasana i Frank, nefa nihatsara ny fahasalamany nandritra ilay fandrarana. Voatery niala tao Zaïre ny mpanao fanorenana rehetra tatỳ aoriana, ary nalefa tany Liberia tsy lavitra teo, izahay. Nasaina nanamboatra an’ilay gropy tao amin’ny biraon’ny sampana tao Monrovia i Frank tamin’izahay tany. Lany vizà izahay tamin’ny 1986, ka nody tany Kanada indray.

Farany dia teto Ekoatera

Renay taoriana kelin’izay fa nifindra teto Ekoatera i Andy Kidd namanay. Nahafinaritra azy, hono, ny fitoriana teto. Izy irery no anti-panahy tao amin’ny fiangonana nisy azy, ka izy matetika no nitarika ny ankamaroan’ny fandaharana tamin’ny fivoriana. Nanasa anay ho atỳ Ekoatera izy, ka tonga nitsidika ny biraon’ny sampana izahay tamin’ny 1988. Nahafinaritra ny fandraisan’izy ireo, ka lasa tamana izahay.

Nahita trano tsaratsara izahay hipetrahana. Tsy maintsy nianatra teny espaniola izahay, nefa efa 71 taona i Frank. Nanampy olona 12 ho vita batisa izahay nandritra ny roa taona nanaraka, na dia kely aza ny teny espaniola hainay. Nangatahina hanao fanorenana ny sampan’i Ekoatera i Frank. Nisy rangahy iray koa nampianariny Baiboly. Anisan’ny Vavolombelona voalohany tany Guayaquil ny vadiny. Nanohitra nandritra ny 46 taona ilay rangahy, nefa lasa Vavolombelona sy namanay.

Fahoriana mafy

Nifindra teny akaikin’i Ancón, tanàna kely eo amoron’ny Oseana Pasifika, izahay. Afaka nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana vaovao iray izahay tany. Nampalahelo fa nihetsika ny aretim-pon’i Frank, rehefa avy nanao ny lahateny farany tamin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izy, tamin’ny 4 Novambra 1998. Maty tamin’io alina io izy. Tena nampahery ireo anadahy sy rahavavy! Nalevina ny ampitson’iny izy, tao amin’ilay toeram-pandevenana teo ampitan’ny Efitrano Fanjakana. Mafy izany maty vady izany, ary tsy misy teny azo ilazana azy.

Tsy maintsy nody tany Kanada indray anefa aho, saingy irery aho tamin’izay. Nila nandamin-javatra momba ny fianakaviana sy nikarakara taratasy aho mantsy. Tena nalahelo aho, nefa tsy nanadino ahy i Jehovah. Nahazo taratasy avy tamin’ny sampan’i Ekoatera aho hoe afaka miverina. Niverina àry aho, ary nipetraka tao amin’ny tranokely tsy lavitra ny sampana. Nanampy ahy hizaka ny alaheloko an’i Frank ny asako tao amin’ny sampana sy ny fanompoana. Tena mbola nanirery anefa aho.

Manompo hatrany

Nifankahalala tamin’i Junior Jones aho rehefa nandeha ny fotoana. Avy any Etazonia izy, ary nifindra teto Ekoatera mba hanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny 1997. Nitovy tadin-dokanga izahay ary nitovy koa ny tanjonay. Nivady izahay tamin’ny Oktobra 2000. Nanana traikefa tamin’ny fanorenana i Junior, ka nangatahina izahay hanampy tamin’ny famitana an’ilay Efitrano Fivoriambe any Cuenca, eny amin’ny Tendrombohitra Andes. Tonga nanao ny lahateny fitokanana i Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York, tamin’ny 30 Aprily 2006. Nisy 6 554 ny mpanatrika.

Iza no nanampo fa hiroborobo be ny fitoriana ilay Fanjakana any an-tany lavitra toa an’i Afrika sy Inde ary Amerika Atsimo? Tsy mieritreritra ny hisotro ronono mihitsy izahay sy Junior amin’io asa io. Efa 50 taona mahery aho izao no nanompo an’i Jehovah, nefa nandeha haingana be ny fotoana, ka toy ny vao omaly aho no nanomboka. Fantatro koa fa rehefa tonga ny tontolo vaovao, dia ho toy ny niserana fotsiny izao fotoana diavintsika izao.—Apokalypsy 21:3-5; 22:20.

[Sarintany/Sary, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

Toerana Nanompoanay

KANADA → ANGLETERA → KENYA → TANZANIA

KANADA → INDE

KANADA → NIZERIA → CONGO, REP. DEM. (ZAÏRE) → LIBERIA

KANADA → EKOATERA

[Toerana hafa]

ETAZONIA

[Sary]

Izahay sy Frank hamonjy fivoriambe (Inde)

[Sary, pejy 15]

Izahay sy Junior Jones vadiko