Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanànan’ny Ranomafana

Tanànan’ny Ranomafana

Tanànan’ny Ranomafana

NANORINA tanàna teo amin’ny faritra nisy loharano mafana maromaro ny Selta, 2 000 taona mahery lasa izay. Nantsoiny hoe Ak-Ink, izay midika hoe “Be Rano”, ilay tanàna. I Budapest, renivohitr’i Hongria, io tanàna io, ary anisan’ny tanàna tranainy indrindra any Eoropa. Nilona tao amin’ireo loharano mafana indraindray ny mponina tao, mba hanalana havizanana sy hampitonena fanaintainana.

Lasa nofehezin’ny Romanina i Hongria tamin’ny taonjato voalohany. Nitarin’izy ireo ny tanànan’i Ak-Ink ary nasiany toby miaramila, izay nantsoiny hoe Aquincum. Mety ho avy amin’ny teny selta midika hoe rano io anarana io, na avy amin’ny teny latinina hoe aqua quinque, izay midika hoe “rano dimy.” Nanamboatra lakandrano andehanan’ny rano madio sy ivoahan’ny rano maloto ny Romanina. Nanorina dobo fandroana koa izy ireo. Natao ho an’ny daholobe ny sasany, ary ho an’ny olona manokana ny sasany. Efa ela àry no nisian’ireo dobo fandroana any Budapest.

Nihena ny herin’ny Fanjakana Romanina, ka taonjato maro tatỳ aoriana vao nalaza indray ireo dobo fandroana. Nanoratra momba ny hatsaran’ireo dobo misy ranomafana, teo akaikin’ny renivohitr’i Hongria, ny mpanoratra tamin’ny taonjato faha-15, ka nihanalaza ilay tanàna. Nanana ny loharano mafana fandroana tena tiany i Matthias Corvin I, mpanjakan’i Hongria tamin’ny 1458 ka hatramin’ny 1490. Nantsoina hoe Rácz izy io, ary voalaza fa nasiany lala-mitafo nampitohy azy io tamin’ny lapany. Azo naleha foana àry izy io, na tsara na ratsy ny andro.

Ny Tiorka no nifehy ny ankamaroan’ny tanàna tany Hongria, anisan’izany ny renivohiny, nandritra ny taonjato faha-16 sy faha-17. Nanorina trano fandroana tamin’ny etona sy tamin’ny ranomafana izy ireo. Tena nilain’ny Silamo tamin’ny fombafomba fandroana fanaony izany, ary tena nilain’ny Tiorka tamin’ny fiainany andavanandro. Nisy tafo boribory ireo dobo fandroana tsara tarehy namboarin’ny Tiorka, ary nahitana zanatohatra ny sisiny. Hatreny amin’ny soroka ny halalin’ny rano. Nisy tavy fandroana sy toerana fakana aina koa nanodidina an’ireo dobo ary tsy niara-nampiasa azy ireo ny lehilahy sy ny vehivavy. Mbola ampiasaina hatramin’izao ny sasany amin’ireo dobo fandroana.

Niresaka momba ireo dobo fandroana tany Budapest ny asa soratra iray tamin’ny 1673. Voalazan’izy io fa anisan’ireo dobo fandroana tsara indrindra tany Eoropa izy ireo, satria misy “loharano mafana be dia be sady manasitrana. Lehibe koa ireo trano misy azy sady tsara tarehy.” Nanjary nisy karazana fandroana hafa koa tany Budapest, tamin’ny taonjato faha-19, rehefa nalaza ny fandroana tamin’ny etona fanaon’ny Failandey. Tatỳ aoriana, dia nasiana efitra fandroana tamin’ny etona sy dobo fandroana tamin’ny rano mangatsiaka ireo trano fandroana.

Ny karazana nofon-tany any Budapest

Rano mafana 70 tapitrisa litatra isan’andro no miboiboika avy amin’ireo loharano mafana 123 sy loharano mangidy 400, any Budapest. Ahoana no mampisy izany rano be dia be izany? Ny karazana nofon-tany any no mahatonga izany.

Mikoriana mamakivaky an’i Budapest ny Reniranon’i Danube, ka ny havoanan’i Buda no eny amin’ny morony andrefana, ary ny lemak’i Pest no eny atsinanana. Tondraky ny ranomasina io toerana io, fahiny ela be, ary nisy vatosokay sy vato be manezioma tavela teo. Rakotra tanimanga ireo vato ireo, ary nisy fasika sy arintany ary karazam-bato hafa ahitana tanimanga sy sokay ary karibonetra teo amboniny.

Mitsika any anaty tany amin’ny alalan’ireo tresaka ny ranonorana. Lasa mafana izany rehefa tonga any amin’ireo vato mafana sy be mineraly. Voatosika mafy hiakatra ilay rano avy eo, ka mivoaka amin’ireo tresaka na loharano. Miboiboika be ilay izy rehefa mivoaka, ary miaraka amin’ny etona.

Tsy ao Budapest ihany no misy karazana nofon-tany toy izany, fa manerana an’i Hongria. Maro àry ny toerana any Hongria ahitana rano be mineraly sy dobo fandroana tsara tarehy. Mino ny olona sasany fa manasitrana ireny rano ireny. *

Efa hatramin’ny ela ny loharano mafana no nahasarika ny olona any amin’ny faritra maro eran-tany. Tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana voaresaka ao amin’ny Baiboly no efa nahitana loharano mafana tany amin’ny tany efitr’i Seïra, teo anelanelan’ny Ranomasina Maty sy ny Hoalan’i Aqaba.—Genesisy 36:24.

Maro ny tsipirian-javatra mbola azo ianarana mahakasika ity planetantsika ity. Ahoana, ohatra, no nanorenan’Andriamanitra ny tany sy ny nanaovany an’ireo zava-mahatalanjona ao aminy? Rehefa misaintsaina fanontaniana toy izany ny olona matahotra an’Andriamanitra, dia talanjona noho ny fahendrena tsy hita fetra ananan’ilay Mpamorona.—Joba 38:4-6; Romanina 1:20.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Tsy manohana fitsaboana iray manokana ny Mifohaza!

[Sary, pejy 24, 25]

Dobo fandroana ao amin’ny Hotel Gellért

[Sary, pejy 24]

Dobo Fandroana Rudas, naorin’ny Tiorka

[Sary, pejy 24, 25]

Dobo Széchenyi, rehefa ririnina

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Sary rehetra: Courtesy of Tourism Office of Budapest