Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Etazonia, fa “29 isan-jaton’ny lehilahy no voalaza fa nanao firaisana tamin’ny vehivavy 15 na mihoatra, nandritra ny androm-piainany. Sivy isan-jato kosa ny vehivavy voalaza fa nanao firaisana tamin’ny lehilahy 15 na mihoatra.”—CENTERS FOR DISEASE CONTROL AND PREVENTION, ETAZONIA.

Ny ‘62 isan-jaton’ny ankizy latsaka ny 16 taona [any Gresy], no nilaza fa nampiditra sary vetaveta tao amin’ny findainy.’—ELEFTHEROTYPIA, GRESY.

Mihevitra ny 82 isan-jaton’ny olona nadinadinina tany Grande-Bretagne, fa “ny fivavahana no mahatonga ny fisaratsarahana sy ny tsy fifanarahana.”—THE GUARDIAN, GRANDE-BRETAGNE.

Aretin’andoha Naharitra 64 Taona

Ela ny ela ka fantatra ny anton’ny “aretin’andoha lava” nahazo ny vehivavy sinoa iray nandritra ny 60 taona mahery. Nisy bala mirefy telo santimetatra nesorin’ny dokotera tao amin’ny lohany. Voan’ny bala ny lohany tamin’ny fanafihan’ny Japoney ny tanànan’i Xinyi, any Chine, tamin’ny Septambra 1943. Vao 13 taona izy tamin’izay. Tsy nisy nanampo mihitsy hoe izany no nampaharary lava ny andohany. Milaza ny Xinhua News Agency, fa notarafina ny lohany rehefa nihanarary foana. “Salama” izao io ramatoa 77 taona io.

Trozona Ela Velona

Namono trozona be loha iray ireo mpihaza any Alaska, tamin’ny 2007. Nisy lohan-defona efa tranainy sy potika lefona, tavela tao amin’ny vatan’ilay trozona. Milaza ny gazety Boston Globe, fa “karazan’irony lefona mipoaka irony izy io, izay namboarina tany New Bedford [Massachusetts, Etazonia], tamin’ny taona 1890 tany ho any.” Efa tsy ampiasaina intsony io karazan-defona io, ka nanatsoaka hevitra ireo mpahay tantara ao amin’ny Tranombakoka Momba ny Fisamborana Trozona any New Bedford, fa “tany anelanelan’ny 1885 sy 1895 tany ho any” ilay trozona no voan’ilay lefona. Efa 115 taona na maherin’izany àry ilay trozona, izao maty izao. Milaza ny Globe, fa ny fahitana an’ireo potika lefona, dia vao mainka “manamarina ny eritreritry ny olona hatry ny ela, hoe iray amin’ireo biby mampinono ela velona indrindra ny trozona be loha, izay miaina hatramin’ny 150 taona.”

Ala Tropikaly any Ambanin’ny Tany

Nahita ala tropikaly midadasika lasa vato tany ambanin’ny tany, ny mpandinika nofon-tany. Nisy zavamaniry maro efa lany tamingana tao, ary mihoatra ny 40 metatra ny haavon’ny sasany. Tao amin’ny tionelina iray mankany amin’ny fitrandrahana arintany any Illinois, Etazonia, no nahitana an’io ala hafakely io. Mino ny mpahay siansa, fa horohoron-tany mafy no nahatonga azy io hilentika tao anaty tany. Hoy i Bill DiMichele, mpitarika an’ilay ekipa mpanao fikarohana: “Tena mahatalanjona ilay izy. Azonay sary an-tsaina hoe nanao ahoana ilay ala fahiny. Toy ny hoe mamakivaky an’ilay ala mihitsy izahay.”

Fitrandrahana Divay Ambony Karazana

Milaza ny gazety Kathimerini—English Edition, fa mihabetsaka ny mpitsidika tonga any Macédoine, faritra nofehezin’i Iogoslavia teo aloha, mba ‘hitrandraka divay ambony karazana, navelan’ireo tafika mpiray dina, tamin’ny Ady Lehibe I.’ Mitondra sarin-tany izy ireo, ary avy any Frantsa ny ankamaroany. Ny fitehirizan’entan’ireo toby miaramila efa rava, no hadiny. Efa 90 taona, fara fahakeliny, ny fahanteran’ny divay amin’ireny toerana ireny. Milaza ilay gazety fa ‘mety hahatratra hatrany amin’ny 2 000 euros [5 202 000 Ar eo ho eo] ny iray tavoahangy, raha mbola tsy simba.’ Milaza ireo tompon-tany nahita divay, fa “mbola tsy nanandrana zavatra tsara toy izany izy ireo.”