Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mampaninona ve ny Finoanoam-poana?

Tsy Mampaninona ve ny Finoanoam-poana?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy Mampaninona ve ny Finoanoam-poana?

TSY nety nandeha fiaramanidina nandritra ny herintaona ny mpanao gazety iray. Nilaza mantsy ny mpanandro iray fa ho fatin’ny lozam-piaramanidina izy. Saika ny karazan’olona rehetra no minomino foana. Anisan’izany ny mpanao politika, mpanao raharaham-barotra, mpanao filma, atleta, ary mpianatry ny oniversite. Manao zavatra heveriny fa mahatsara vintana àry izy ireo, rehefa matahotra na miady saina. Mino mantsy izy ireo fa miaro amin’ny loza izany ary mitondra soa ho azy.

Maro amin’ireny zavatra ataon’ny olona ireny no heveriny ho mahafinaritra sy mampilamin-tsaina sady tsy misy vokany ratsy. Manao an’izany ny olona satria ‘misy zavatra tsara tena iriny hitranga, na misy zavatra ratsy tena tiany hosakanana’, hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Margaret Mead. ‘Milamin-tsaina kokoa izy ireo amin’izany, na dia tsy tena inoany aza hoe handaitra ilay izy.’ Raha te hampifaly an’Andriamanitra anefa ny olona iray, dia mila manontany tena hoe: ‘Tsy mampaninona ve ny finoanoam-poana?’

Ahoana no niandohan’ny finoanoam-poana?

Maro ny olona matahotra ny ho faty na tsy hisy intsony, na izay mety hitranga aorian’ny fahafatesana, sy ny sisa. I Satana, ilay mpikomy sady mpanohitra an’Andriamanitra no mahatonga ny olona hatahotra toy izany. Tiany hiala amin’Andriamanitra mantsy izy ireo, ka mandainga izy. (Jaona 8:44; Apokalypsy 12:9) Antsoin’ny Baiboly hoe “lehiben’ny demonia” i Satana, ary ireny demonia ireny no manampy azy. (Matio 12:24-27) Iza moa izy ireo? Anjely niara-nikomy tamin’i Satana, tamin’ny andron’i Noa. Namitaka ny olona foana izy ireo nanomboka teo. Anisan’ny fomba ampiasainy ny finoanoam-poana.—Genesisy 6:1, 2; Lioka 8:2, 30; Joda 6.

Laingan’i Satana, ohatra, ny hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona, ary mbola afaka manampy na mampijaly ny velona izy io. Izany no mahatonga ny olona hinohino foana. Hoy anefa ny Baiboly: ‘Tsy mahalala na inona na inona ny maty.’ Milaza mihitsy aza izy io fa tsy afaka ‘miasa’ ny olona rehefa maty, sady tsy manana “hevitra, na fahalalana, na fahendrena.”—Mpitoriteny 9:5, 10.

“Fahavetavetana eo imason’i Jehovah”

Maro no mino ny laingan’i Satana. Efa nohazavain’Andriamanitra tamin’ny Israelita fahiny anefa fa halany ny finoanoam-poana, anisan’izany ny finoana ny vintana. Hoy izy: “Aoka tsy hisy eo aminao izay ... mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany.”—Deoteronomia 18:10-12.

Mampalahelo fa matetika no tsy nankatò an’izany ny Israelita, toy ny tamin’ny andron’i Isaia mpaminany. Nino mantsy ny sasany hoe tsy hahazo vokatra tsara izy ireo, raha tsy manome zavatra ho an’ny andriamanitry ny “Vintana.” Tena ratsy ny vokatr’izany finoanoam-poana izany, satria lasa tsy nankasitrahan’i Jehovah izy ireo ary tsy notahiny.—Isaia 65:11, 12, fanamarihana ambany pejy.

Mbola halan’i Jehovah foana ny finoanoam-poana, na dia tatỳ amin’ny andron’ny Kristianina aza. Ninonino foana, ohatra, ny olona tao Lystra. Nampirisika azy ireo àry ny apostoly Paoly ‘mba hiala amin’izany zava-poana izany ka hanatona an’ilay Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.’—Asan’ny Apostoly 14:15.

Aza minomino foana

Maro be ireo fanao mifandray amin’ny finoanoam-poana, nefa misy zavatra iombonany: Tsy mitombina avokoa izy rehetra. Lasa mihevitra koa ny olona minomino foana fa ratsy vintana izy, matoa misy zava-dratsy mitranga aminy. Tsy ekeny hoe mety ho ny nataony ihany no nahatonga izany.

Maro anefa no afaka tamin’ny finoanoam-poana. Hoy i Jesosy: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:32) Mpanandro nandritra ny 25 taona, ohatra, i Clementina, vehivavy brezilianina. Hoy izy tatỳ aoriana: “Ny fanandroana no fivelomako taloha. Nanafaka ahy tamin’ny finoanoam-poana anefa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.” Hanana herin-tsaina hialana amin’ny finoanoam-poana koa ianao, raha mianatra tsy tapaka ny Baiboly sy mivavaka mafy amin’i Jehovah Andriamanitra. Ho tony sy hisaina tsara ianao amin’izay, ka hahay hanapa-kevitra sy hisoroka loza ary tsy hanahy loatra.—Filipianina 4:6, 7, 13.

Hoy ny Baiboly: “Inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala [Satana]?” Tsy misy ifandraisany tokoa ireo. Tsy minomino foana àry ny tena Kristianina.—2 Korintianina 6:14-16.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Tsy nitoky tamin’Andriamanitra ireo Israelita ninonino foana tamin’ny andron’i Isaia, fa iza no nitokisany?—Isaia 65:11, 12.

▪ Inona no nasain’ny apostoly Paoly nataon’ny olona ninonino foana tao Lystra?—Asan’ny Apostoly 14:15.

▪ Tsy mampaninona ve ny finoanoam-poana?—2 Korintianina 6:14-16.

[Sary, pejy 10]

Voafitaka ny olona minomino foana