Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Antenain’Andriamanitra Aminao?

Inona no Antenain’Andriamanitra Aminao?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona no Antenain’Andriamanitra Aminao?

BE ATAO isika eo amin’ny fiainana, ka sarotra amintsika indraindray ny mamita ny adidintsika rehetra. Tokony hotadidintsika anefa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fiainana. (Salamo 36:9) Manao ahoana àry ny habetsaky ny fotoana tokony hanompoantsika azy sy ny hery holanina amin’izany? Mampahery ny valiny omen’ny Baiboly.

I Jesosy no tena mahafantatra ny zavatra antenain’ny Rainy amin’ny olombelona. (Matio 11:27) Nisy nanontany izy, indray mandeha, hoe inona no didy lehibe indrindra. Namaly izy hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Marka 12:30) Inona no tian’i Jesosy holazaina? Ary ho vitantsika ve izany?

Tia an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo

Hitombo foana ny fitiavanao an’Andriamanitra, raha saintsaininao ny hatsaram-panahy tsy manam-petra asehony aminao. Raha tia azy amin’ny fonao manontolo ianao, dia homenao azy ny tsara indrindra avy aminao. Hanontany tena toy ny mpanao salamo ianao amin’izay hoe: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?” (Salamo 116:12) Raha tena tia an’Andriamanitra àry isika, adiny firy isan-kerinandro no tokony hatokantsika ho azy?

Tsy miresaka izany mivantana ny Baiboly. Lazainy kosa ny zavatra tokony hataontsika loha laharana, ary hazavainy ny anton’izany. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa tena ilaina ny mianatra momba an’Andriamanitra, mba hahazoana “fiainana mandrakizay.” (Jaona 17:3) Nilaza koa izy fa tokony hampianatra ny hafa ny mpanara-dia azy, mba hahazoan’ny olona fiainana mandrakizay. (Matio 28:19, 20) Mila mivory tsy tapaka miaraka amin’ny mpiray finoana koa isika, mba hifampahery amin’izy ireo sy hanana finoana matanjaka. (Hebreo 10:24, 25) Mitaky fotoana daholo anefa izany.

Midika ve izany fa tsy mahazo manao zavatra hafa ankoatra ny fanompoana an’Andriamanitra mihitsy isika? Tsy izany velively! Maro ny zavatra mila sahanintsika isan’andro. Tokony hanome izay ilain’ny ankohonany, ohatra, ny loham-pianakaviana. Hoy ny 1 Timoty 5:8: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia ... ratsy noho ny tsy mino” izy.

Tian’Andriamanitra hankafy fiainana koa ny olombelona. Mety tsara àry ny miara-misakafo sy miara-miala voly amin’ny havana aman-tsakaiza. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Fantatro fa tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.”—Mpitoriteny 3:12, 13.

Fantatr’i Jehovah Andriamanitra koa fa “vovoka” ihany isika, ka mety ho reraka. (Salamo 103:14) Mila miala sasatra àry isika, hoy ny Baiboly. Avy nanao zavatra be dia be ireo apostoly, indray mandeha, ka nasain’i Jesosy ho “any amin’ny toerana mangina” mba ‘hiala sasatra kely.’—Marka 6:31.

Mahay mandanjalanja àry ny olona manana fomba fiaina ankasitrahan’Andriamanitra, ary afaka manao zavatra maro. Tokony ho hita taratra amin’izay rehetra ataontsika anefa fa tena tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo isika. Hoy mantsy ny Baiboly: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—1 Korintianina 10:31.

Ataovy loha laharana ny fanompoana an’Andriamanitra

Sarotra tanterahina ve ny hoe manao ny fanompoana an’Andriamanitra ho loha laharana eo amin’ny fiainana? Mety hila hanova ny fandaharam-potoanantsika isika, na mety hamoy zavatra sasany mihitsy aza, mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy anefa ilay Mpamorona be fitiavana. Manampy antsika kosa izy, mba hahafahantsika hanao ny sitrapony. Mila miantehitra amin’ny ‘hery omeny’ anefa isika.—1 Petera 4:11.

Raha sarotra aminao ny mahita fotoana hanaovana zavatra ara-panahy, dia resaho amin’ilay “Mpihaino vavaka” foana izany. (Salamo 65:2) Azonao resahina aminy ny fanahianao rehetra, fa ‘hikarakara anao’ izy. (1 Petera 5:7) Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra i Davida Mpanjaka hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa Hianao no Andriamanitro.” (Salamo 143:10) Afaka mangataka fanampiana amin’Andriamanitra koa ianao, mba hahafahanao hanao fanitsiana eo amin’ny fiainana.

Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Hanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra ianao, rehefa manomboka manao zavatra mampifaly azy, toy ny fianarana Baiboly sy fanatrehana fivoriana. Hampahery anao izy, mba hahafahanao hanao fandrosoana bebe kokoa.

Mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Jelena, ary nila nanitsy ny zavatra nataony loha laharana teo amin’ny fiainana. Hoy izy: “Tsy mora tamiko ilay izy, kanefa rehefa nanomboka nanatrika fivoriana kristianina aho, dia nanjary narisika kokoa hampihatra izay lazain’ny Baiboly. Tena nahasoa ahy koa ny fanampian’ny hafa.” Vao mainka isika hazoto hanao izay takin’Andriamanitra, rehefa hitantsika ny soa azo avy amin’ny fanompoana azy. (Efesianina 6:10) Hoy i Jelena: “Nihatsara ny fifandraisako tamin’ny vadiko sy ny fomba itaizako ny zanako.”

Tena be atao isika eo amin’ny fiainana. Afaka manampy anao handini-tena anefa ny fanahin’i Jehovah, mba hahafantaranao izay zava-dehibe kokoa. Amin’izay ianao dia ho afaka ‘hanararaotra tsara ny fotoana’ mba hanompoana an’Andriamanitra. (Efesianina 3:16; 5:15-17) Ho vitanao izany, satria “ny zavatra tsy hain’olombelona dia hain’Andriamanitra.”—Lioka 18:27.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Nahoana no tokony hataonao loha laharana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra?—Salamo 116:12; Marka 12:30.

▪ Inona avy no zavatra tian’Andriamanitra hataonao?—Matio 28:19, 20; Jaona 17:3; Hebreo 10:24, 25.

▪ Inona no hanampy anao hanitsy ny fandaharam-potoananao, mba hampifaliana an’Andriamanitra?—Efesianina 5:15-17; Jakoba 4:8.

[Sary, pejy 20]

Mila mahay mandanjalanja isika, raha te hampifaly an’Andriamanitra