Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Dikan’ny hoe Andro Farany?

Inona no Dikan’ny hoe Andro Farany?

Inona no Dikan’ny hoe Andro Farany?

INONA no ao an-tsainao rehefa mandre hoe “andro farany”? Inona no dikan’izany? Efa miaina amin’izany ve isika ankehitriny?

Efa ela ny Baiboly no niresaka momba ny “andro farany.” (2 Timoty 3:1; Daniela 12:4) Nahazo fahitana, ohatra, i Daniela mpaminany, 2 500 taona lasa izay. Naseho azy ny ady hifanaovan’ireo firenena matanjaka, mandra-pahatongan’ny “andro farany.” Nolazaina taminy fa hohazavaina ny dikan’ireo fahitana ireo, amin’ny “andro farany.” (Daniela 8:17, 19; 11:35, 40; 12:9) Nanoratra koa izy hoe: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”—Daniela 2:44.

Niresaka momba “ny farany” koa i Jesosy Kristy, rehefa nanazava ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.’ (Matio 24:3-42) Samy niresaka momba ny farany àry i Daniela sy Jesosy. Fiovana lehibe izy io, ary hahakasika ny olona rehetra taloha sy ankehitriny. Nanoratra i Daniela fa ho rava ny fitondram-panjakana rehetra eto an-tany. I Jesosy koa nilaza fa ‘hifarana ny rafitr’ity tontolo ity.’

Tokony handinika momba izany ve ianao? Eny tokoa, ary tsy ianao ihany fa ny olona rehetra mihitsy. Maro anefa no tsy te hahalala an’izany. Efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe: “Amin’ny andro farany, dia hisy mpaneso ho tonga haneso, sady mandeha araka ny faniriany, ka milaza hoe: ‘Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niovan’ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.’ ” (2 Petera 3:3, 4) Misy tokoa olona mihevitra fa tsy hiova ny fiainana fa ny eo ihany no eo, ary ho toy izany hatrany.

Misy porofo ve anefa hoe tena andro farany tokoa izao? Andeha hojerentsika.