Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hitranga Aorian’ny Andro Farany?

Inona no Hitranga Aorian’ny Andro Farany?

Inona no Hitranga Aorian’ny Andro Farany?

RAIKI-TAHOTRA ny olona sasany raha vao mandre hoe “andro farany.” (2 Timoty 3:1) Zavatra ratsy foana mantsy no ao an-tsainy amin’izany. Maro anefa hatramin’izay no naniry mafy ny hahatongavan’ny andro farany. Nahoana? Satria ho tsara kokoa ny fiainana aorian’izay.

Nino, ohatra, Atoa Isaac Newton fa hisy fiadanana eran-tany, aorian’ny andro farany. Hitondra mandritra ny arivo taona mantsy ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza izy fa ho tanteraka amin’izay ny Mika 4:3 sy ny Isaia 2:4, manao hoe: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”

Nampirisika ny mpanara-dia azy i Jesosy, mba hieritreritra ny zavatra tsara aorian’ny andro farany. Marina fa nilaza izy hoe hatahotra sy hitebiteby ary handalo fotoan-tsarotra ny olona, mandritra ny fahoriana lehibe. Hoy anefa izy avy eo: “Rehefa manomboka mitranga izany, dia mitrakà ka asandrato ny lohanareo, fa efa manakaiky ny fanafahana anareo.” (Lioka 21:28) Fanafahana amin’inona moa izany?

Fampanantenan’Andriamanitra

Anisan’ny tena mampijaly ny olona ny ady, heloka bevava, herisetra, ary mosary, ka an-tapitrisany no miaina ao anatin’ny tahotra. Izany koa ve no mahazo anao? Tadidio àry ireto fampanantenan’Andriamanitra ireto:

“Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy ... Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”—Salamo 37:10, 11.

“Ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po.”—Isaia 32:18.

“Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany [i Jehovah]; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.”—Salamo 46:9.

“Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy.”—Mika 4:4.

“Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.”—Salamo 72:16.

“Izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.”—Ohabolana 1:33.

Milamina sy miadana angamba ny olona any amin’ny toerana sasany. Mety harary sy ho faty anefa ny rehetra. Tsy hisy intsony koa izany ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Afaka manantena ny hahita ireo havantsika nodimandry mihitsy aza isika. Diniho, ohatra, ireto:

“Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.”—Isaia 33:24.

“[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.

“Hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.”—1 Korintianina 15:26.

“Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29.

Nofintinin’ny apostoly Petera toy izao ireo fampanantenana ireo: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ (2 Petera 3:13) Raha tiana hanjaka eran-tany anefa ny fahamarinana, dia mila esorina aloha izay mety hanakantsakana izany. Anisan’ny hesorina ireo firenena tia tena ankehitriny, izay mahatonga korontana sy vonoan’olona. Hisolo ny fanjakan’olombelona rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy. Izao no toky nomena antsika: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.”—Isaia 9:6.

Afaka manantena an’izany koa ianao. Manome toky mantsy ny Baiboly hoe: “Sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:4) Aza mangataka andro àry, fa ataovy izay hahazoanao fahalalana mba hiainanao mandrakizay. (Jaona 17:3) Manorata any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity, ary mangataha olona hampianatra Baiboly anao maimaim-poana any an-tranonao.

[Sary, pejy 8, 9]

Afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany ho avy ianao, ka hiadana sy ho salama tsara