Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Tsy Matoky Ahy i Dada sy Neny?

Nahoana no Tsy Matoky Ahy i Dada sy Neny?

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana no Tsy Matoky Ahy i Dada sy Neny?

“Tiako raha mba avelan’i Dada sy Neny mandeha irery aho! Tsy hoe hitety an’izao tontolo izao aho akory. Tiako fotsiny, ohatra, raha mba mahazo mankany amin’i Nenitoa aho, nefa tsy eritreretin’i Neny hoe hitsoaka.”—Sarah, 18 taona. *

“Manontany an’i Dada sy Neny foana aho hoe nahoana izy ireo no tsy matoky ahy rehefa te handeha hiaraka amin’ny ankizy aho. Izao, matetika, no avaliny: ‘Tsy ianao no tsy atokisanay fa ny namanao.’ Sosotra mihitsy aho rehefa mandre an’izany!”—Christine, 18 taona.

TOY ny vola ihany ny fitokisana, satria tsy mora azo izy io kanefa mora very. Toa tsy mety ampy koa izay anananao, na dia efa betsaka aza. Hoy i Lala, 16 taona: “Totofan’i Dada sy Neny fanontaniana foana aho isaky ny misy dia halehako. ‘Ho aiza indrỳ? Iza avy no hiaraka amin-drỳ? Inona no hataonareo any? Amin’ny firy no mody?’ Marina aloha fa ray aman-dreniko izy ireo, kanefa tsy tiako mihitsy ny anontanintaniana toy izany!”

Tianao hatoky anao bebe kokoa ve ny ray aman-dreninao? Inona àry no azonao atao? Andeha aloha hojerentsika hoe nahoana io resaka io no mora mampifanditra ny ray aman-dreny sy ny tanora maro.

Olana mpahazo ny zatovo

Milaza ny Baiboly fa “ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny.” (Genesisy 2:24) Toy izany koa ny vehivavy. Na ankizilahy ianao na ankizivavy, dia tsarovy fa ny fotoana maha zatovo no fiomanana amin’ny fiainana hoavy, rehefa handao ny ray aman-dreninao ianao na hanorin-tokantrano.

Tsy mora toy ny miditra amin’ny varavarana akory ny hoe lasa olon-dehibe matotra. Toy ny miakatra tohatra kosa izy io, ka maro ny dingana arahina vao ho tonga amin’izany. Mitranga ny olana indraindray, satria mety hihevitra ianao hoe efa tafakatra ambonimbony ihany eo amin’ilay zanatohatra, kanefa tsy mitovy amin’izany ny hevitry ny ray aman-dreninao. Mihevitra, ohatra, i Maria fa tsy atokisan’ny ray aman-dreniny izy rehefa mifidy namana. Hoy izy: “Efa 20 taona aho izao, nefa mbola izay ihany ilay olana!” Hoy koa izy: “Mihevitra izy ireo fa tsy hahavita hanohitra fakam-panahy aho. Mba nohazavaiko tamin’izy ireo ihany fa efa nahavita izany aho taloha, kanefa mbola tsy matoky ahy ihany ry zareo!”

Hita avy amin’ny tenin’i Maria fa mampifamaly ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny resaka fatokisana. Mitranga aminao koa ve izany? Raha izany no izy, inona no azonao atao mba hatoky anao bebe kokoa ny ray aman-dreninao? Ary raha tsy matoky anao intsony izy ireo noho ny fahadisoana nataonao, ahoana no azonao anarenana izany?

Asehoy fa mendri-pitokisana ianao

Nanoratra toy izao ho an’ny Kristianina voalohany ny apostoly Paoly: “Zahao toetra foana ny tenanareo.” (2 Korintianina 13:5) Marina fa tsy nosoratany avy hatrany ho an’ny zatovo io teny io, kanefa azonao ampiharina. Zahao toetra foana ny tenanao raha mendri-pitokisana ianao na tsia. Hatoky anao kokoa mantsy ny olona, rehefa asehonao fa azo itokisana ianao. Tsy midika izany hoe tsy maintsy lavorary ianao. Manao fahadisoana daholo mantsy ny olona rehetra. (Mpitoriteny 7:20) Diniho àry sao dia ny zavatra ataonao no mahatonga ny ray aman-dreninao tsy hatoky anao.

Nanoratra, ohatra, i Paoly hoe: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’ (Hebreo 13:18) Mila mandini-tena àry ianao hoe: ‘Milaza ny marina ve aho rehefa miresaka amin’i Dada sy Neny izay toerana alehako sy ny zavatra ataoko?’ Diniho izay nataon’ireto ankizy ireto.

Lova: ‘Nandefa e-mail tany amin’ny ankizilahy iray tiako be izay aho. Tratran’i Dada sy Neny ilay izy, ka nasain’izy ireo natsahatro avy hatrany. Nilaza aho fa tsy hanao intsony, kanefa mbola notohiziko ihany ilay izy nandritra ny herintaona. Tratra indray aho, ary nifona sy nampanantena fa tsy hanoratra intsony. Nanoratra ihany anefa aho. Tsy natokisan’izy ireo intsony aho noho izany!’

Nahoana ny ray aman-drenin’i Lova no tsy natoky azy intsony? Tamin’ny ray aman-dreniny nibedy azy voalohany, inona no azony natao mba hampisehoana fa mendri-pitokisana izy? Soraty eo ambany ny valin-teninao.

․․․․․

Bakoly: “Tsy natokitoky ahy tamin’ny resaka ankizilahy mihitsy i Dada sy Neny. Izao vao fantatro ny antony. Nisy ankizilahy anankiroa izay mantsy nahataratara ahy, ary zokiko roa taona ry zareo. Mitelefaonina azy ireo aho ary miresaka ela be izahay. Ry zareo koa no tena iresahako, rehefa tafaraka any amin’ny fiaraha-mikorana izahay. Tsy navelan’i Dada sy Neny nampiasa telefaonina aho nandritra ny iray volana, sady tsy navelany hankany amin’ny toerana mety hahitana an’ireo ankizy ireo.”

Araka ny hevitrao, nahoana ny ray aman-drenin’i Bakoly no tsy natoky azy? Inona no azon’i Bakoly atao mba hanarenana izany?

․․․․․

Anja: “Nitondra labiera nody izahay sy ny namako iray rehefa avy namonjy fiaraha-mikorana, tamin’izaho mbola nianatra tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Nentinay ilay izy mba hifalifalianay tany an-trano, na dia tsy tian’ny ray aman-dreninay aza izany. Tratran’ny mamany anefa ny labieran’ilay namako, ary fantatra tatỳ aoriana fa nitondra labiera koa aho. Tsy tantiko ny nahita an’i Neny diso fanantenana!”

Raha zandrinao i Anja, inona no torohevitra omenao azy mba hahatonga ny mamanareo hatoky azy indray?

․․․․․

Fomba hahazoana indray ny fitokisan’ny ray aman-dreny

Ahoana koa raha ny zavatra nataonao ihany no mahatonga ny ray aman-dreninao tsy hatoky anao? Matokia fa mbola azo arenina izany. Amin’ny fomba ahoana?

Azo inoana fa hatoky anao kokoa ny ray aman-dreninao, raha hita amin’ny zavatra ataonao fa mendri-pitokisana ianao. Indro misy ohatra: Nindram-bola tany amin’ny banky ny lehilahy iray. Hatoky azy ny banky raha averiny ara-potoana ilay vola. Mety havelany haka vola bebe kokoa aza izy amin’ny manaraka. Raha asehonao koa fa mendri-pitokisana ianao, na dia amin-javatra madinika aza, dia hatoky anao bebe kokoa ny ray aman-dreninao amin’ny hoavy.

Hoy i Anja, tatỳ aoriana: “Tsy tena takatrao ny hasarobidin’izany hoe atokisan’ny olona izany, raha mbola kely ianao. Mendri-pitokisana kokoa aho izao, ary miezaka mafy mba hahatonga an’i Dada sy Neny hatoky ahy foana.” Inona no lesona ianarana avy amin’izany? Aza mitaraina fotsiny hoe tsy matoky anao ny ray aman-dreninao, fa miezaha manao zavatra mba hahatonga azy ireo hatoky anao.

Mendri-pitokisana ve, ohatra, ianao amin’ireto lafin-javatra ireto? Mariho izay mbola mila iezahanao.

□ Manaja ny ora fodiana

□ Manaja fotoana

□ Vitako tsara ny anjara raharahako

□ Madio foana ny efitranoko

□ Mampiasa telefaonina amim-pahendrena

□ Mitana ny teny nataoko

□ Tsy mandanilany vola

□ Tsy miandry hofohazina amin’ny maraina

□ Milaza ny marina

□ Miaiky fahadisoana ary miala tsiny

□ Zavatra hafa ․․․․․

Nahoana àry raha miezaka ho mendri-pitokisana amin’ireo lafin-javatra hitanao hoe mila iezahana? Araho ireto torohevitry ny Baiboly ireto: ‘Esory ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny.’ (Efesianina 4:22) Aoka ny teninao “rehefa Eny dia Eny.” (Jakoba 5:12) “Milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.” (Efesianina 4:25) “Ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo.” (Kolosianina 3:20) Rehefa mandeha ny fotoana, dia ho hitan’ny ray aman-dreninao sy ny olon-kafa ny fandrosoanao.—1 Timoty 4:15.

Ahoana anefa raha mbola tsy matoky anao ihany ny ray aman-dreninao, kanefa ianao mba efa miezaka mafy? Resaho amin’izy ireo amim-panajana izany. Aza mitaraina hoe tsy matoky anao izy ireo, fa anontanio azy ireo kosa hoe inona no tiany hataonao mba hahatonga azy ireo hatoky anao bebe kokoa. Lazao mazava tsara izay eritreretinao hatao.

Aza manantena hoe hatoky anao vetivety eo ny ray aman-dreninao. Mety ho tiany ho hita aloha hoe mitana ny teny nataonao ianao na tsia. Asehoy foana anefa fa mendri-pitokisana ianao. Rehefa mandeha ny fotoana dia mety hatoky anao bebe kokoa izy ireo. Izany no tsapan’i Bakoly, ilay voaresaka tetsy aloha. Hoy izy: “Mila miezaka mafy ianao vao atokisan’ny olona, kanefa zavatra kely fotsiny dia efa mety hamoizanao an’izany. Matoky ahy izao i Dada sy Neny, ary mahafinaritra erỳ izany!”

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

ERITRERETO IZAO:

▪ Nahoana no tsy matoky anao amin-javatra sasany ny ray aman-dreninao, na dia miezaka mafy aza ianao mba ho mendri-pitokisana?

▪ Nahoana ianao no tokony hiresaka amin’ny ray aman-dreninao, raha tianao hatoky anao kokoa izy ireo?

[Teny notsongaina, pejy 29]

Asehoy amin’ny zavatra ataonao fa mendri-pitokisana ianao

[Kisary/Sary, pejy 28]

Misy dingana maro tokony harahin’ny zatovo vao ho tonga olon-dehibe matotra izy

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

OLON-DEHIBE

ZATOVO

ANKIZY