Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana ny Andro Farany?

Rahoviana ny Andro Farany?

Rahoviana ny Andro Farany?

“AZO inoana fa ho ngazana sy karakaina ny Tany, rehefa afaka arivo tapitrisa taona eo ho eo. Tsy hisy zavamananaina intsony amin’izany.” Vao haingana ny gazety Lanitra & Teleskaopy (anglisy) no nilaza izany. Nahoana? Hoy ny gazety Astronomia (anglisy): “Hiakatra be ny hafanan’ny Masoandro, ka hangotraka ny ranomasina ary ho may daholo ny kontinanta ... Tsy maintsy hitranga izany, ary tsy azo ialana.”

Milaza anefa ny Baiboly hoe: “Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany [Andriamanitra], mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.” (Salamo 104:5) Azo antoka fa afaka miaro ny tany ny Mpamorona. “Nataony honenana” mantsy izy io. (Isaia 45:18) Tsy ny ratsy fanahy anefa no tiany hipetraka eo, ary tsy niriny ho faty ny olona. Nanapa-kevitra àry izy fa hitondra ny tany indray, amin’ny alalan’ilay Fanjakana resahin’ny Daniela 2:44.

Nitory momba an’io Fanjakan’Andriamanitra io i Jesosy. Nilaza izy fa hotsaraina ny firenena sy ny olona rehetra. Nampitandrina koa izy fa hisy fahoriana lehibe mbola tsy nisy toa azy. Nanome famantarana izy mba hahalalana raha efa akaiky ny faran’ity tontolo ity.—Matio 9:35; Marka 13:19; Lioka 21:7-11; Jaona 12:31.

Nampisaintsaina ny maro ny tenin’i Jesosy, izay olona tena niavaka. Rahoviana no ho tanteraka ny zavatra nolazainy? Nandinika ireo faminaniana sy daty ao amin’ny Baiboly ny olona sasany, mba hamantarana hoe rahoviana marina ny farany. Anisan’izany ilay mpahay matematika tamin’ny taonjato faha-17 atao hoe Isaac Newton. Izy no nahita ny lalàn’ny hery misinton’ny tany.

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Tsy anareo ny hahalala ny fotoana sy vanim-potoana, satria ny Ray irery ihany no manam-pahefana amin’izany.” (Asan’ny Apostoly 1:7) Hoy koa izy rehefa niresaka ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity’: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:3, 36) Nilaza i Jesosy fa amin’ny “fanatrehan’ny Zanak’olona” dia haringana ny ratsy fanahy, toy ny tamin’ny andron’i Noa. Hoy izy avy eo: “Miambena hatrany àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.”—Matio 24:39, 42.

Tsy nambara tamintsika hoe rahoviana marina no hifarana ny “rafitr’ity tontolo ity.” Fantatsika avy amin’ny “famantarana” nomen’i Jesosy anefa hoe rahoviana ilay vanim-potoana atao hoe “andro farany.” (2 Timoty 3:1) Mila ‘miambina hatrany’ àry isika, “mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany.”—Lioka 21:36.

Hoy i Jesosy talohan’ny nilazany an’ilay famantarana: “Mitandrema sao ho voafitaka ianareo. Fa maro no ho tonga amin’ny anarako, hilaza hoe: ‘Izaho no izy’, sy hoe: ‘Efa manatona ny fotoana voatondro.’ Koa aza manaraka azy. Ary aza raiki-tahotra rehefa mandre ady sy korontana ianareo, fa tsy maintsy hitranga aloha izany, nefa tsy ho tonga avy hatrany ny farany.”—Lioka 21:8, 9.

Inona moa ilay famantarana?

Izao, hoy i Jesosy, no amantarana ny andro farany: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa. Hisy zavatra mampahatahotra ho hitan’ny olona, ary hisy famantarana lehibe avy any an-danitra.” (Lioka 21:10, 11) Hoy koa izy: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Efa nisy foana ny ady, horohoron-tany, areti-mandringana, ary mosary, teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Hafa mihitsy anefa ilay noresahin’i Jesosy, satria hitranga ao anatin’ny fotoana iray ihany izy rehetra ireo.

Eritrereto àry hoe: ‘Oviana no niara-nitranga ireo lafin-javatra rehetra ao amin’ny Filazantsara ireo?’ Tamin’ny 1914 no nanomboka nisy ady lehibe nandripaka olona maro. Nisy koa horohoron-tany nahatsiravina, anisan’izany ny tsunami. Niely patrana ny areti-mandringana toy ny tazomoka, gripa mahery, ary SIDA. An-tapitrisany koa no maty mosary. Raiki-tahotra ny olona eran-tany noho ny asa fampihorohoroana sy ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Torin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany koa ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Ireo tokoa no fisehoan-javatra efa nolazain’i Jesosy.

Tadidio koa ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Aoka ho fantatrao izao: Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” (2 Timoty 3:1-5) Ho tia tena sy tsy tia an’Andriamanitra ny olona maro eran-tany, amin’io “fotoan-tsarotra” io. Hitombo koa ny mpandika lalàna sy mpanao habibiana. *

Sao dia mbola amin’ny hoavy anefa ny “andro farany”, izay hialoha ny tena farany? Misy porofo hafa ve amantarana ny fanombohan’izany?

Oviana no tokony hanomboka ny “andro farany”?

Nahazo fahitana i Daniela, ary voalaza fa mbola ho ela be vao ho tanteraka ilay izy. Niresahana toy izao izy avy eo: “Amin’izany andro izany [na ilay “andro farany” voalazan’ny Daniela 11:35] dia hitsangana Mikaela [Jesosy Kristy], andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao.” (Daniela 12:1) Fa inona no hataon’i Mikaela?

Hazavain’ny bokin’ny Apokalypsy toy izao izay nitranga, rehefa lasa Mpanjaka i Mikaela: “Nisy ady nipoaka tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona. Ary niady koa ilay dragona sy ny anjeliny nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany an-danitra. Koa natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy. Noho izany, dia mifalia ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy! Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.”—Apokalypsy 12:7-9, 12.

Asehon’ny Baiboly fa hisy loza lehibe etỳ an-tany, rehefa voaroaka avy any an-danitra i Satana sy ny demoniany. Tezitra mantsy izy satria fantany fa fohy ny fotoana anjakany amin’ny olombelona. Vao mainka ho romotra izy mandritra ny andro farany, mandra-paharesy azy tanteraka amin’ny Hara-magedona.—Apokalypsy 16:14, 16; 19:11, 15; 20:1-3.

Hoy ny apostoly Jaona rehefa avy nilaza ny faran’ilay ady tany an-danitra: “Nahare feo mafy tany an-danitra aho, nanao hoe: ‘Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy ny fahefan’ny Kristiny, satria natsipy ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy ireo andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika!’ ” (Apokalypsy 12:10) Voamarikao ve fa milaza ilay andininy hoe niorina ny Fanjakan’i Kristy? Niorina tany an-danitra izy io, tamin’ny 1914. * Milaza anefa ny Salamo 110:2 fa mbola ho eo ny ‘fahavalon’i’ Jesosy, mandra-panjakany eto an-tany tahaka ny any an-danitra.—Matio 6:10.

Hoy koa ilay anjely niresaka tamin’i Daniela, rehefa avy nilaza ireo fisehoan-javatra ho avy: “Hianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.” (Daniela 12:4) Manaporofo izany fa “andro farany” izao. Efa mazava mantsy ny dikan’ireny faminaniana ireny, ary torina eran-tany. *

Rahoviana no hifarana ny “andro farany”?

Tsy lazain’ny Baiboly hoe haharitra hafiriana marina ny andro farany. Hiharatsy hatrany anefa ny toe-javatra eran-tany, satria mihafohy ny fotoana ananan’i Satana. Efa nilaza i Paoly fa “ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka dia vao mainka hiharatsy kokoa hatrany, sady mamitaka izy ireo no voafitaka.” (2 Timoty 3:13) Izao koa no hitranga, hoy i Jesosy: “Izany andro izany dia ho andro fahoriana izay mbola tsy nisy toa azy hatrany am-piandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra ka hatramin’izany fotoana izany, sady tsy hisy intsony. Raha tsy nohafohezin’i Jehovah tokoa mantsy izany andro izany, dia tsy hisy nofo hovonjena, fa noho ny olom-boafidy izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.”—Marka 13:19, 20.

Hisy “fahoriana lehibe” àry amin’ny hoavy, ka tafiditra amin’izany ny Hara-magedona. Hogadraina koa i Satana sy ny demoniany avy eo, mba tsy hamitaka ny tany. (Matio 24:21) Ilay “Andriamanitra tsy mahay mandainga” no hanatanteraka an’ireo. (Titosy 1:2) Nanome toky izy fa tsy maintsy hitranga izany.

Inona no hitranga alohan’ny hanatanterahan’Andriamanitra ny didim-pitsarany? Nahazo fanahy masina i Paoly, ka hoy izy momba izany ‘fotoana sy vanim-potoana’ izany: “Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah. Rehefa milaza izy ireo hoe: ‘Fandriampahalemana sy filaminana!’, dia hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka, toy ny fitrangan’ny fanaintainana eo amin’ny vehivavy mihetsi-jaza. Ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.” (1 Tesalonianina 5:1-3) Tsy fantatra izay hahatonga ny olona hilaza hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana!”, raha tsy efa mitranga ilay izy. Tsy hahasakana ny didim-pitsaran’i Jehovah anefa izany. *

Tokony hanao zavatra àry isika, raha mino fa ho tanteraka ireo faminaniana ireo. Inona anefa no tokony hatao? Hoy i Petera: “Koa satria ho levona ireo zavatra rehetra ireo, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra raha mbola miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah?” (2 Petera 3:11, 12) Mety hanontany anefa ianao hoe: ‘Inona no soa ho azoko avy amin’izany?’ Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Misy porofo fanampiny momba ny “andro farany” ao amin’ny Mifohaza! Aprily 2007 pejy 8-10, sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2006 pejy 4-7, ary ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2005 pejy 4-7, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 18 Manazava an’ireo daty manan-tantara ao amin’ny Baiboly ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? pejy 215-218, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 19 Jereo ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela! sy ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2008 pejy 31-39, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 23 Jereo ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka! pejy 250-251, fehintsoratra 13 sy 14.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Nilaza i jesosy fa Andriamanitra ihany no mahalala “izany andro sy ora izany”

[Sary, pejy 4]

Isaac Newton

[Sary nahazoan-dalana]

© A. H. C./age fotostock

[Sary, pejy 7]

Tanteraka nanomboka tamin’ny 1914 ilay famantarana nomen’i Jesosy

[Sary nahazoan-dalana]

© Heidi Bradner/Panos Pictures

© Paul Smith/Panos Pictures