Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rano Mivolombolamena any Amin’ny Faritr’i Mediterane

Rano Mivolombolamena any Amin’ny Faritr’i Mediterane

Rano Mivolombolamena any Amin’ny Faritr’i Mediterane

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

“Maitso aho dia avy eo lasa mainty. Totoina tsara aho avy eo ka lasa volamena tena tsara.”—Ankamantatra espaniola.

MAITSO ny oliva manta, ary lasa mainty mangilohilo rehefa matoy. Misy “volamena” mimpirina anefa ao anatiny ao. Mamoaka rano mivolombolamena ny oliva matoy rehefa totoina. Fampiasan’ny mponina atỳ amin’ny faritr’i Mediterane izy io, nandritra ny an’arivony taona. Tsy inona io rano io fa ny menaka oliva, izay sarobidy tokoa. Rakotra hazo oliva ireo havoana any Portogaly ka hatrany Syria, atỳ amin’ny faritr’i Mediterane.

Be mpitia sady mahasalama ny menaka avy amin’io hazo mafy io. “Menaka oliva” foana no tonga ao an-tsain’ny Mediteraneanina, rehefa miresaka hoe “menaka.” Na ny niavian’ilay teny espaniola hoe aceite na “menaka” aza, dia avy amin’ilay teny arabo hoe azzáyt, izay midika hoe “ranon’oliva.” Rano avy amin’ny oliva nototoina tokoa ny menaka oliva. Tsy ilana zavatra simika na fangarony hafa ny fanamboarana azy io, hany ka re ao amin’ilay menaka foana ny tsiron’oliva sy ny fofony.

Menaka mahasoa indrindra

Nanazava i Erla Zwingle, mpahay tantara, fa “efa hatramin’ny ela ny menaka oliva no nampiasaina tamin’ny sakafo, fitsaboana, fivavahana, ary koa nanaovana solika andrehetana jiro. Mbola ny menaka oliva ihany no menaka mahasoa indrindra” ankehitriny. Tsotra ny fomba nanamboarana azy io fahiny, ary mbola izany ihany an’arivony taona atỳ aoriana. Velezina ny rantsan’ilay hazo. Angonina izay oliva mihintsana, ary totoina mbamin’ny voany amin’ny milina fitotoana oliva. Esorina ny faikany avy eo, ary atao ao anaty daba ny ranony mba hampisaraka ny menaka sy ny rano. Tonga dia azo ampiasaina ilay menaka. *

Maro karazana toy ny divay ny menaka oliva. Misy hazo oliva 1 000 tapitrisa ambolena maneran-tany. * Milaza ny manam-pahaizana momba ny hazo fihinam-boa fa misy karazany 680 mahery ny oliva. Noho izany, dia misy karazany ny tsiron’ny menaka oliva sy ny lokony ary ny fofony. Miova koa izany arakaraka ny tany aniriany, ny toetrandro, ny fomba anamboarana azy, ary ny fotoam-piotazana (Novambra ka hatramin’ny Febroary). Milaza ireo manam-pahaizana momba ny tsiron-javatra fa tsy mitovy ny tsiron’ny menaka oliva. Ao ny mamy, ao ny masiatsiaka, ny matsiro, ary ny manana tsiron’oliva. Milaza anefa izy ireo fa tsara daholo ireo menaka ireo.

Mety tsara amin’ny fambolena oliva ny toetany atỳ amin’ny faritr’i Mediterane. Saika avy amin’ity faritra ity avokoa ny menaka oliva eran-tany. Raha mandalo atỳ ianao, dia hahita fa rakotra hazo oliva ny havoana eto Espaina sy any Gresy, Italia, Maroc, Portogaly, Syria, Tonizia, ary Torkia. Tondraka manerana ny faritr’i Mediterane tokoa ilay “rano mivolombolamena”!

Menaka mahasalama

Nampahatsiro an’ireo sakafo mampiavaka ny faritr’i Mediterane ny menaka oliva, nandritra ny taonjato maro. Afangaro amin’ny sakafo na anendasana izy io, na andomana hena na trondro manta. Hoy i José Marín, lehiben’ny mpahandro ao amin’ny hotely iray eto Espaina: “Azo antoka fa tena tsara izy io, matoa nampiasaina nandritra izay 4 000 taona izay. Vao mainka nihatsara izy io tatỳ aoriana, satria nohatsaraina ny fomba fanamboarana azy.”

Efa ela ny manam-pahaizana no nahamarika fa salama kokoa noho ny olon-kafa, ny olona mihinana sakafo mediteraneanina. * Nanao kaonferansa iraisam-pirenena ny manam-pahaizana momba ny sakafo mahavelona, mba hampisehoana fa mahasalama ny menaka oliva tsy misy fangarony. Nilaza izy ireo fa salama sy ela velona kokoa ny olona mihinana sakafo mediteraneanina misy an’io karaza-menaka io. Tsy dia atahorana ho voan’ny aretim-po sy kansera ny olona mihinana sakafo betsaka azy io. Nilaza ny manam-pahaizana fa “vitsy kokoa ny olona voan’ny kansera any amin’ireo firenena mihinana sakafo mediteraneanina, raha ampitahaina amin’ny any Eoropa Avaratra ... Menaka oliva tsy misy fangarony mantsy no ampiasaina amin’ny sakafo mediteraneanina.”

Maro ny antony mety hahatonga ny menaka oliva hahasalama. Be asidra mampikoriana tsara ny ra ao amin’izy io. Tsy mila asiana zavatra simika koa izy io mba hitehirizana azy, ka mbola tavela ao foana ny vitaminina sy ny zavatra hafa mahavelona tao amin’ilay oliva. Mora levonina koa io menaka io.

Miaro sy manatsara hoditra koa ny menaka oliva, satria misy taharo manala oksida (zavatra tsy mahasalama ao amin’ny vatana). Anisan’ireo taharo ireo ny vitaminina E. Izany no antony ampiasana ny menaka oliva amin’ny zavatra fanatsarana tarehy, ranon-javatra fanosotra, ranon-tsavony fanasana loha, ary savony. Nampiasa menaka oliva nafangaro tamin’ny zavamaniry ny Grika sy ny Romanina fahiny, mba hampahadio sy hampahamandimandina ny hoditra. Nanomboka nanamboatra savony tamin’ny menaka oliva koa ny Frantsay, tamin’ny taonjato fahenina. Menaka oliva sy lavenona avy amin’ny zavamaniry tany an-dranomasina, no nafangarony.

Menaka oliva tamin’ny andron’ny Baiboly

Nampiasaina tamin-javatra maro ny menaka oliva tamin’ny andron’ny Baiboly. Nampiasaina tamin’ny sakafo, fitsaboana, zavatra fanatsarana tarehy, ary nanaovana solika andrehetana jiro ny menaka oliva. Miresaka azy io in-250 mahery ny Baiboly. Menaka oliva tsy misy fangarony na efa nanamboarana menaka manitra, no tiany holazaina rehefa miresaka azy io.

Hita ao amin’ny Soratra Masina fa nampiasa betsaka an’io menaka io ny Israelita. Be menaka oliva ny sakafon’izy ireo. Heverina ho toy ny harena koa ny menaka oliva betsaka. (Joela 2:24) Nihosotra azy io na ny lehilahy na ny vehivavy. ‘Nihosotra diloilo’ i Rota talohan’ny hihaonany tamin’i Boaza. (Rota 3:3) “Niarina tsy nandry tamin’ny tany intsony” i Davida Mpanjaka, rehefa avy nifady hanina nandritra ny herinandro. “Nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany” izy avy eo, “dia nankao amin’ny tranon’i Jehovah.”—2 Samoela 12:20.

Tena nilaina ny menaka oliva mba handrehetana jiro. (Matio 25:1-12) Nandrehetana jiro tao amin’ny tranolay masina tany an-tany efitra ny “diloilon’oliva tsara voavely.” (Levitikosy 24:2) Anisan’ny entana namidy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy io, tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. (1 Mpanjaka 5:24, 25) Nampiasain’ny mpaminany hanosorana mpanjaka koa izy io. (1 Samoela 10:1) Raha tsara fanahy sy nahay nandray vahiny ny tompon-trano, dia nohosorany menaka ny lohan’ny vahininy. (Lioka 7:44-46) Voalaza tao amin’ny fanoharan’i Jesosy koa fa nohosoran’ilay Samaritanina tsara fanahy menaka sy divay, ny ratran’ilay lehilahy notafihin’ny jiolahy.—Lioka 10:33, 34.

Fampiasa amin’ny fitsaboana ny menaka oliva. Izany no mahatonga ny Soratra Masina hampitaha azy io amin’ny torohevitra mamelombelona sy ny teny mampahery. Hoy i Jakoba mpianatra: “Misy marary ve aminareo? Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy sy hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah. Fa hanasitrana ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy.”—Jakoba 5:14, 15.

Ahazoana menaka betsaka ny hazo oliva iray. Mamokatra menaka telo na efatra litatra isan-taona ny hazo oliva iray, mandritra ny taonjato maro. Sarobidy tokoa àry io rano mivolombolamena azo avy aminy io, satria mahasalama, mampahatsara hoditra ary mampahatsiro sakafo!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Ny menaka oliva tsara indrindra (vierge extra), dia menaka tsy misy fangarony nalaina avy tamin’ny oliva faran’izay tsara. Ny menaka oliva mahazatra kosa dia nasiana zavatra simika, mba hampiova kely ny tsirony.

^ feh. 8 Manome menaka 1 700 tapitrisa litatra isan-taona ireo hazo oliva ireo.

^ feh. 12 Ahitana voankazo sy legioma koa ny sakafo mediteraneanina.

[Efajoro, pejy 19]

Ny Tsara ho Fantatra Momba ny Menaka Oliva

▪ Simba izy io raha tehirizina mihoatra ny herintaona sy tapany.

▪ Manimba azy io ny hazavana, ka tokony ho toerana mangatsiatsiaka sy maizimaizina no hitehirizana azy.

▪ Tsy manala oksida izy io raha anendasana sakafo mihoatra ny indray mandeha.

▪ Ampirisihin’ny manam-pahaizana hihinana sakafo misy menaka oliva mandritra ny androm-piainany ny olona, raha te ho salama tsara.

▪ Vao mainka mahasalama izy io rehefa ampiarahina amin’ny sakafo mediteraneanina, izay betsaka trondro, legioma, voamadinika, ary voankazo.

[Sary, pejy 16, 17]

Fomba Tsotra Fanamboarana Menaka Oliva

Velezina ny rantsan’ny hazo oliva

Totoina mbamin’ny voany amin’ny milina manokana ny oliva

Sarahina amin’ity fitaovana ity ny menaka sy ny faikany

Tantazana ny menaka oliva

[Sary nahazoan-dalana]

Milina sy fitaovana manokana: Museo del Olivar y el Aceite de Baena

[Sary, pejy 18]

Ambony: Hazo oliva naniry efa hatramin’ny taonjato maro

[Sary, pejy 18]

Havanana: Jiro nampiasaina fahiny

[Sary nahazoan-dalana]

Jiro: Museo del Olivar y el Aceite de Baena

[Sary, pejy 18]

Farany havanana: Virjiny folo mitondra jiro mirehitra amin’ny menaka oliva, voalaza ao amin’ny fanoharan’i Jesosy