Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

‘Efa ho 100 000 ny olona nisy namono teto Etazonia’, tato anatin’ny enin-taona.—THE NEW YORK TIMES, ETAZONIA.

Nalana ny mombamomba an’ireo olona 29 000 tao amin’ny Internet, satria voaheloka tamin’ny resaka fametavetana izy ireo. Hoy i Richard Blumenthal, tonian’ny fampanoavana, any Connecticut: “Mila manao zavatra haingana isika, satria maniry hoatra ny anana ireo mpametaveta mampiasa [Internet].”—REUTERS NEWS SERVICE, ETAZONIA.

‘Vitsy kely ny anaram-pianakaviana sinoa. Nanaovana fanadihadiana ny mponin’i Chine, izay niisa 1 400 tapitrisa, tamin’ny 2006. Hita fa anaram-pianakaviana 100 monja no entin’ny 85 isan-jato amin’izy ireo.’—CHINA DAILY, CHINE.

‘Ireo mandeha môtô no atahorana kokoa ho faty’ amin’ny lozam-pifamoivoizana, noho ny olona mandeha fiara.—UC BERKELEY WELLNESS LETTER, ETAZONIA.

Nekena ho Ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Torkia

Nekena ho ara-dalàna ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Torkia, tamin’ny 31 Jolay 2007. Noho izany, dia afaka mividy tany sy trano izy ireo, manofa toerana ivoriana, mandray fanomezana, ary miaro ny zon’izy ireo any amin’ny fitsarana.

“Sahisahy” ny Olona Noho ny Internet

Misy fandaharana ho an’ireo mitady olona hanaovana firaisana, ao amin’ny Internet. Nilaza ny gazety fa olona 310 000 no mampiasa azy io, ary 1 000 no misoratra anarana isan’andro. Nirehareha erỳ ireo Alemà namorona an’io fandaharana io, fa “tsy misy mahalala mihitsy” ny zavatra ataon’ireo mampiasa azy io. Hoy ny iray tamin’izy ireo: ‘Rehefa fantatry ny olona hoe tsy misy mahalala ny zavatra ataony, dia lasa sahisahy izy, ary mora aminy kokoa ny manao resaka tsy an-kifonofono.’ Nilaza koa ny iray tamin’izy ireo fa mampitombo ny isan’ny olona manitsakitsa-bady ny Internet.

Fikarohana Nampisy Olana

Milaza, matetika, ny mpahay siansa hoe ny karazana rajako Homo habilis no nivoatra miandalana ka lasa karazana rajako Homo erectus, ary ireo indray no lasa olombelona, izay antsoiny hoe Homo sapiens. Nisy sisan-taolan’ny Homo habilis sy Homo erectus anefa hita tany Kenya, ary tsy nifanalavitra ny toerana nahitana azy ireo. Porofoin’izany fa niara-belona izy ireo. Hoy i Meave Leakey, anisan’ireo nanao tatitra: “Tsy mitombina ny hoe nivoatra miandalana avy amin’ny Homo habilis ny Homo erectus, satria niara-belona izy ireo.”

Toetrandro Amin’ny Faran’ny Herinandro

Milaza ny Alemà maro fa ratsy kokoa ny andro amin’ny faran’ny herinandro. Toa marina ny eritreritr’izy ireo, hoy ny gazety Der Spiegel, rehefa nodinihina ny tatitra momba ny toetrandro tany amin’ny faritra maro tany Alemaina nandritra ny 15 taona. Ny alarobia no mafana indrindra, ary ny asabotsy no mangatsiatsiaka indrindra. Be orana kokoa ny asabotsy noho ny andavanandro, ary ny alatsinainy no andro maina indrindra. Tsara kokoa ny andro ny talata, raha mitaha amin’ny asabotsy. Milaza ny manam-pahaizana fa angamba miangona eny amin’ny habakabaka ireo setroka avy etỳ an-tany amin’ny andavanandro, ka izany no mampisy orana amin’ny faran’ny herinandro.