Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hitondra Fitahiana ho Anao Ilay Mpanjaka Tarihin’ny Fanahin’i Jehovah”

“Hitondra Fitahiana ho Anao Ilay Mpanjaka Tarihin’ny Fanahin’i Jehovah”

“Hitondra Fitahiana ho Anao Ilay Mpanjaka Tarihin’ny Fanahin’i Jehovah”

Iza no tsy hiaiky fa marina ny voalazan’ny Baiboly, rehefa jerena ny tantara? Hoy izy io: ‘Manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’ (Mpitoriteny 8:9) Mety hiova ve izany, sa izay nitranga teo aloha ihany no tsy maintsy mbola hitranga amin’ny hoavy? Hamaly izany ny lahateny ho an’ny besinimaro amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Araho ny Fitarihan’ny Fanahy Masina”, izay hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny 2008. Ny lohatenin’ilay lahateny dia hoe “Hitondra Fitahiana ho Anao Ilay Mpanjaka Tarihin’ny Fanahin’i Jehovah.” Horesahina amin’izany ny momba ny mpanjaka iray be fitiavana, izay tena hampanjaka ny rariny. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy, izay nanome ny ainy ho antsika.—Matio 20:28.

Inona no mampiavaka azy amin’ny mpitondra rehetra? Hoy i Isaia mpaminany: “Ny Fanahin’i Jehovah [Andriamanitra] hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah; ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny; fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo; ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany.”—Isaia 11:2-4.

Tia mpanjaka toy izany ve ianao? Asaina àry ianao hanatrika an’io lahateny io. Hisy fivoriambe 23 hatao manerana an’i Madagasikara amin’ny volana Aogositra. Manatòna ny Vavolombelon’i Jehovah na manorata any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity, mba hahafantaranao ny toerana hanaovana azy io akaiky anao indrindra. Ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2008 ny lisitry ny toerana hanaovana io fivoriambe io, eto Madagasikara.