Hitondra Soa Maharitra ve ny Asa Soa?
Hitondra Soa Maharitra ve ny Asa Soa?
BETSAKA izao ny vaovao ratsy. Anisan’izany ny loza voajanahary, fahantrana, mosary, aretina, ary ny fahasimban’ny tontolo iainana. Nisy vaovao tsara koa anefa tato ho ato, satria mihamaro ny mpanao asa soa. Misy, ohatra, mpanankarena manome vola an-jatony na an’arivony tapitrisa mihitsy. Maro koa ny olo-malaza manolo-tena hanentana ny vahoaka, rehefa misy olana lehibe. Na ny olon-tsotra aza dia maro no mazoto manome fanampiana isan-karazany. Mitondra soa maharitra àry ve ny asa soa? Afaka manatsara ny hoavy ve izy io?
Nahoana no betsaka ny mpanao asa soa?
Lasa be dia be ny olona manome vola hanaovana asa soa, any amin’ny tany maro. Hoy ny boky iray: “Amin’izao taonjato fahiraika amby roapolo izao no tena betsaka ny fikambanana [mpanao asa soa]. Mitombo koa ny vola azon’izy ireo sy ny firenena misy azy.” Antenaina fa hitohy izany satria mihamaro ny mpanankarena, ary mitombo ny volany. Manao didim-pananana ny sasany, ka omeny hanaovana asa soa ny harenany rehefa maty izy. Izany no nahatonga ny gazety Toe-karena (anglisy) hilaza fa “miroborobo izao ny asa soa”, ary azo inoana fa hitombo izany.
Inona no anisan’ny mahatonga izany? Tsy vitan’ny fanjakana ny mandamina haingana an’ireo olana lehibe. “Tsy mandray andraikitra ny mpitondra”, ka maro ny olo-malaza miezaka manatsara ny fahasalaman’ny olona
eran-tany. Izany no fanamarihan’ny iraky ny Firenena Mikambana tatsy Afrika, izay nanadihady momba ny SIDA. Hoy koa ny boky iray nosoratan’i Joel Fleishman: “Tsy maharitra [ny mpanankarena] ka miezaka mitady vahaolana na fanatsarana, satria tsy mahavita azy ny fitondrana.” Eo, ohatra, ny olana momba ny fitsaboana, tontolo iainana, fampianarana, ary koa ny fahantrana sy ny tsy rariny. Te hanova izany haingana ny mpanao asa soa, ka mitady fomba hampitomboana ny harenany.Ny vokatry ny asa soa
Nihamaro ny olona tia nanao asa soa, raha vao nanomboka ny taonjato faha-20. Nanapa-kevitra ny hampiasa ny harenany mba hanampiana ny mahantra, ohatra, ny mpanefohefo toa an-dry Andrew Carnegie sy John Rockefeller. Nizara sakafo sy fanafody ho an’ny sahirana izy ireo. Hitany anefa fa tsy tena mamaha olana ireny fanampiana tsotra ireny. Nitady fomba mahomby kokoa àry izy ireo, ka nanangana fikambanana isan-karazany, mba hahazoana vola hamahana tanteraka an’ilay olana. Efa an’aliny izao ireny fikambanana ireny eran-tany. Maherin’ny 50 amin’izy ireny no nahangona vola mihoatra ny arivo tapitrisa dolara avy.
Tsy isalasalana fa nisy vokany tsara maro izany. Manaporofo izany ireo sekoly, tranomboky, hopitaly, zaridainam-bahoaka, ary tranombakoka maro be. Natao izay hampitomboana ny vokatra amin’ny fambolena, mba halefa any amin’ny tany mahantra. Nisy koa vola natokana ho an’ny fikarohana ara-pitsaboana. Nihatsara àry ny fahasalaman’ny olona, ka fongotra mihitsy ny aretina sasany, toy ny tazo vony.
Manantena ny olona fa hihatsara ny fiainana. Efa misy ezaka atao mantsy mba hamahana haingana an’ireo olana lehibe, sady be lavitra izao ny vola hanaovana izany. Hoy ny filoha amerikanina iray taloha, tamin’ireo mpanao asa soa tamin’ny 2006: “Azo antoka fa tena hanatsara ny fiainam-bahoaka ny fanampiana omenareo.”
Maro anefa no tsy tena matoky an’izany. Nanoratra toy izao i Laurie Garrett, mpanadihady momba ny fahasalamana eran-tany: “Misy mihevitra fa maro ny aretina ho fongotra tsy ho ela, satria be dia be ny vola ampiasaina. Tsy marina anefa izany.” Nahoana? Nilaza izy fa betsaka ny mpanodinkodim-bola, sady tsy voalamina tsara ny fomba fiasa. Matetika koa ireo mpanome vola no mametra hoe ny aretina sasany ihany, toy ny SIDA, ohatra, no hampiasana ny volany.
Tsy milamina tokoa ny fomba fiasan’ireo mpanao asa soa. Hoy àry i Garrett: “Atahorana hisy vokany ratsy ny fanampiana be dia be azo ankehitriny, fa tsy hahasoa araka ny noeritreretina. Ny aretina lehibe ihany mantsy no tena ampiasana ny vola, fa tsy ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ankapobeny.”
Tsy mahafoana ny fijaliana ny vola
Voafetra ihany ny zavatra mety ho vitan’ny asa soa isan-karazany. Nahoana? Satria na ny vola na ny fampianarana, dia tsy mahafoana ny fankahalana, fitiavan-karena, fanavakavahana, fanindrahindram-poko sy tanindrazana, ary ny fivavahan-diso. Anisan’ny mampijaly ny olona tokoa ireo. Hazavain’ny Baiboly anefa fa zavatra hafa no tena mahatonga ny fijaliana. Inona avy izany?
Voalohany, tsy lavorary ny olona satria mpanota. (Romanina 3:23; 5:12) Izany no mahatonga antsika ho mora mieritreri-dratsy sy manao ratsy. Hoy ny Genesisy 8:21: “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” An-tapitrisany no resin’izany fanirian-dratsy izany, ka mijangajanga sy midoroka zava-mahadomelina. Izany no mampihanaka ny aretina toy ny SIDA.—Romanina 1:26, 27.
Jeremia 10:23: “Tsy an’ny olombelona ... ny hahalavorary ny diany.” Voalaza tany aloha fa “tsy mandray andraikitra ny mpitondra”, ka mitady vahaolana ny mpanao asa soa fa tsy miandry ny fanjakana. Hazavain’ny Baiboly anefa fa ny Mpamorona no tena tokony ho Mpitondra, fa tsy ny olona samy olona.—Isaia 33:22.
Faharoa, tsy mahay mitondra ny olombelona, ka anisan’ny mahatonga ny fijaliana koa izany. Hoy nyMampanantena koa ny Baiboly, fa hanafoana ny olana rehetra mampijaly ny olona i Jehovah Andriamanitra Mpamorona. Efa nanao dingana lehibe maro izy, mba hanatanterahana izany.
Ilay Tena Mpanao Asa Soa
Ny fitiavana no tena mahatonga ny olona hanao asa soa. Ny Mpamorona anefa no tena tia ny olombelona. Hoy ny Jaona 3:16: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Sarobidy lavitra noho ny vola ny zavatra nomen’i Jehovah, mba hanafahana antsika amin’ny fangejan’ny ota sy ny fahafatesana. Ny Zanany mihitsy no nomeny “ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28) Hoy ny apostoly Petera, momba an’i Jesosy: “Izy no nitondra ny fahotantsika tao amin’ny vatany teo amin’ny tsato-kazo, mba tsy hanana fifandraisana intsony amin’ny fahotana isika ka hiaina amim-pahamarinana. ‘Ny ratra taminy no nahasitrana anareo.’ ”—1 Petera 2:24.
Efa nanorina Fanjakana any an-danitra i Jehovah, mba hitondra ny tany. Izy io ilay atao hoe Fanjakan’Andriamanitra. Hanaisotra ny faharatsiana rehetra izy io, ka hitondra fiadanana sy filaminana eto an-tany.—Salamo 37:10, 11; Daniela 2:44; 7:13, 14.
Ny fototry ny fijalian’ny olombelona mihitsy no hesorin’Andriamanitra. Tsy misy mahavita an’izany na olon-tsotra na fikambanana. Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanangana fikambanana mpanao asa soa. Manahaka an’i Jesosy Kristy kosa izy ireo, ka mampiasa ny fotoanany sy ny fananany amin’ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.”—Matio 24:14; Lioka 4:43.
[Efajoro/Sary, pejy 21]
“Ny Mpanome Amim-pifaliana no Tian’Andriamanitra”
Manaraka an’io toro lalana ao amin’ny 2 Korintianina 9:7 io, ny Vavolombelon’i Jehovah. Ampiasainy hanampiana ny hafa ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany. Miezaka àry izy ireo mba “tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela, fa amin’ny atao ary amin’ny fahamarinana.”—1 Jaona 3:18.
Raisin’ny Vavolombelona ho tombontsoa ny manampy ny hafa, rehefa misy loza lehibe. Namely ny faritra atsimon’i Etazonia, ohatra, ny Rivo-doza Katrina sy Rita ary Wilma. Vavolombelona an’arivony no nirotsaka an-tsitrapo hanampy an’ireo tra-boina. Efitrano Fanjakana 90 sy trano 5 600 mahery no namboarin’izy ireo, teo ambany fitarihan’ny komitin’ny vonjy rano vaky. Voamboatra ny ankamaroan’ny tranon’ny Vavolombelona.
Tsy manome ampahafolon-karena na mangata-bola ny Vavolombelon’i Jehovah. Fanomezana an-tsitrapo avokoa no mampandeha ny asan’izy ireo.—Matio 6:3, 4; 2 Korintianina 8:12.
[Sary, pejy 19]
Tsy mahafoana ny tena antony mahatonga ny aretina sy ny fijaliana ny vola
[Sary nahazoan-dalana]
© Chris de Bode/Panos Pictures