Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Afaka Hitondra Hoavy Sambatra ve ny Olombelona?

Ho Afaka Hitondra Hoavy Sambatra ve ny Olombelona?

Ho Afaka Hitondra Hoavy Sambatra ve ny Olombelona?

Vao nifindra tao amin’ny trano biriky vaovao ianao, ary toa mafy sy kanto erỳ ilay izy. Tanteraka ny nofinofinao, ary toa azo antoka ny hoavinao! Taorian’ny taona vitsivitsy anefa, dia hita fa tsy maintsy horavana ilay trano, satria nisy lesoka lehibe ny fomba nanamboarana azy. Nalahelo be ianao. Tsy ny tranonao ihany anefa no toy izany, fa ny an’ireo mpiara-monina aminao koa. Fa inona no olana? Hita taorian’ny fandinihana, fa tsy nety ny fomba nanorenana an’ireo trano, ary ratsy ny biriky nampiasaina.

TOA an’io trano io, dia misetra olana lehibe koa izao tontolo izao. Efa nanandrana karazam-pitondrana maro sy fomba isan-karazany hanatsarana ny fiaraha-monina ny olona, ary mandroso be ny siansa sy ny teknolojia. Miharatsy foana anefa ny fiainana. Fahita any amin’ny tany maro ny fandikan-dalàna sy ny fanjakan’i Baroa. Handrisika ny olombelona hamaha ny olana sy hanorina fitondram-panjakana tsara ve ny fahitana fa efa halohalika ny ranombary? Diniho izay nolazain’ny manam-pahefana sasany momba ny tantaran’ny olombelona.

‘Efa niala nenina isika’

Mba hisian’ny tontolo tsara kokoa, dia nanome soso-kevitra maro momba ny karazam-pitondrana mety ny filozofa, toa an-dry Platon, filozofa grika, sy ry Karl Marx, mpanao politika sady filozofa alemà nanohana ny sosialisma. Inona no vokany? Hoy ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety Mpitondra Fanjakana Vaovao (anglisy): ‘Tsy nahafoana ny fahantrana isika na nampisy fiadanana eran-tany. Toa ny mifanohitra amin’izany aza no vitantsika. Efa niala nenina anefa isika, satria nandramantsika ny karazam-pitondrana rehetra, toy ny kominisma sy ny kapitalisma. Nanandrana fomba samihafa koa isika mba hisorohana ny ady. Natsangana, ohatra, ny Fikambanam-pirenena. Teo koa ny fanamboarana fitaovam-piadiana niokleary maro be. Sarotra inoana anefa hoe ho haintsika ny hampitsahatra ny ady, satria toy ny sahan’ady foana ny tanàn-dehibentsika. Faly erỳ isika nanomboka ny taonjato [faha-20], satria nino fa hamonjy antsika ny mpahay siansa. Tsy nino ny tenin’izy ireo intsony anefa isika, rehefa nifarana ilay taonjato.’

Mpampianatra momba ny tantara tao amin’ny Oniversiten’i Londres i Eric Hobsbawm, ary efa misotro ronono. Nanoratra izy tamin’ny 2001, fa “misy vokany lehibe eo amin’ny tontolo iainana sy ny tany ny zavatra ataon’ny olona, ary tsy maintsy mitady vahaolana amin’izany” ny fitondram-panjakana. “Tsy maintsy misy fepetra raisina” mba hamahana ilay olana na hampihenana azy io. Azo antoka anefa, hoy i Eric Hobsbawm, fa tsy hanohana izany ny vahoaka raha anontaniana ny heviny. Raha terena hanaiky azy io izy ireo, dia tsy ho voahaja ny zony hisafidy, ary mbola atahorana ihany ny hoavin’ny tany.

Hoy i Stephen Hawking, mpanoratra malaza sady manam-pahaizana momba ny kintana sy ny planeta, rehefa nahita ny loza mananontanona ny olombelona: “Ahoana no mbola hahatafavoaka velona ny olombelona ato anatin’ny 100 taona, raha jerena izao korontana misy eo amin’ny fiaraha-monina sy ny politika ary ny tontolo iainana izao?”

Nahoana no tsy voavahan’ny olombelona ilay olana?

Ny Baiboly ihany no tena afaka manazava ny antony tsy hahaizan’ny olombelona mitondra. Lazainy amintsika mazava ny tena marina momba antsika olombelona. Diniho, ohatra, ireto fahamarinana lehibe efatra ireto:

Tsy lavorary isika rehetra. “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Mety hihasimba sy hirodana ny trano iray raha ratsy ny biriky nanaovana azy. Toy izany koa fa mety hanao zavatra manimba ny fiaraha-monina ny olona, noho ny tsy fahalavorariana nolovana tamin’i Adama. Mety ho mora mandray kolikoly, ohatra, izy, na manao ny tsy marina, na tsy mety ho afa-po, na manararaotra fahefana. Tsy zava-baovao izany. Hoy mantsy ny mpanoratra Baiboly iray nanam-pahendrena, 3 000 taona lasa teo ho eo izay: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.”—Mpitoriteny 8:9.

Fantatry ny mpitondra sy ny mpanao lalàna fa tsy lavorary isika, ka mamoaka lalàna be dia be izy ireo mba hifehezana izany. Ekeny anefa fa tsy misy afaka mamoaka lalàna hanerena ny olona hifankatia sy hankatò lalàna.

Mety maty isika. “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy [ny ainy], ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” (Salamo 146:3, 4) Noheverina fa iray amin’ireo mpitondra hendry indrindra hatramin’izay i Solomona, mpanjakan’ny Israely fahiny. Hitany anefa fa nety ho very maina ny fisasarany. Hoy izy: “Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin’ny masoandro, fa havelako ho an’ny olona izay handimby ahy izany, ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon’izay rehetra nisasarako. ... Zava-poana koa izany.”—Mpitoriteny 2:18, 19.

Tsy natao hifampitondra isika. “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23) Mampianatra ny Baiboly fa araka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, dia tsy manana zo sy fahaizana hifampitondra isika, na dia atao hoe lavorary aza. Matetika, ohatra, ny olona no sosotra rehefa misy olon-kafa na antokon’olona milaza aminy izay tokony hataony, na mametra ny fitsipika momba ny fitondran-tena tokony harahiny. Nahoana? Satria noforonina mba hitady tari-dalana avy amin’ny fahefana ambony kokoa isika. Tsy iza izany fa Andriamanitra.—Isaia 33:22; Asan’ny Apostoly 4:19; 5:29.

Manan-kery eo amin’ny olombelona ny mpitondra iray tsy hita maso. “Izao tontolo izao manontolo ... dia eo ambany fahefan’ilay ratsy”, dia i Satana Devoly. (1 Jaona 5:19) Aoka hatao hoe tena manao ny tsy marina ny lehiben’ny orinasa iray, nefa tsy misy manana fahefana aminy. Misy azon’ny mpiasa atao ve? Zara raha misy, na tsy misy mihitsy aza. Toy izany koa fa tsy tena misy azon’ny olona atao, mba hamahana ny olana entin’ireo mpitondra tsy hita maso an’ity tontolo ity, dia ireo anjely ratsy eo ambany fahefan’i Satana. Antsoin’ny Baiboly hoe “fanjakana”, “fahefana”, “mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao”, ary “fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra” izy ireo.—Efesianina 6:12.

Resahin’ny Baiboly mazava ny momba ireo mpitondra tsy hita maso an’ity tontolo ity, sy ny tsy fahaizan’ny olombelona mamaha olana. Milaza vaovao tsara amintsika koa anefa izy io, dia ny vahaolana azo antoka amin’ireo zava-manahirana rehetra mahazo antsika. Misy antony marim-pototra hananantsika fanantenana àry.

Hamonjy antsika ny Mpamorona!

Tsy hahavita hamaha samirery ireo olana mahazo antsika isika. Tsy afaka manova ireo zava-misy efatra nodinihintsika tato amin’ity lahatsoratra ity, na dia ny olona mahira-tsaina sy manana fahefana ary manankarena indrindra aza. * Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka anefa, fa tsy manadino na mahafoy antsika ny Mpamorona. Manana zo hitondra antsika izy, ka hanaisotra izay rehetra mahatonga antsika tsy ho sambatra. (1 Jaona 4:8) Hanao izany tsy ho ela izy. Ahoana no hahalalantsika izany?

Nohazavaina tao amin’ny Mifohaza! talohan’ity, fa efa tena ao anatin’ny “andro farany” isika, raha ny toe-draharaha eran-tany sy ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina no jerena. (2 Timoty 3:1; Matio 24:3-7) Ahoana anefa no hahatongavan’ny farany? Tsy ho vokatry ny famonoana tambabe amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana niokleary izany, na noho ny fifandonan’ny planeta, na noho ny zavatra hafa handringana miaraka ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. Andriamanitra kosa no hahatonga izany, ka ireo ratsy fanahy no horinganina, anisan’izany ireo te hampaharitra ny fitondran’olombelona. (Salamo 37:10; 2 Petera 3:7) Hofaranan’Andriamanitra koa amin’izay ny fijaliana rehetra, izay vokatry ny asan’ny mpanohitra azy. *2 Tesalonianina 1:6-9.

Hahazo fahefana feno avy amin’ny Mpamorona, avy eo, ny “fanjakan’Andriamanitra”, ka hitondra ny tany. Hamaha ny olana tsy voavahan’ny fitondram-panjakan’olombelona izy io. (Lioka 4:43) Hanova tanteraka ny hoavintsika io fitondram-panjakan’Andriamanitra io, ary izany no hodinihintsika izao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Hitondra Soa Maharitra ve ny Asa Soa?”, eo amin’ny pejy 19.

^ feh. 18 Mamaly ilay fanontaniana hoe “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?” ny pejy 106 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 5]

IREO “BIRIKY” RATSY NANORENANA NY FIARAHA-MONIN’NY OLOMBELONA

▪ Tsy lavorary isika rehetra.

▪ Mety maty isika.

▪ Tsy natao hifampitondra isika.

▪ Manan-kery eo amin’ny olombelona ny mpitondra iray tsy hita maso.

[Efajoro, pejy 6]

TSY HO POTIKA MIHITSY NY TANY!

Voaporofo ao amin’ny Baiboly, fa mikasa hanao ny tany ho fonenana milamina sy azo antoka ho an’ireo matahotra azy ny Mpamorona. Diniho ange ireto andinin-teny ireto e:

“Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany Izy, mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.”—Salamo 104:5.

“Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.”—Salamo 119:90.

“Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.”—Mpitoriteny 1:4.

“Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:9.

“[I Jehovah no] namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana).”—Isaia 45:18.