Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hoavy Azo Antoka!

Hoavy Azo Antoka!

Hoavy Azo Antoka!

Aoka hatao hoe tonga eo amin’ny sampanan-dalana iray ianao. Misy takelaka roa manondro lalana eo. Ny iray misy soratra hoe: “Mitokia amin’ny olombelona sy ny fampanantenany.” Ny iray kosa hoe: “Mitokia amin’Andriamanitra sy ny Fanjakany.” Iza amin’ireo no harahinao?

HENDRY ianao raha mitoky amin’Andriamanitra. Hoy mantsy izy: “Izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.” (Ohabolana 1:33) Mihaino ny Mpamorona antsika isika, raha mankatò ny fampianaran’ny Baiboly. Azo itokisana mantsy izany. (2 Timoty 3:16) Nahoana isika no afaka mitoky amin’ny Baiboly? Hitantsika tamin’ny lahatsoratra teo aloha, ohatra, fa ny Baiboly irery no manazava marina tsara ny antony tsy ahaizan’ny olombelona mifampitondra. Tsy ekenao ve fa tsy misy diso ny voalazan’ny Baiboly, rehefa jerena ny zava-misy?

Marina tsara koa ny faminanian’ny Baiboly. Efa nambarany mialoha, ohatra, ireo zava-misy mahatsiravina mampiavaka ny “andro farany”, ary hitantsika izany ankehitriny. (Matio 24:3-7; 2 Timoty 3:1-5) Nolazainy mihitsy aza fa hanimba ny tany ny olombelona. Milaza ny Apokalypsy 11:18, fa ‘handringana izay manimba ny tany’ Andriamanitra.

Efa ho 2 000 taona izay no nanoratana an’ireo teny ireo. Tsy noeritreretin’ny olona tamin’izany akory ny zava-mitranga ankehitriny, izay vokatry ny ataon’ny olona ihany. Anisan’izany ny fandotoana ny rivotra sy ny ranomasina ary ny tany, ny fiakaran’ny mari-pana, ary ny fandripahana biby sy zavamaniry maro be. Tsy mandainga tokoa Andriamanitra! Tanteraka amin’ny an-tsipiriany foana ny Teniny. * (Titosy 1:2; Hebreo 6:18) Manatanteraka ny teniny izy, araka ny hevitry ny anarany.

Anarana azonao itokisana

Mampanan-kery ny taratasy fifanarahana ny sonia. Ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah koa, dia antoka fa ho tanteraka ny fampanantenany rehetra. * “Ny anarany masina no itokiantsika”, hoy ny mpanoratra Baiboly iray nahatsapa ny fiahian’Andriamanitra sy ny fitiavany.—Salamo 33:21; 34:4, 6.

Miahy antsika toy ny ray Andriamanitra. Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny anarany izany toetrany izany. Hoy ny Ohabolana 18:10: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” Hoy koa ny Romanina 10:13: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” Mazava ho azy fa tsy toy ny ody atao fiaro io anarana io. Andriamanitra mihitsy mantsy no mamonjy. Matoky azy tanteraka ireo “miantso” azy, satria mahalala tsara fa tsy misy azo anakianana azy. Hoy ny Salamo 91:14: “Satria Izaho [Jehovah] no niraiketan’ny fitiavany, dia hamonjy azy Aho; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy.”

Eritrereto àry hoe: ‘Iza no itokiako, Andriamanitra sa olombelona?’ Nifidy ny hitoky amin’Andriamanitra sy ny Fanjakany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana? Tsy hoe minomino foana na mino izay rehetra reny izy ireo. Mafy orina kosa ny finoany, satria manana fahalalana marina tsara ny Baiboly izy ireo. (Hebreo 11:1; 1 Jaona 4:1) Tsy matahotra ny hoavy àry izy ireo, fa ‘mifaly amin’ny fanantenana’ eo anoloany kosa. Tiany hanana izany fanantenana kanto izany koa ianao.—Romanina 12:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ny Mifohaza! laharana manokana tamin’ny Novambra 2007, manazava ny foto-kevitra hoe “Azo Itokisana ve ny Baiboly?”

^ feh. 7 Jereo ilay efajoro hoe “Anarana Manome Antoka.”

[Teny notsongaina, pejy 9]

Mampanan-kery ny taratasy fifanarahana ny sonia. Ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah koa, dia antoka fa ho tanteraka ny fampanantenany rehetra

[Efajoro, pejy 9]

ANARANA MANOME ANTOKA

Tsy anarana fe anarana fotsiny ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. * Nahoana? Ny dikan’io anarana io, dia hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Raha tsorina, dia afaka ny ho tonga izay rehetra tiany Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany sy ny teniny, satria ananany ny fitiavana sy ny hery ary ny fahendrena ilaina amin’izany. Afaka ny ho Mpamonjy ny marina, ohatra, izy, na Mpandringana ny mpanao ratsy, Mpihaino vavaka, na Ray be fitiavana.

Hoy i Jehovah: “Izaho no Andriamanitra, ... izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ... Ilay manao hoe: Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.” (Isaia 46:9, 10) Azo antoka ho tanteraka foana ny Tenin’Andriamanitra, satria tsy mivadika amin’ny fampanantenany mihitsy izy, sady maniry hiaro ny lazan’ny anarany. “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga.”—Nomery 23:19.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Tsy mitovy amin’ireo anaram-boninahitra toy ny hoe Mahery Indrindra, Mpamorona, Andriamanitra, ary Tompo, ny anarana hoe Jehovah. Hita im-7 000 eo ho eo izy io, ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany. Andriamanitra ihany no nifidy ny anarany. Hoy izy ao amin’ny Eksodosy 3:15: “Jehovah ... no anarako mandrakizay.”