Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Ranomasina Hafakely!

Ilay Ranomasina Hafakely!

Ilay Ranomasina Hafakely!

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

TOERANA mahafinaritra ilay izy, ary miloko manga manopy maitso. Eo anelanelan’i Meksika sy ny saikinosin’i Baja Kalifornia no misy azy. Anisan’ny Lova Iraisam-pirenena ilay izy. Tsy inona izany fa ny Hoalan’i Kalifornia (eto ambany), na Ranomasin’i Cortés taloha. Nahoana izy io no hafakely?

Tsara tarehy sady feno biby sy zavamaniry ny Hoalan’i Kalifornia sy ny manodidina. Maherin’ny 1 000 kilaometatra ny lavany, ary 153 kilaometatra eo ho eo ny sakany. Mahatratra sivy metatra ny fiakaran’ny ranomasina any amin’ny farany avaratra. Anisan’ny avo indrindra eran-tany izany. Feno zavamananaina isan-karazany ilay ranomasina, satria mahazo masoandro foana sady mahavelona tsara ilay rano. Nantsoin’i Jacques-Yves Cousteau, mpikaroka an-dranomasina, hoe ‘fitaratra voajanahary’ izy io, satria tazana tsara daholo ny ao anatiny.

Misy karazan-trondro 890 mahery ao, ary any ihany no ahitana ny 90 eo ho eo amin’izy ireo. Mety tsara mba handinihana ireo biby an-dranomasina ilay faritra. Mampalahelo anefa fa maro no efa ho lany tamingana. Anisan’izany ny karazana trozona iray tsy fahita firy. Vaquita no iantsoana azy io amin’ny teny espaniola, midika hoe “ombivavikely.”

Ny vaquita no kely indrindra amin’ny trozona, satria iray metatra sy sasany monja ny halavany. Volondavenona na volontany ny lokony, ary misy maintimainty manodidina ny masony. Eo akaikin’ny fihaonan’ny Reniranon’i Colorado sy ny Hoalan’i Kalifornia ihany no ahitana azy. Marivo sady tsy mazava ilay rano. Ny vaquita koa moa tsy tia mivoaboaka, ka tsy hita loatra sady tsy dia fantatra ny momba azy. Tamin’ny 1958 vao fantatra ny fisiany, rehefa nisy karandohan’izy ireo telo teo amoron-dranomasin’i Baja Kalifornia.

An-jatony sisa ny vaquita ka tena atahorana ho lany taranaka. Am-polony anefa isan-taona no alain’ny mpanarato. Nampidirin’i Meksika ho anisan’ny faritra arovana àry ny toerana misy an’ireo biby mampinono tsy fahita firy ireo. Misy biby hafa sy biby mpifindra monina koa ao amin’ny Hoalan’i Kalifornia. Anisan’izany ny trozona, karazana fay, soka-dranomasina, karazana lambondriaka, lamàtra, ary trondro hafa.

Misy biby faran’izay kely koa hitan’ny mpahay siansa tany atsimo. Hafakely izy ireny sady vitsy no mbola nahita azy. Ao amin’ilay lavaka 2 000 metatra ambanin’ny ranomasina, ao Guaymas mantsy no misy azy ireo. Misy loharano mafana mamoaka solifarana hidrozenina any, ka izany no mamelona an’ireo zavamananaina, na dia tsy mahazo masoandro aza izy ireo. Anisan’izany ny kankan-dranomasina, izay tsy misy vava, tsy misy vavony, ary mena antitra ny volony. Mitangorona izy ireo ary samy mitsatoka amin’ny tany, ka atopatopan’ny rano eo. Sady mahazo rano mangatsiaka avy amin’ny ranomasina izy ireo, no mahazo rano mafana avy amin’ny loharano. Misy bakteria ao anatin’ny kankana tsirairay, ary manampy azy ho velona koa izany. Ny volony no taovam-pisefoany.

Atahorana ho lany tamingana ireo biby maro be ao amin’ilay hoala. Azo antoka anefa fa tsy ho fongana tanteraka izy ireo. Nahoana? Satria hiaro azy ireny ny Mpamorona. Tena mikarakara ny tany mantsy izy, ary tsy ho ela dia hanao zavatra mba tsy ho potika tanteraka izy ity. Haveriny ho toy ny tamin’ny voalohany ny tany, araka ny fikasany. (Genesisy 1:26-28; Apokalypsy 11:18) Tsy ho azontsika an-tsaina mihitsy ny hakanton’ny Hoalan’i Kalifornia amin’izay. Ho tsara lavitra mantsy izy io fa tsy hoe “hafakely” fotsiny!

[Sary, pejy 25]

Trozona fisaka

[Sary, pejy 25]

Kankan-dranomasina

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Sary nalaina satelita: NASA/The Visible Earth (http://visibleearth.nasa.gov/); haran-dranomasina: © Dirscherl Reinhard/age fotostock

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Torapasika: Mexico Tourism Board; trozona: © Mark Jones/age fotostock; kankan-dranomasina: © Woods Hole Oceanographic Institution