Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Kivy ny Olona Maro?

Nahoana no Kivy ny Olona Maro?

Nahoana no Kivy ny Olona Maro?

Matahotra ny hoavy ny olona noho ny zava-misy eran-tany. Mihabetsaka, ohatra, ny fitondram-panjakana mampiasa kamerà mba hanaraha-maso ny mponina. Lasa feno miaramila ny seranam-piaramanidina maro, noho ny tahotra ny mpampihorohoro. Mihamaro ny mpanao firaisana amin’ankizy sy ny mpangalatra mampiasa Internet, mba hahitana olona mora ambakaina. Tandindomin-doza koa ny tanintsika, noho ny fandotoana ny tontolo iainana, fandripahana ala, fiakaran’ny mari-panan’ny tany, ary ny biby sy zavamaniry lany tamingana.

MAMPANAHY ny olona eran-tany ireo zavatra ireo izao, nefa tsy tao an-tsain’ny olona akory, 60 na 90 taona lasa izay. Rariny ny olona maro raha lasa saina noho ny zava-mitranga eran-tany, ary manahy momba ny hoaviny sy ny an’ny zanany. Tsy ho sahy handeha bisy na fiarandalamby na fiaramanidina intsony ve ny olona amin’ny hoavy, noho ny tahotra? Miakatra koa ny vidin-javatra ary mihamaro ny olona mampiasa ny harena voajanahary. Mbola hanam-bola hitsaboan-tena tsara sy hividianana sakafo sy solika ampy ve ireo taranaka hoavy?

Hoy ny minisitry ny fahasalamana any Kanada, momba ny fiakaran’ny saram-pitsaboana: “Tena mampahatahotra ny hoavy.” Mampanahy koa ny sakafo sy ny solika. Nahoana? Tsy te hampiasa firy ny solika avy any ambanin’ny tany intsony ny firenena sasany, ka mandany vola be mba hanamboarana solika, toy ny alkaola, izay azo avy amin’ny zavamaniry. Tsy sakafon’ny olona ihany àry no tsy maintsy vokarina amin’ireo tany azo volena, fa zavamaniry hanamboarana solika ho an’ny fiara koa. Efa hita sahady ny fiakaran’ny vidin-tsakafo.

Mampitombo ny olana eo amin’ny fiaraha-monina koa ny tsy fitoviana misy eo amin’ny mahantra sy ny manana. Hoy ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana: “Tena mihatsara ny fari-piainan’ny olona sasany, amin’izao folo taona voalohany amin’ny taonjato faha-21 izao, nefa misy koa ny mahantra faraidiny. Antsasaky ny androm-piainan’ny olona any amin’ny tany manankarena indrindra sisa, ny an’ny olona any amin’ny tany sasany mahantra indrindra.” Ny tena mahatonga izany, dia ny aretina sy ny korontana eo amin’ny fiaraha-monina sy ny toe-karena, izay vokatry ny fihilangilanana ara-politika.

Ankoatra ireo, dia eo koa ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany, izay mety hampitombo ny tany ngazana sy hampiakatra na hampidina be ny mari-pana ary hampisy rivo-doza mahery be. Tsy mahagaga raha manahy momba ny hoavy ny olona maro mahara-baovao. Nilaza ny Gazetin’ny Mpahay Siansa Momba ny Ataoma (anglisy), izay mandinika ny fahantomoran’ny fara andro, fa matahotra ny hoavy “ny mpahay siansa, rehefa mijery ny vokatry ny [fiakaran’ny mari-panan’ny tany] eo amin’ny tontolo iainana be kojakojany.”

Tena tsy misy antenaina tokoa ve ny hoavy? Tsy misy azo antenaina hitondra hoavy mahafa-po ve, afa-tsy ireo mpandraharaha, mpitondra ara-politika, mpitondra fivavahana, ary mpahay siansa? Milaza ny olona sasany hoe: ‘Misy vahaolana hafa ve? Isika mantsy no nahatonga ny olana, ka isika ihany no tokony hamaha izany.’ Ny hafa indray mahita fa tsy ho voavahan’ny olombelona ilay olana, ka Andriamanitra sisa no azo antenaina hitondra ho avy azo antoka. Raha izany no izy, inona no toky ananantsika fa miahy antsika Andriamanitra, ary hamonjy antsika? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 3]

Tsy misy azo antenaina hitondra hoavy mahafa-po ve, afa-tsy ireo mpandraharaha, mpitondra ara-politika, mpitondra fivavahana, ary mpahay siansa?