Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Oay e! Hafahafa Ilay Hazo!

Oay e! Hafahafa Ilay Hazo!

Oay e! Hafahafa Ilay Hazo!

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

HAZO botabota hafahafa ny baobaba. Somary ratsy tarehy ilay izy, eo amin’ny tany karakaina. Antsoina hoe hazo tavoahangy izy io, eto Aostralia. Tsy misy raviny ilay izy rehefa main-tany, ka hoatran’ny hoe tsy hazo fa biby hafahafa misy tanany maro manakatra ny lanitra. Araka ny angano dia voaozona, hono, izy io ka ny fakany indray no lasa ambony!

Marotsadrotsaka sady mahafatifaty ny baobaba, raha mbola kely. Mihabota anefa izy rehefa lehibe, ary mihasimba sy feno kiaka ny hodiny. “Hoatran’ny marary” ilay hazo, hoy i George Grey, mpikaroka tany vaovao, tamin’ny 1837. Nahoana ny baobaba no tsy mba toy ny hazo rehetra? Inona no itiavan’ny olona any ambanivohitra azy?

Nohafohezina ny anarany

Misy baobaba koa any Afrika sy Madagasikara. Any avaratrandrefana no misy azy io eto Aostralia. Boaba fotsiny anefa no iantsoana azy atỳ. Tia manafohy anarana mantsy ny mponina an’ala. Misy mivazivazy hoe hidiran’ny lalitra, hono, ny vava raha manonona anarana lava loatra. Izany no nahatonga an’ilay hoe boaba.

Antsoina hoe hazom-boalavo maty koa ny baobaba. Fa nahoana kosa? Satria toy ny voalavo maty mihantona amin’ny rambony ireo voany, rehefa tazanin-davitra. Hoatran’ny hena masiso koa ny fofon’ny felany rehefa simba. Manitra anefa izy ireo amin’ny voalohany, ary fotsy sady lehibe.

Hazo mafy aina

Feno baobaba any amin’ny Faritany Avaratra sy any Kimberley, any andrefana. Mizara roa ny vanin-taona atỳ: Misy oram-be mivatravatra, izay vetivety ihany, ary avy eo main-tany.

Tena mafy aina ny baobaba. Maharitra an-jato taonany izy ireny matetika. Hoy i D. Hearne, manam-pahaizana momba ny zavamaniry: “Mbola velona ihany ilay hazo na may aza, ary na nendahana tanteraka aza ny hodiny. Miverina amin’ny laoniny ihany ilay izy, ary mitombo indray.” * Hoy koa izy: “Tena matanjaka ilay hazo, ka maniry foana raha tsy hoe vonoina tanteraka angaha.” Natao tao anaty kesika, ohatra, ny baobaba iray, mandra-piandry ny sambo hanondranana azy. Tsy te ho faty anefa ilay izy, ka navoakany teo amin’ny makarakara ny fakany, ary nampaniriny tamin’ny tany teo ambaniny!

Maniry ny baobaba na eny amin’ny toerana kisilasila be vato, na be fasika, na any anaty rano aza. Avo noho ny hazo hafa izy matetika. Any amin’ny Lembalemban’i Kimberley, ohatra, dia misy baobaba 25 metatra eo ho eo, ary toy izany koa ny manodidina ny vatany.

Rano no mampibontsina ny baobaba. Malemilemy sy mitsiratsiraka ny atiny, ka afaka mitroka rano be toy ny sponjy. Hita mihitsy hoe mibontsina ny vatany rehefa avy nisy oram-be, satria nifoka rano be. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny habeny rehefa main-tany.

Hazo maro no manintsan-dravina amin’ny ririnina, mba hahavelona azy. Toy izany koa ny baobaba. Misy raviny indray anefa izy aorian’izay, ary mamony. Izay no famantarana fa efa ho avy ny orana. Antsoin’ny olona hoe hazo kalandrie àry ny baobaba.

Amin’ny alina ihany no mamelana izy io, ary maharitra ora vitsivitsy. Malazo ilay izy rehefa miposaka ny masoandro. Latsaka amin’ny tany ny voany lehibe rehefa elaela ka vaky, ary miparitaka eny ny voa.

Hazo mahavelona

Efa ela no nataon’ny mponin’i Kimberley sakafo ny voan’ny baobaba, ny raviny, ny ditiny, ary ny fakany. Misy nofony fotsy malemy ilay voany raha mbola tsy maina, sady tsara ny tsirony. Tsakotsakoin’ny olona kosa ny tsiratsiraka amin’ny vatany na ny fakany, satria misy ranondranony mamelombelona amin’ny main-tany. Rehefa avy indray ny orana, dia matetika no misy rano miangona ao amin’ireo lavaka ao anatiny, na eo am-pototry ny rantsany.

Nankany Kimberley i Augustus Gregory sy ny namany, tamin’ny 1856. Narary anefa ny sasany taminy satria tsy ampy vitaminina C. Nandrahoin’izy ireo àry ny voan’ny baobaba, ka nanaovany “kaonfitira tsara be.” Sitrana ireo narary satria be vitaminina C ilay izy.

Hazo mirakitra tantara

Taloha dia fanaon’ny Tompon-tany sy ny Eoropeanina ny nanoratra teo amin’ny baobaba. Niantsona tao Kimberley, ohatra, ny sambo Mermaid tamin’ny 1820, satria namboarina. Nahazo baiko ireo tantsambo mba hamela porofo fa nandalo tany tokoa. Nasian’ny Kapiteny Phillip Parker King soratra hoe “HMC Mermaid 1820” àry ny baobaba be iray.

Nantsoina hoe Hazo Mermaid izy io tatỳ aoriana. Nirefy 8,8 metatra ny manodidina ny vatany tamin’izany, fa 12,2 metatra kosa izao. Tsy hita tsara intsony ilay soratra, nefa ahatsiarovana an’ireo tantsambo taloha. Mbola mazava kosa ny soratra amin’ny baobaba antitra sasany, ka hitan’ny mpizaha tany avy amin’ny faritra maro.

Ireo baobaba be no nataon’ny Eoropeanina fanondroan-dalana na fanaovana fotoana, tany Kimberley. Teny koa izy ireo no nilasy rehefa tsy nahita haleha. Ireo mpanao dabokandro kosa nitondra ny ombiny teny ambany baobaba, izay nisy anarana hafakely toy ny hoe Hotely Tatsinanana, Hotelin’ny Mpanjaka, sy ny sisa.

Nisy nangalatra ny sambon’ilay Alemà atao hoe August Lucanus, tamin’ny 1886. Hankany Wyndham, any amin’ny 100 kilaometatra, anefa izy sy ny namany, sady handalo rano misy voay. Nanoratra i Lucanus tatỳ aoriana hoe voalazan’ny diarin’ny mpikaroka iray, fa “nisy fitaovana fandrafetana nafeniny tao am-pototry ny baobaba iray, tany akaikin’i Pitt Springs. Nosoratany teo amin’izy io ny fanafohezana ny anarany.” Nahagaga fa hitan’izy ireo ilay baobaba sy ireo fitaovana. Afaka ‘nanapaka baobaba be’ àry izy ireo, ka nanao lakana. Vita ilay izy afaka dimy andro sady nitsingevana tsara, ka tonga soa izy rehetra.

Misy baobaba roa anisan’ny malaza indrindra, antsoina hoe Fonjan’i Wyndham sy Derby. Anaran-tanàna eny akaiky eny ihany ireo. Araka ny lovantsofina dia natao fonja ireo hazo be ireo tamin’ny taonjato faha-19, satria malalaka ny ao anatiny ka antonona olona maro. Tsy mino an’izany ny mpahay tantara sasany. Tena miavaka anefa ireo baobaba ireo, ka tian’ny mpizaha tany.

Ampiasain’ny mpanao asa tanana

Nanoratra sy nanao sary teo amin’ny baobaba ny olona taloha. Ny voany indray anefa izao no ampiasain’ny mpanao asa tanana. Miendrika atody izy io, 25 santimetatra eo ho eo ny lavany, ary 15 santimetatra ny manodidina azy.

Mifidy voany tsaratsara aloha ny mpanao sary sokitra. Manao sary isan-karazany eo amin’ilay hodiny volontany izy, ka antsy kely no anaovany azy. Mety ho sarim-biby izany, na olona mihaza, na sariolona fotsiny. Ny mpizaha tany na mpanangona sary na mpivarotra no tena mividy azy ireny.

Marina fa tsy ny baobaba no hazo lehibe indrindra. Tsy hoe manaitra be koa izy io, sady tsy mareva-doko. Manana ny mampiavaka azy anefa io hazo mafy aina io, ary tena ilain’ny olona any ambanivohitra. Manome voninahitra ny Mpamorona àry ny baobaba. Angamba koa izy io no ahitana fa tia manao zavatra mampihomehy Izy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Maty ny ankamaroan’ny hazo raha endahana ny hodiny. Tsy tonga any amin’ny vatany mantsy ny sakafo.

[Sary, pejy 17]

Mamelana amin’ny alina, ary malazo afaka ora vitsivitsy

[Sary, pejy 18]

Voan’ny baobaba misy sarin’androngo