Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Maro be ny porofo omen’ny siansa mampiseho fa nisy ny fivoarana miandalana. Toa azo inoana fa tena nisy izy io, ary mampitombo ny fahalalantsika momba ny fiainana.”—PAPA BENOÎT FAHA-16.

‘Nikoropaka nitady vola ny manam-pahefana, mba hanaraha-maso sy hanamboarana an’ireo tetezana 74 000 “tsy dia tsara”, eto Etazonia. Izany no nitranga taorian’ny nianjeran’ny tetezan’i Minneapolis tao amin’ny Reniranon’i Mississippi. Nianjera avy any amin’ny 18 metatra io tetezana efa nisy hatramin’ny 40 taona io, ary nahafaty olona 13.’—THE WEEK, ETAZONIA.

Mandika Lalàna ny Ankamaroan’ny Olona

“Tsy marina ilay fiheverana hoe ‘manara-dalàna ny ankamaroan’ny olona’ ”, hoy ny gazety Times, any Londres. “Miaiky ny ankamaroan’ny Britanika fa izay lalàna tiatiany ihany no ankatoaviny, rehefa te hankatò izy.” Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversite iray any Londres, fa olona “hajaina” eo amin’ny fiaraha-monina ny ankamaroan’ireo mandika lalàna. Mitady tetika tsy handoavana hetra ny ampahatelon’ny olona nanontaniana. Ny ampahatelony kosa tsy mamerina izay vola mihoatra amin’ny famerim-bolany. Ny ampahadiminy indray mangalangalatra any am-piasana. Izany no “tena ahitana fa simba be ny toe-tsain’ny olona”, hoy ny mpikaroka, “fa tsy dia ny herisetra sy ny asan-jiolahy loatra.”

Fitaovam-piadiana Niokleary ‘eo An-tanan’Andriamanitra’ Hoe?

Nankasitraka an’ireo olona miambina sy mikojakoja ny fitaovam-piadiana nioklearin’i Rosia, ny Eglizy Ortodoksa Rosianina. Nilaza ny gazety Krasnaya Zvezda, fa namaky taratasy iray ilay arseveka atao hoe Alexis II, nandritra ny lamesa natao tao amin’ny Katedraly Kristy Mpamonjy ao Moscou. Izao no voalaza tao: ‘Mangataka amin’Andriamanitra aho mba ho eo an-tanany foana ireo fitaovam-piadiana niokleary namboarinareo sy nasaina nokarakarainareo. Amin’izay dia tsy ho sahy hanafika antsika ny firenen-kafa. Tsy hampiasaintsika koa izy ireny raha tsy hoe hamaly faty an’izay manafika antsika angaha isika.’

Tantelin’i Israely Fahiny

‘Voaporofon’ny arkeology fa marina ny tenin’ny Baiboly hoe “tany tondra-dronono sy tantely” (na fara faharatsiny tondraka tantely) i Israely’, araka ny tatitry ny Oniversite iray ao Jerosalema. Rehefa nihady tany tao Tel Rehov, tao amin’ny lohasahan’i Beti-sana, ireo arkeology, dia nahita tranon-tantely miendrika varingarina vita tamin’ny tanimanga. Mifanongoa ireo tranon-tantely ireo ary misy laharany telo. Varingarina telo, fara fahakeliny, no mifanongoa. Nampiasaina tamin’ny “taona 900 na 800 T.K.” izy ireo, ary “nety ho nahatratra 100 ny isan’ny tranon-tantely tao.” Milaza ireo mpiompy tantely fa nety ho “nahatratra antsasa-taonina ny ranon-tantely” azo tao, isan-taona.

Fitiavana Biby Diso Tafahoatra

Izao no vokatry ny fanadihadiana iray tao amin’ny Internet, hoy ny The Sydney Morning Herald: “Nilaza ny ampahefatry ny Aostralianina nanontaniana fa sarobidy aminy kokoa ny biby ao an-tranony noho ny mpianakaviny. Mbola tiany kokoa noho ny vadiny na ny ray aman-dreniny izy ireny.” Nilaza kosa ny ampahatelony fa “ny fahasalaman’ny biby ao an-tranony no andaniany vola sy fotoana bebe kokoa noho ny an’ny tenany.” Ahoana no itsaboany an’ilay biby? Mampiasa karazana radio tsara kokoa noho ny skanera izy. Eo koa ny fandidiana ampiasana kamerà, fanaovana grefy taolana, fitsaboana simika, famindrana taova, fanoloana maoja, ary ny fandidiana atidoha.