Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hitaizana ny Tanora? Nahoana no Ilaina ny Fahendrena?

Ahoana no Hitaizana ny Tanora? Nahoana no Ilaina ny Fahendrena?

Ahoana no Hitaizana ny Tanora? Nahoana no Ilaina ny Fahendrena?

‘Efa miezaka mafy izahay mba hampianatra zavatra tsara ny zanakay mianadahy, nefa toa mahita ibedesana azy foana. Matahotra izahay indraindray sao lasa tsy hatoky tena izy, raha bedy lava. Sarotra ny mahita hoe rahoviana izy no hobedesina, ary rahoviana no havela amin’izao.’—George sy Lauren, Aostralia.

SAROTRA amin’ny ray aman-dreny ny mitaiza tanora. Lasa manahirana azy ireo kokoa noho ny taloha mantsy ilay ankizy. Malahelo koa izy satria tsy maintsy handao azy ilay zanany, rehefa mandeha ny fotoana. Hoy i Frank, raim-pianakaviana any Aostralia: “Malahelo aho, raha vao mieritreritra fotsiny hoe tsy maintsy hitokan-trano ny zanako. Sarotra amiko ny manaiky hoe efa tsy afaka mifehifehy azy firy intsony aho izao.”

Mitovy hevitra aminy i Lia, ilay voaresaka teo aloha. Hoy izy: “Sarotra amiko ny mitondra ny zanako lahy toy ny olon-dehibe, satria hoatran’ny mbola zazakely foana izy amiko. Toy ny hoe vao omaly izy no niditra nianatra!”

Tsy zazakely intsony ny tanora, na sarotra aminao aza ny manaiky izany. Efa lehibe izy, fa mila ampiana hahay handray andraikitra fotsiny. Ny ray aman-dreniny no tokony hanampy azy. Miankina amin’izy ireo anefa no hahatonga ny zanany hatoky tena na tsia, araka ny tenin’i George sy Lauren. Inona àry no hanampy ny ray aman-dreny hahay hitaiza tanora? Misy torohevitra tsara ao amin’ny Baiboly. (Isaia 48:17, 18) Ireto ny santionany.

Tena ilaina ny mifampiresaka tsara

Mampirisika ny Kristianina ny Baiboly mba ho “mailaka hihaino”, fa “tsy ho maika hiteny.” (Jakoba 1:19) Marina aloha fa mila henoina daholo na dia ny ankizy kely aza. Ny tanora anefa no tena mila henoina. Ary mitaky ezaka be izany.

Hoy i Peter, raim-pianakaviana any Grande-Bretagne: “Tsy maintsy nianatra niresaka sy nihaino aho, rehefa nihalehibe ny zanako lahy. Tamin-dry zareo mbola kely mantsy, dia nankatoaviny daholo izay nolazainay mivady. Tsy maintsy mampisaintsaina azy sy mifanazava aminy kosa izahay izao. Avelanay hampiasa ny sainy koa izy, rehefa misy olana. Raha tsorina, dia ataonay izay hanohinana ny fony.”—2 Timoty 3:14.

Rehefa misy disadisa no tena ilaina ny mihaino. (Ohabolana 17:27) Hitan’i Danielle fa marina izany. Renim-pianakaviana any Grande-Bretagne izy. Hoy izy: “Niady izahay sy ny zanako vavy, satria namalivaly ahy izy isaky ny nirahiko. Nilaza tamiko anefa izy fa mivazavaza aminy foana, hono, aho, sady mibaikobaiko azy. Nifampiresaka àry izahay, mba handaminana ilay ady. Nihaino tsara azy aho, ary izy koa nihaino ahy. Nolazainy hoe hoatran’ny ahoana ny fomba firesako taminy, ary inona no vokatr’izany teo aminy. Izaho koa mba nilaza izay tao an-tsaiko sy tao am-poko.”

‘Mailaka nihaino’ i Danielle, ka lasa nahalala ny tena nahatonga ny zanany ho be famaliana. Hoy izy: “Miezaka mandefitra aminy aho izao. Mifehy tena koa aho mba tsy hiresaka aminy raha mbola tezitra.” Hoy ihany izy: “Lasa mifankatia kokoa izao izahay mianaka.”

Hoy ny Ohabolana 18:13: “Izay mamaly teny mbola tsy re, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” Manaiky izany i Greg, raim-pianakaviana any Aostralia. Hoy izy: “Lasa mifamaly izahay sy ny zanakay indraindray, satria tsy mihaino azy akory izahay, fa tonga dia miteniteny azy. Tena ilaina ny mamela ny ankizy hilaza ny heviny alohan’ny hanasaziana na hananarana azy, na dia efa hita aza fa diso izy.”

Azo avela hanao izay tiany ve izy indraindray?

Te hanao izay tiany ny tanora, ary io matetika no tena mampifamaly azy sy ny ray aman-dreniny. Azo avela hanao izay tiany àry ve izy indraindray? Hoy ny raim-pianakaviana iray: “Raha vao mba avelako kely manao izay tiany ny zanako vavy, dia manararaotra hoatran’ny soavaly tapa-kofehy.”

Marina aloha fa hisy vokany ratsy, raha ampihantaina ny tanora. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ny zaza aranana [na avela hanaram-po] mampahamenatra ny reniny.” (Ohabolana 29:15) Mila fitsipika hentitra ny ankizy rehetra. Tokony ho tsara fanahy ny ray aman-dreny rehefa mampihatra izany, nefa tsy tokony hiovaova hevitra. (Efesianina 6:4) Na izany aza, dia mila avela hanao ny zavatra sasany tiany ihany ny tanora indraindray. Hahay kokoa hanapa-kevitra izy amin’izay, rehefa lehibe.

Eritrereto, ohatra, hoe ahoana no nahaizanao nandeha. Tsy maintsy notrotroina aloha ianao tamin’ny ianao mbola zazakely. Nanomboka nandady ianao tatỳ aoriana, ary nandeha avy eo. Mety hahita loza anefa ny zaza raha avela mandeha irery. Nanara-maso tsara anao àry ny ray aman-dreninao, ary nanisy fefy mihitsy aza mba tsy handehananao any amin’ny toerana mampidi-doza, toy ny tohatra. Navelany nandeha irery anefa ianao, ka lasa nahay namindra tsara, na dia tsy maintsy nianjera imbetsaka aza aloha.

Mandeha tsikelikely koa ny famelana ny ankizy hanao izay tiany. Toy ny hoe trotroin’ny ray aman-dreniny izy amin’ny voalohany, satria izy ireo no manapa-kevitra ny amin’izay tokony hataony. Mihamatotra anefa izy atỳ aoriana, ka avela handady, na avela hanao ny zavatra sasany mba tiany. Na izany aza, dia tsy maintsy asiana fefy ihany, izany hoe asiana fitsipika mifehy azy, mba hiarovana azy. Mihamatotra hatrany izy, ka avela mandeha irery, izany hoe avela manao zavatra maro kokoa. Hahay “hitondra ny entany” àry izy, rehefa lasa olon-dehibe, izany hoe hahay hanapa-kevitra irery.—Galatianina 6:5.

Modely avy ao amin’ny Baiboly

Azo inoana fa efa navelan’ny ray aman-dreniny nanao ny zavatra sasany tiany i Jesosy, tamin’izy vao 12 taona. Natokisan’izy ireo mantsy izy. Tsy nanararaotra izany anefa izy. “Nankatò azy ireo foana” kosa izy, ary ‘nihanitombo fahendrena, sady nihalehibe, ary nihanahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy ny olona.’—Lioka 2:51, 52.

Nahoana koa àry raha mba avela hanao ny zavatra sasany tiany ny zanakao, rehefa hitanao hoe efa azo atokisana izy? Diniho ny tenin’ireto ray aman-dreny ireto.

“Diso niditra loatra tamin’ny fiainan’ny zanako aho taloha. Nampianariko toro lalana maromaro anefa ry zareo tatỳ aoriana, ary navelako hampiasa izany isaky ny hanapa-kevitra. Voamariko avy eo fa lasa mandinika tsara izy vao manapa-kevitra.”—Soo Hyun, Korea.

“Matahotra kely foana izahay mivady hamela ny zanakay hanao ny zavatra sasany tiany hatao. Avelanay ihany anefa izy, satria hitanay hoe efa azo atokisana.”—Daria, Brezila.

“Deraiko foana ny zanako lahy, satria tsy manararaotra, rehefa avelako manao izay tiany. Hitako hoe tena ilaina izany. Miezaka ny ho modely ho azy koa aho. Lazaiko aminy, ohatra, izay halehako sy izay hataoko. Ilazako foana koa izy, raha sendra tara aho.”—Anna, Italia.

“Averimberinay amin’ny zanakay fa tsy zony ny manao izay tiany. Avela hanao izany kosa izy, mba hahafahany hampiseho fa tsy mpanararaotra izy.”—Peter, Grande-Bretagne.

Avelao izy hizaka ny vokatry ny nataony

Hoy ny Baiboly: “Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.” (Fitomaniana 3:27) Mila mianatra mandray andraikitra ny tanora. Avelao àry izy hahita fa marina ilay hoe: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” Anisan’ny fomba tsara indrindra anampiana azy izany.—Galatianina 6:7.

Misy ray aman-dreny malahelo ny zanany, ka miaro azy tsy hizaka ny vokatry ny hadalany. Aoka hatao hoe nividy zavatra tsy ilainy akory ny zanakao, ka ananan’olona trosa. Ho fay ve izy, raha tonga dia aloanareo ny trosany? Ahoana kosa raha ampianareo izy hitady hevitra handoavany izany?

Tsy manampy ny zanakareo ho tonga olon-dehibe mahay mandray andraikitra ianareo, raha tsy avelanareo hizaka ny vokatry ny hadalany izy. Hanjary hihevitra mantsy izy hoe tsy maintsy hisy olona hanavotra azy foana isaky ny manana olana izy, na manao fahadisoana. Aleo lavitra mamela azy hijinja izay nafafiny. Avelao koa izy hianatra hamaha ny olana manjo azy. Tena manampy azy hanana “fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy” izany.—Hebreo 5:14.

“Olona mbola miovaova”

Andraikitra mavesatra ny mitaiza tanora. Azo inoana fa hitomany ianao indraindray, satria mafy aminao ny miezaka mitaiza ny zanakao “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.”—Efesianina 6:4.

Raha tianao hahomby anefa ny fitaizana azy, dia aza fehifehezina loatra izy, fa ampianaro fitsipika hahasoa azy kosa. Alenteho tsikelikely ao an-tsainy izany. (Deoteronomia 6:6-9) Mora tenenina izany fa sarotra tanterahina. Hoy ihany i Greg: “Olona mbola miovaova no tezaintsika. Midika izany fa tokony ho fantatsika foana ny momba azy, ary ho haintsika foana ny manova ny fomba itondrana azy.”

Miezaha mampihatra an’ireo toro lalan’ny Baiboly, nohazavaina tato. Aza manantena hoe tsy maintsy hahavita izay takinao foana ny zanakao. Aoka anefa ianao ho modely ho azy hatrany. Ianao no tokony hotahafiny voalohany. Hoy ny Baiboly: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”—Ohabolana 22:6.

[Teny notsongaina, pejy 7]

Toy ny zaza miana-mandeha ny tanora. Mila avela tsikelikely hanao izay tiany izy

[Teny notsongaina, pejy 8]

Efa navela nanao ny zavatra sasany tiany i Jesosy, tamin’izy 12 taona

[Efajoro, pejy 7]

‘Tsy Tokony Hilefitra Ianareo’

Mahasosotra ny zanakao angamba ny fitsipika apetrakao aminy. Tsy midika anefa izany hoe tokony havelanao hanao izay rehetra tiany izy. Tadidio fa mbola tsy nahita fiainana ny tanora, ka mila torohevitra.—Ohabolana 22:15.

Hoy i John Rosemond, ao amin’ilay bokiny hoe Fahefan’ny Ray Aman-dreny! (anglisy): “Matahotra ny ray aman-dreny sasany sao ho tezitra aminy ny zanany. Avelany hanao izay rehetra tiany na hanapa-kevitra irery àry ilay ankizy, nefa mbola tsy mahay an’izany akory. Tsy te hifamaly aminy mantsy izy ireo. Tsy tokony hanao izany mihitsy anefa ny ray aman-dreny. Tsy tokony hilefitra amin’ny zanakareo ianareo, ka hamela azy hanao tsinontsinona anareo. Tokony ho fantany koa fa tsy maintsy hanitsy azy foana ianareo, rehefa ilaina izany, na dia tsy tiany aza.”

[Efajoro, pejy 9]

Mba Avelao Izy Hanao ny Zavatra Sasany Tiany

Te hanao izay rehetra tiany ny tanora matetika. Misy indray ray aman-dreny mifehifehy be loatra ny zanany. Azo atao anefa ny mitady ny marimaritra iraisana. Inona no hanampy anareo ray aman-dreny hanao izany? Azonareo jerena, ohatra, ilay lisitra eto ambany. Iza amin’ireo no efa vitan’ny zanakareo tsara?

□ Mifidy namana

□ Mifidy akanjo

□ Mitsitsy vola

□ Mody amin’ny ora tokony hodiana

□ Manao ny raharaha tokony hataony

□ Manao ny devoarany

□ Miala tsiny rehefa diso

□ Zavatra hafa ․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

Raha efa ataony tsara ny sasany amin’ireo, nahoana raha mba havela hanao ny zavatra sasany tiany hatao izy?

[Sary, pejy 7]

Avelao izy hilaza ny heviny alohan’ny hanasaziana na hananarana azy

[Sary, pejy 8, 9]

Mila mampianatra ny zanany hahay handray andraikitra ny ray aman-dreny