Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Inona no Hiafaran’ny Fivavahana Kristianina? (Febroary 2007) Mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny zavatra nolazainareo, ary manaiky azy ireny aho. Misy zavatra nahasosotra ahy anefa tao. Manaratsy ny fivavahana kristianina ianareo, fa ny fivavahanareo kosa toa hindrahindrainareo. Tsara raha mitovy hevitra sy iray finoana ny rehetra, kanefa tsy izany no zava-misy. Amiko dia mitovy daholo ny fivavahana sy ny sekta rehetra, fa tsy misy tsara kokoa noho ny hafa.

S. S., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tsy manohitra ny olona ao amin’ny fivavahana hafa izahay Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy mihevitra ny tenanay ho tsara kokoa noho ny hafa. Miaiky izahay fa “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Izany no mahatonga anay hahafoy tena ary hampiasa ny volanay sy ny fotoananay mba hitsidihana ny olona any an-tranony. Mampianatra ny olona ny fahamarinana ara-baiboly izahay, anisan’izany ny fampanantenana kanto ao amin’ny Baiboly. Namaky bantsilana ny fihatsarambelatsihy sy ny fahadisoana nataon’ny fivavahana koa anefa i Jesosy sy ny mpianany, ary manahaka azy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao? Tsy zatra nandinika azy io niaraka tamin’ny zanako mianadahy aho taloha. Hitako anefa izao fa tena mahasoa izy io, mba hanampiako ny zanako ho tia ny fahamarinana. Mahafinaritra ahy koa izy io sady manatanjaka ny finoako.

I. H., Repoblika Tseky

Misaotra anareo aho noho io kilalaon-tsaina tena mahaliana io. Manampy ahy hahita loha hevitra hanaovana fianarana samirery izy io. Nomaninareo tsara hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra ny kilalao rehetra ao anatiny! Nanampy ahy ho akaiky an’i Jehovah, ilay Raiko feno fahendrena, izy io.

A. S., Rosia

‘Avelao Aho mba Hanompo Anao Jehovah Ô!’ (Jolay 2007) Nanatanjaka ny finoako an’i Jehovah ny tantaran’i Danielle Hall. Sahy nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah izy tany an-tsekoly, tamin’izy mbola kely. Mino aho fa maro ny mpianatra Vavolombelon’i Jehovah hanao toy izany koa.

R. A., Madagasikara

Sivy taona aho. Vao avy namaky ny tantaran’i Danielle izahay sy Neny izao. Tsapako fa tena manana tombony aho satria ao amin’ny fahamarinana i Dada sy Neny, ary tsy sarotra amiko ny manompo an’i Jehovah. Tena tiako ilay teny hoe: “Eo anilantsika foana i Jehovah, na aiza na aiza misy antsika.” Tiako ho tahafina koa ilay fahazarana nananan’i Danielle. Nipetraka teo am-pandriana izy isaky ny avy nianatra, ary notantarainy tamin’i Jehovah ny zava-nitranga nandritra ny andro. Toy ny hoe rainy mihitsy i Jehovah.

A. D., Italia

“Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Ailikiliky ny Olona Foana?” (Jolay 2007) Tsara be io lahatsoratra io! Toy ny hoe nosoratana ho ahy ilay izy. Tiako koa ireo fanontaniana ao, sady misy toerana azo anoratana ny valiny. Misaotra fa tena nanampy ahy izy io.

C. A., Kanada