Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Antoka ve fa Tsy Misy VIH ny Ra efa Natao Fitiliana?

Azo Antoka ve fa Tsy Misy VIH ny Ra efa Natao Fitiliana?

Azo Antoka ve fa Tsy Misy VIH ny Ra efa Natao Fitiliana?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY NIZERIA

▪ IZANY no fanontanian’ny olona teto Nizeria. Nisy zazavavy kely voan’ny tsimokaretina VIH mantsy, rehefa avy nampidiran-dra tao amin’ny hopitaly lehibe iray.

Eniola no anaran’ilay zazakely. Nilaza ny dokotera, taoriana kelin’ny nahaterahany, fa voan’ny tazo vony izy ka nila fampidiran-dra. Nanome ra ho azy àry ny rainy. Tsy mifanentana anefa ny sokajin-dran’izy mianaka, ka ra tao amin’ny hopitaly no nampiasaina. Tsy ela taorian’izay, dia hita fa voan’ny tsimokaretina VIH ilay zaza, nefa ny ray aman-dreniny samy tsy voa. Nilaza anefa ny mpiasan’ny hopitaly, fa “tsy nisy VIH ilay ra rehefa natao fitiliana, talohan’ny hampidirana azy tamin’ilay zaza.”

Ahoana àry no nahavoa an’ilay zaza? Nanadihady momba izany ny fanjakana nizerianina, ary nilaza fa ilay ra ihany no nahatonga ilay aretina. Hoy mantsy ny manam-pahaizana momba ny virosy, araka ny gazety iray: “Efa nisy VIH ilay olona tamin’izy nanome ra, saingy mbola tsy hita satria vao haingana no nahazoany an’ilay tsimokaretina.”

Marina fa izao vao nisy an’izany, nefa hita tamin’io fa tsy azo antoka ny fampidiran-dra. Hoy ny Foibe Miady Amin’ny Aretina, any Etazonia: ‘Tsy tonga dia hita amin’ny fitiliana ny [VIH], raha vao mifindra. Elaela mantsy vao mamokatra mpisetra betsaka miady amin’ny virosy ny vatana. Arakaraka ny olona ny halavan’io fe-potoana io. Mety ho tapa-bolana ka hatramin’ny roa volana izany (25 andro amin’ny antsalany). Ela kokoa anefa vao hita amin’ny fitiliana ny tsimokaretina ao amin’ny olona sasany. Mahatratra enim-bolana mihitsy izany indraindray.’

Tsy azo antoka àry hoe tsy misy VIH ny ra, na dia efa natao fitiliana aza. Mampitandrina toy izao ny Fikambanan’i San Francisco Momba ny SIDA: ‘Tsy hita amin’ny fitiliana ny VIH, raha vao haingana no nidirany tao amin’ilay olona. Efa mifindra anefa ilay izy amin’io fotoana io, ary amin’izay aza no tena ifindrany.’

Efa ela ny Vavolombelon’i Jehovah no nanaraka ilay didin’ny Baiboly hoe: ‘Fadio hatrany ny ra.’ (Asan’ny Apostoly 15:29) Tena niaro azy ireo izany. Vao mainka mazava àry fa fahendrena ny mankatò ny toromarik’Andriamanitra. Manazava karazana fitsaboana tsy ampiasana ra, ilay bokikely hoe Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao? *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.