Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fa Naninona àry ity Zaza Ity?”

“Fa Naninona àry ity Zaza Ity?”

“Fa Naninona àry ity Zaza Ity?”

Taitra be i Scott sy Sandra, * rehefa niditra ny trano ny zanany vavy 15 taona. Lasa mena be ny volony, nefa mavo no tena lokony! Vao mainka tsy nampoizin’izy mivady ny teniny, rehefa nanontaniana izy.

“Fa iza moa no niteny taminao hoe mahazo mandoko volo ianao?”

“Ianareo ange mbola tsy niteny mihitsy hoe tsy mahazo aho e!”

“Fa maninona fotsiny ianao no tsy niera e?”

“Ka fantatro tsinona fa tsy havelanareo aho!”

REHEFA mihalehibe ny ankizy, dia tsy izy irery no sahirana, fa ny ray aman-dreniny koa. Nahita tsara an’izany i Scott sy Sandra. Miova be tampoka mantsy ny vatan’ilay ankizy sy ny fihetseham-pony ary ny toetrany. Maro ny ray aman-dreny tsy manampo an’izany. Hoy i Barbara, renim-pianakaviana any Kanada: “Niova tampoka ny zanakay vavy. Lasa ny saiko hoe: ‘Fa naninona àry ity zaza ity?’ Hoatran’ny hoe nisy nangalatra izy tamin’izahay natory, dia nosoloana zaza hafa!”

Tsy i Barbara irery no mahita an’izany. Jereo ny tenin’ireto ray aman-dreny avy any amin’ny tany samihafa ireto.

Hoatran’ny lasa nanizingizina ny heviny foana ny zanako lahy rehefa nihalehibe, sady lasa be famaliana.”—Lia, Grande-Bretagne.

‘Lasa nieritreritra be momba ny bikany sy ny tarehiny ny zanakay vavy.’—John, Ghana.

“Tsy tia baikobaikoina intsony ny zanako lahy, fa te hanao izay tiany.”—Celine, Brezila.

“Tsy mety fihinina na ataonay ba intsony ny zanakay vavy.”—Andrew, Kanada.

“Lasa be famaliana ny zanakay lahy. Tsy nanaiky ny hevitray ry zareo, fa nahita holazaina foana.”—Steve, Aostralia.

“Tsy nety nilaza ny tao am-pony mihitsy ny zanako vavy. Tezitra izy raha vao mba nanandrana nanontany azy aho.”—Joanne, Meksika.

“Lasa tia nanafinafina ny zavatra nataony ny zanakay, sady te hitokana indraindray. Naleony koa niaraka tamin’ny namany toy izay niaraka taminay.”—Daniel, Philippines.

Efa mihalehibe ve izao ny zanakao? Angamba mitovitovy amin’ireo voalaza ireo ny zavatra voamarikao aminy. Lasa toy ny hoe olona tsy fantatrao izy. Matokia anefa fa afaka mahafantatra tsara ny mahazo azy ianao. Afaka manampy anao ny Baiboly. Ahoana izany?

Fahendrena sy fahalalana

Hoy ny Baiboly: “Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana.” (Ohabolana 4:5) Samy ilaina ireo rehefa mitaiza tanora. Mila fahalalana ianao, izany hoe mila mahalala ny tena antony mahatonga azy hiova. Mila fahendrena koa ianao, mba hahaizanao manampy azy ho tonga olom-banona.

Lasa mihataka tsikelikely aminao angamba ny zanakao. Aza mieritreritra anefa hoe tsy mila anao intsony izy. Mbola mila anao izy amin’izao fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainany izao. Tiany hanampy azy mihitsy aza ianao. Mila fahalalana sy fahendrena anefa ianao. Nahoana?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.