Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah “Araho ny Fitarihan’ny Fanahy Masina”

Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah “Araho ny Fitarihan’ny Fanahy Masina”

Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah “Araho ny Fitarihan’ny Fanahy Masina”

▪ NATAO tany Etazonia ny voalohany tamin’io fivoriambe telo andro io, ny 23-25 Mey 2008. Fivoriambe an’arivony no atao mandritra ny volana maromaro, any amin’ny tanàna an’arivony maneran-tany. Fivoriambe 3 200 toa an’io no natao tamin’ny 2007, ka nisy mpanatrika 12 tapitrisa mahery!

Amin’ny ankapobeny, dia hisy mozika fanokafana ny fandaharana isan’andro, ary hanomboka amin’ny 9.20 maraina izany. Avy ao amin’ny Jaona 16:13 ny foto-kevitry ny andro zoma hoe: ‘Hitari-dalana Anareo ho Amin’ny Fahamarinana Rehetra ny Fanahy.’ Anisan’ny lahateny hatao voalohany ny hoe “Nahoana no Manaraka ny Fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra?” sy ny hoe “Nampiasaina Tamin’ny Famoronana ny Fanahy Masina.” Hodinihina amin’ilay lahateny mifampitohy hoe “Notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra Ireo Mpanompony Tsy Nivadika Fahiny” ny hoe: “Tamin’ny Andron’i Mosesy”, “Tamin’ny Andron’ireo Mpitsara”, ary “Tamin’ny Taonjato Voalohany.” Hamarana ny fandaharana maraina ny lahateny fototra hoe “Ny Anjara Asan’ny Fanahy Masina Amin’ny Fanatanterahana ny Fikasan’i Jehovah.”

Hodinihina voalohany ny zoma tolakandro ny hoe “Valin’ireo Fanontaniana Momba ny Fanahy Masina.” Hanaraka izany ilay lahateny hoe “Ny Fanahy no Mikaroka ao Amin’ireo Zava-dalin’Andriamanitra”, sy ny hoe “Aoka Ianareo Hihaino ny Teny sy Hankatò Izany.” Hisy lahateny mifampitohy, hoe “Ry Tanora, Mandehana Araka ny Fanahy!” “Any An-tsekoly”, “Any Am-piasana”, “Eo Anivon’ny Fianakaviana”, “Eo Anivon’ny Fiangonana”, “Rehefa Miala Voly”, ary “Rehefa Irery.” Hamarana ny fandaharana ilay lahateny miavaka hoe “Ry Tanora, Arovy ny Fifandraisanareo Amin’i Jehovah!”, izay hanampy ny tanora hiaro ny fifandraisany amin’i Jehovah.

Ny foto-kevitry ny andro asabotsy dia hoe: “Mamafaza ho An’ny Fanahy”, miorina amin’ny Galatianina 6:8. Hisy lahateny mifampitohy, mizara telo ny maraina, ary mitondra ny lohateny hoe: “Tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra eny Amin’ny Fanompoana.” Hamarana ny fandaharana maraina ny lahatenin’ny batisa, ary hatao batisa ireo mahafeno fepetra.

“Notarihin’ny ‘Fanahy Masina’ Ireo Mpanoratra Baiboly.” Izany no lahateny voalohany ny asabotsy tolakandro. Hisy lahateny mifampitohy mizara dimy avy eo, manao hoe “Omen’ny Fanahy Masina Hery” “Mba Hanoherana Fakam-panahy”, “Mba Hahazakana ny Harerahana sy ny Hakiviana”, “Mba Hiaretana Fanenjehana”, “Mba Hanoherana Fitaoman-dratsy”, ary “Mba Hiaretana Zava-tsarotra.” Hamarana ny fandaharana ilay lahateny miavaka hoe “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra.”

Hovelabelarina ny alahady maraina ilay foto-kevitra hoe “Mandehana Hatrany Araka ny Fanahy”, miorina amin’ny Galatianina 5:16. Hodinihina tsirairay ireo vokatry ny fanahy sivy resahin’ny Galatianina 5:22, 23, ao amin’ilay lahateny mifampitohy mizara sivy hoe “Miezaha Hanana ny ‘Vokatry ny Fanahy.’ ” Hamarana ny fandaharana maraina ny lahateny ho an’ny besinimaro, hoe “Hitondra Fitahiana ho Anao Ilay Mpanjaka Tarihin’ny Fanahin’i Jehovah!” Hampiavaka ny fandaharana ny tolakandro ny tantara an-tsehatra mitondra ny lohateny hoe “Aza Miala Amin’ny ‘Fitiavana Nanananao Tamin’ny Voalohany.’ ” Aseho ao amin’izy io ny toe-tsaina sy ny toe-javatra nety ho hita teo amin’ireo Kristianina tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Hamarana ny fivoriambe ilay lahateny hoe “Manompoa Hatrany Miaraka Amin’ny Fandaminan’i Jehovah Tarihin’ny Fanahiny.”

Manaova fandaharana dieny izao mba hanatrehana azy io. Mankanesa any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah na manorata any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity, mba hahafantaranao ny toerana hanaovana azy io, akaiky anao indrindra. Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa, ny lisitry ny toerana hanaovana io fivoriambe io, eto Madagasikara.