Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazo Maniry ao Anaty Rano

Hazo Maniry ao Anaty Rano

Hazo Maniry ao Anaty Rano

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

Inona àry izany? Mialokaloka ao aminy ireo biby mampinono sy vorona ary biby mandady atahorana ho lany tamingana. Miaro ny tontolo iainana koa izy ireo, satria manadio rano. Raha tsy eo izy ireo, dia tsy ho velona ny ankamaroan’ny trondro any atsimon’i Floride, any Etazonia. Miaro ny morontsiraka tsy hokaohin’ny ranomasina sy tsy ho simban’ny rivo-doza izy ireo. Tsy inona izany fa ny ala honko.

ANARANA hazo ny hoe honko, ary maro karazana izy io. Ahitana ala honko ny antsasany mahery amin’ny morontsiraky ny tany mafana. Eny akaikin’ny vinany, izay fihaonan’ny ranomasina sy ranomamy, no ahitana azy ireo. Tsy mba toy ny zavamaniry maro izy ireo. Afaka mivelona izy na dia amin’ny rano masira aza. Nahoana? Andeha hojerentsika ny tsiambaratelony.

Voahodidina sira

Tsy mitroka sira ny fakan’ny karazana hazo honko sasany. Tsy misy sira tafiditra mihitsy ao aminy. Afaka misotro rano madio àry ny mpanao dia lavitra matin’ny hetaheta, raha vakiny ny fakan’io hazo honko io. Mandray sira kosa ny fakan’ny honko sasany. Atobiny ao amin’ny raviny na taho efa malazo izany, ary mihintsana iny avy eo.

Ny hafa indray mitroka sira, ary avy eo mamoaka izany haingana etỳ ivelany, amin’ny alalan’ny sela manokana ao amin’ny raviny. Mangidy sira be ny ravin’io karazana honko io raha lelafina. Mila mitandrina anefa ianao! Mamoaka ranoka fotsifotsy ny ravin’ny karazana honko sasany, ary mety tsy hahita vetivety ny masonao raha voan’izy io. Azo ampiasaina amin’ny fitsaboana anefa io ranoka io, satria mahasitrana fery sy kaikitry ny bibikely.

Faka hafakely

Mila tany azon-drivotra ny fakan’ny ankamaroan’ny zavamaniry, mba hahafahany hitombo sy haniry tsara. Dibo-drano anefa ny tany anirian’ny honko, ka avy aiza ny fakany no mahazo rivotra? Mipoitra eny ambony rano ny fakan’ny honko rehefa maniry, ka izany no ahafahany mifoka rivotra.

Isan-karazany ny bikan’ny fakan’ny hazo honko. Toy ny tongotra miforitra ny sasany. Misy kosa mijoro mahitsy avy ao anaty rano. Ny hafa indray mipoitra avy eo amin’ny tapany ambany amin’ilay hazo, ary misandrahaka midina ka mitsatoka amin’ny tany. Lasa toy ny tohana manohana an’ilay hazo izy ireo rehefa mihalehibe. Ny faka sasany kosa mifaingoka miakatra avy eo amin’ny fototr’ilay hazo. Tsy vitan’ny hoe mahatonga ny fakan’ny hazo honko hahazo rivotra izany rehetra izany, fa manampy an’ireo hazo ireo tsy hianjera koa.

Ireo zanaka honko

Boribory sady lehibe ny voan’ny hazo honko sasany. Misy voany kely be dia be ao anatin’izy io, ary samy hafa ny endriny. Miparasaka ny voan’ny honko rehefa masaka, ka miparitaka ao anaty rano ireo voany kely be dia be. Entin’ny rano ny sasany amin’izy ireny, mandra-pahitany toerana hitsimohana.

Mitsimoka kosa ny voan’ny honko sasany na dia mbola eny ambony hazo aza. Tsy dia fahita ny zavatra toy izany. Mihintsana ao anaty rano ireo zanaka honko avy eo, ary mitsinkafona eny ambony rano mandritra ny volana maromaro, na herintaona mihitsy aza, mandra-pahitany toerana haniriana.

Tena manampy an’ireo zanaka honko hahita toerana aniriana ny fomba fitsingevany eny ambony rano. Mitsivalana izy rehefa masira be ny rano. Mitsangana kosa izy rehefa tonga eny amin’ny rano tsy dia masira loatra, izay tena mety aminy. Mora kokoa aminy amin’izay ny manorim-paka ao anaty fotaka.

Zavaboary mifampiankina

Ao anaty ala honko ny biby maro no mitady sakafo. Mivelona amin’izay taho na ravina honko mihintsana sy mihalò, ireo zavamiaina bitika dia bitika. Ireny zavamiaina bitika ireny indray avy eo no hanin’ny biby hafa, ary ireny biby ireny indray no lasa sakafon’ny biby lehibe kokoa. Maro ny biby mivelona ao anaty ala honko. Ao izy ireo no manatody, mikotrika, ary mitaiza.

Karazam-borona an-jatony, ohatra, no manorina akany na mitady sakafo ao anaty ala honko, na miala sasatra ao rehefa mifindra monina. Karazam-borona 500 mahery, no mipetraka ao amin’ny ala honkon’i Belize. Atodin-trondro maro no foy ao amin’ny ala honko, ary trondro be dia be no mivelona amin’ny sakafo misy ao. Karazan-trondro 120 mahery no azo tao amin’ny ala honkon’i Sundarbans, eo anelanelan’i Inde sy Bangladesy.

Maniry be koa ny zavamaniry ao anaty ala honko. Nahitana karazana volonkazo 105 naniry ny hazo honko any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Aostralia. Maniry be koa ny ampanga, orkide, tongoalahy, ary zavamaniry hafa, rehefa ao anatin’ireny ala ireny. Mitondra soa ho an’ny zavamaniry sy ny biby tokoa ny ala honko. Mandray soa avy aminy na ny kely na ny lehibe.

Mandray soa tondraka ny olona

Tsy vitan’ny hoe manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny ala honko, fa ahazoana zavatra mahasoa maro koa, toy ny kitay, saribao, akora andomana hoditra, sakafom-biby, ary fanafody. Ahitana sakafo mafilotra koa amin’ireny ala ireny, toy ny trondro, patsabe, ary foza. Hita ao koa ny tantely. Tia mitangorona eny amin’ny fakan’ny honko ny masaja na huître, ka mora alaina kely rehefa misintona ny ranomasina. Izany no nahatonga ny tantsambo fahiny hihevitra, fa eny ambony vatan-kazo ny masaja no mitombo.

Mahazo akora avy amin’ny honko koa ny orinasa mpanamboatra taratasy, lamba, zavatra vita amin’ny hoditra, ary trano. Mandray soa koa ireo sampan-draharaha misahana ny jono sy ny fizahan-tany.

Mihamaro ny olona mihevitra ny ala honko ho zava-dehibe. Na izany aza dia mihena iray hetsy hektara isan-taona eo ho eo ireny ala ireny. Aripaky ny olona izy ireny mba hahazoana toerana hanorenana trano sy hambolena, na hanaovany zavatra hafa heveriny ho mahasoa kokoa. Tsy manintona olona maro ny ala honko, satria heveriny ho toerana be fotaka sy masiso ary feno moka.

Tena sarobidy anefa ny ala honko, ary mamonjy aina mihitsy aza. Maro ny biby sy zavamaniry mivelona ao anaty ala honko, noho ireo fakany tsy mitroka sira sady manana bika isan-karazany. Tena mila an’ireny hazo ireny, na ny biby miaina any anaty ala, na ny mpanjono, na ny orinasa mpanao hazo. Miaro ny morontsiraka tsy hokaohin’ny riaka koa ny ala honko, satria mampihena ny herin’ny rivo-doza mahery vaika, izay mety handripaka ain’olona an’arivony. Mahasoa tokoa ny ala honko!

[Efajoro/Sary, pejy 24]

Fihazana Tantely ao Anaty Ala Honko

Any Sundarbans no misy ny ala honko lehibe indrindra. Eo amin’ny fihaonan’ny Reniranon’i Gange (mandalo any Inde sy Bangladesy) amin’ny ranomasina no misy azy io. Miantehitra tanteraka amin’io ala honko io ny foko iray antsoina hoe Mowalis mba hivelomany. Ny asan’izy ireo no mampidi-doza indrindra ao amin’ny firenena misy azy.

Mpihaza tantely ny Mowalis. Mandeha mitady toho-tantely any anaty ala honko izy ireo isaky ny Aprily sy Mey. Vaventy be ireo tantely ireo, satria efa ho efatra santimetatra ny habeny. Masiaka be koa izy ireo, satria mahavita mamono elefanta mihitsy, hono!

Mitondra fanilo amboarina amin’ny hazo honko àry ireo mpihaza tantely. Mampandositra tantely mantsy ny setroka. Mamela ampahany amin’ny toho-tantely ny mpihaza hendry, mba hahafahan’ny tantely mampitombo azy io indray. Mitovy foana ny habetsahan’ny tantely vokatra isan-taona noho izany.

Tsy ny tantely ihany anefa no atahoran’ireo mpihaza ireo, fa eo koa ny voay sy ny bibilava misy poizina. Efa miandriandry ny hivoahan’ireo mpihaza tantely ireo avy ao anaty ala koa ny mpangalatra. Ny tigran’i Bengale anefa no atahorana indrindra, satria mahafaty mpihaza tantely 15 ka hatramin’ny 20 izy ireo isan-taona.

[Sary nahazoan-dalana]

Zafer Kizilkaya/Images & Stories

[Sary, pejy 23]

Maniry be eny amin’ny toerana tsy mety amin’ny zavamaniry maro ny hazo honko sy ny zanany

[Sary nahazoan-dalana]

Ambony havanana: Zach Holmes Photography/Photographers Direct; ambany havanana: Martin Spragg Photography (www.spraggshots.com)/Photographers Direct