Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Voaro Ihany ve ny Tigran’i Siberia?

Ho Voaro Ihany ve ny Tigran’i Siberia?

Ho Voaro Ihany ve ny Tigran’i Siberia?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ROSIA

Indray andro dia nisy tigra be iray nenjehin’ny helikoptera, tany amin’ny ilany atsinanan’i Rosia. Nihazakazaka teny amin’ny lanezy ilay tigra, ary niakatra teny ambony hazo. Nierona mafy izy satria nisy mpitifitra mahay, avy ao amin’ilay helikoptera, nikendry azy. Rehefa voatifitra izy, dia nipetraka ilay helikoptera. Nanatona moramora ireo olona nanenjika azy.

TSY mpihaza ireo olona ireo fa mpanao fikarohana, ary tsy maty ilay biby fa nampatorina fotsiny. Hanaovana fandinihana mantsy io karazana saka be io, izay anisan’ny atahorana ho lany tamingana indrindra. Tsy inona izy io fa ny tigran’i Siberia. *

Biby mahavariana

Nisy tigra taloha tany Korea, Chine avaratra, Mongolia, ary ny ilany andrefan’i Rosia hatrany amin’ny Farihin’i Baïkal. Nihavitsy anefa izy ireo, tato anatin’ny zato taona. Any an-tendrombohitra lavitra any avaratr’i Vladivostok, akaikin’ny Ranomasin’i Japon, sisa no toerana azo antoka ho azy ireo.

Ny fofony no ahalalan’ny tigra ny namany, sy ahafahan’ny tigra lahy mitady vady. Roa na telo ny zanany isaky ny miteraka. Mbola tsy mahita izy raha vao teraka, ary tsy mandeha fa mikisakisaka fotsiny. Tsy manao feo mirohondrohona toy ny saka kely koa izy ireo, fa mitrena moramora. Minono mandritra ny dimy na enim-bolana ny tigra kely, ary mihinan-kena aorian’izay. Miara-mihaza amin’ny reniny aloha izy ireo, fa rehefa feno herintaona sy enim-bolana vao mahay mihaza irery. Miaraka amin’ny reniny foana izy mandritra ny roa taona. Aorian’izay izy vao manana ny faritaniny manokana.

Misy tena ngeza ny tigra any an’ala. Mahatratra 270 kilao ny lahy sasany, ary mihoatra ny telo metatra ny halavany hatreny amin’ny rambony. Mahatanty ririnina mamirifiry izy ireny, satria matevina be ny volony. Lehibe koa ny faladiany sady rakotra volo, ka tsy milentika rehefa mandeha amin’ny lanezy.

Volondaoranjy ny lokon’ny tigran’i Siberia, ary mitsipitsipika mainty. Samy manana ny tsipitsipika mampiavaka azy ny tigra tsirairay, toy ny olombelona izay samy manana ny peta-tondrony. Raha ao anaty ala izy ka tsy mihetsika, dia tsy hita satria mifangaro amin’ny zavatra hafa ny lokony. Miharihary kosa izy rehefa eny amin’ny lanezy, ka mora hitan’ny fahavalo. Ny olona ihany anefa no tena fahavalony!

Atahorana ho lany tamingana

Tsy maintsy mihinana biby lehibe toy ny serfa na lambo ny tigra, mba hivelomany. Mihavitsy anefa ireny biby ireny, any amin’ny ala atsinanan’i Siberia. Ala arivo kilaometatra toradroa vao ampy ihazan’ny tigra efatra na dimy. Tsy maintsy manana faritany lehibe àry izy, mba hahavelona azy.

Nety tsara ho an’ireo tigra ny alan’i Siberia nandritra ny taona maro, satria lehibe. Indraindray koa ny olona vao niditra tany. Tato ho ato anefa dia nisy orinasa mpivaro-kazo, nanapaka ny ankamaroan’ny ala.

Rehefa vitsy ny ala dia vitsy koa ny serfa sy lambo, ary mihena ny isan’ny tigra. Nanokana ala lehibe maromaro àry ny fanjakana rosianina, mba hiarovana azy ireo. Anisan’izany ny Valan-javaboarin’i Sikhote Alin. Mety hisy hamono anefa ny tigra, raha vao mivoaka an’ireny faritra ireny. Lafo be mantsy ny nifiny, valanoranony, taolany, ary hodiny, ka tian’ireo mpivarotra zavatra tsy fahita firy. Misy mamono na dia ny tigra kely aza.

Arovana ny tigra

Be dia be izao ny ezaka atao mba hiarovana ny tigran’i Siberia, ary ireo mponina eo an-toerana no tena loha laharana amin’izany. Efa mba nitombo kely àry ny isan’ny tigra. Nisy 430 ka hatramin’ny 540 teo ho eo ny tigra tany Siberia, tamin’ny 2005.

Misy tigran’i Siberia koa ompiana any amin’ny toeram-pijerem-biby, ary salama tsara sy maro anaka izy ireny. Maherin’ny 500 izao izy ireo, any amin’ny toerana toy ireny eran-tany. Nahoana ny sasany aminy no tsy averina any an’ala, mba hampitombo ny isany? Tsy sahy manao izany ny mpahay siansa. Hoy mantsy ny mpikaroka iray: “Aleo tsy averina any an’ala ny biby, raha tsy azo antoka hoe hanao ahoana ny hiafarany.”

Manaporofo ny fahendren’Andriamanitra sy ny heriny ny zavamananaina rehetra, anisan’izany ny tigra. Manara-maso sy mikarakara azy ireny izy. (Salamo 104:10, 11, 21, 22) Olona maro no mankasitraka ny Mpamorona, ary matoky fa indray andro any dia tsy hatahorana ho lany tamingana intsony ny tigran’i Siberia.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Antsoina hoe tigran’i Amour koa ny tigran’i Siberia. Any akaikin’ny Reniranon’i Amour, any amin’ny ilany atsinanan’i Rosia, mantsy no tena ahitana azy.

[Efajoro/Sary, pejy 16, 17]

NY SAKA NGEZA INDRINDRA

Mbola misy saka lehibe noho ny tigran’i Siberia. Tsy inona izany fa ny zanaky ny lion-dahy sy ny tigra vavy. Mihoatra ny telo metatra ny halavany, ary 500 kilao mahery ny lanjany. Any amin’ny toeram-pijerem-biby ihany no ahitana azy io, ary tena vitsy ny any an’ala, raha hisy aza.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Ambony: © photodisc/age fotostock; ambany: Hobbs, courtesy Sierra Safari Zoo, Reno, NV