Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Namono Tena ny Mpiray Tam-po Amiko?

Inona no Hataoko fa Namono Tena ny Mpiray Tam-po Amiko?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Hataoko fa Namono Tena ny Mpiray Tam-po Amiko?

Niova ny fiainan’i Karen nanomboka tamin’ilay andro nilazan’ny dadany taminy hoe maty i Sheila rahavaviny. “Lasa retsy i Sheila a!” Izay fotsiny no voateniny. Nifamihina i Karen sy ny dadany, ary samy lasa saina hoe inona loatra no nahatonga an’i Sheila hamono tena. *

REHEFA misy ankizy maty, dia ny ray aman-dreniny foana matetika no mampanahy ny olona. Anontaniany ny mpiray tam-po amin’ilay ankizy maty hoe: “Manao ahoana izay ry dada sy mamanareo?” Hadinon’izy ireo anefa matetika ny mba manontany hoe: “Ary ianao manao ahoana?” Tsy mahagaga raha misy milaza fa tsy dia raharahaina loatra ny mpiray tam-po amin’ilay maty.

Hita tamin’ny fikarohana natao fa tena misy vokany eo amin’ny ankizy ny fahafatesan’ny mpiray tam-po aminy. Nanoratra toy izao, ohatra, ny manam-pahaizana iray atao hoe P. White tao amin’ny bokiny natao hampiononana azy ireny: ‘Tena banga ny fiainan’ilay ankizy, ka misy vokany ratsy eo amin’ny fahasalamany, fitondran-tenany, fianarany, ary ny fitomboany izany. Lasa mahatsiaro ho tsy misy dikany koa izy.’

Tsy ny ankizy ihany no tsy mahazaka ny fahafatesan’ny mpiray tam-po aminy. Efa 22 taona, ohatra, i Karen, tamin’i Sheila zandriny namono tena. Nila tsy ho zakany anefa ny alahelony indraindray. Hoy izy: “Tsy afaka milaza aho hoe nalahelo kokoa noho i Dada sy Neny. Nahazaka kokoa ny alahelony anefa ry zareo raha oharina tamiko.”

Efa nanana mpiray tam-po maty koa ve ianao? Malahelo toa an’i Davida mpanao salamo angamba ianao. Hoy izy: “Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho ary misaona mandrakariva.” (Salamo 38:6) Inona no hanampy anao hahazaka ny alahelonao?

“Raha mba...”

Maro ny ankizy manamelo-tena mafy, rehefa misy mpiray tam-po aminy namono tena. Mety hiteny izy hoe: ‘Raha mba tsy nanao an’ireny mantsy aho, dia mbola velona izy hoatr’izay.’ Ary toa marina izany raha ny fahitany azy. Jereo, ohatra, ny tenin’i Christiano. Tamin’izy 21 taona no namono tena ny zandriny lahy 18 taona. Hoy izy: “Izaho no niresaka farany taminy, ka tokony ho hitako hoe efa hafahafa izy. Raha mba mora niresahana mantsy aho, dia mety ho sahy nilaza tamiko izay nahazo azy izy.”

Vao mainka kivy be i Christiano, satria niady lava izy sy ilay zandriny. Nalahelo be izy rehefa niteny hoe: “Nolazainy tao amin’ny taratasy navelany, fa tokony mba ho tsara fanahy taminy aho. Fantatro fa noho izy kivy be fotsiny no nahatonga azy hieritreritra an’izany. Mbola mankarary ny foko anefa ny teniny hatramin’izao.” Vao mainka manamelo-tena ny tanora matetika, rehefa mahatsiaro ny teny mandratra nifanaovan’izy sy ilay maty. Hoy i White tamin’ny mpanoratra ny Mifohaza!: “Maro ny ankizy nidonam-pahoriana nilaza tamiko fa mbola manenina foana izy, na dia efa am-bolana na an-taonany mihitsy aza no niadiany tamin’ilay mpiray tam-po taminy.”

Manamelo-tena ve ianao satria namono tena ny mpiray tam-po aminao? Mieritrereta àry hoe: ‘Misy olona mahavita manakana tanteraka ny hafa tsy hanao izay tiany ve?’ Hoy i Karen: “Tsy ho voasakanao mihitsy ny olona iray, raha te hamarana ny fahoriany izy, ka manao zavatra mahatsiravina.”

Ahoana anefa raha mbola tsy afaka ao an-tsainao foana ilay teny mandratra nataonao taminy? Afaka manampy anao ny Baiboly. Izao no voalaza ao: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra. Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary.’ (Jakoba 3:2; Salamo 130:3) Vao mainka halahelo ianao, raha eritreretinao foana izay teny nandratra na fihetsika tsy nety nataonao taminy. Tadidio fa tsy ianao no nahatonga ny mpiray tam-po aminao ho faty. *

Ahoana no hahazakanao ny alahelonao?

Tsy mitovy ny fomba anehoan’ny olona ny alahelony. Misy mitomany eo imason’olona, ary tsy misy maha ratsy an’izany. Milaza ny Baiboly fa “nitomany mafy dia mafy” i Davida rehefa maty i Amnona zanany lahy. (2 Samoela 13:36) Na i Jesosy aza nitomany rehefa nahita ny alahelon’ny olona, noho ny nahafatesan’i Lazarosy namany.—Jaona 11:33-35.

Misy indray tsy mahatomany eo no ho eo, indrindra raha maty tampoka ilay olona. Hoy i Karen: “Tsy nahavita nitomany aho. Lasa tsy vitako mihitsy aza ny zavatra fanaoko.” Mateti-pitranga izany. Hoy ihany i White: ‘Hoatran’ny nilatsaham-baratra ianao, rehefa mahare hoe misy [havanao na namanao] namono tena. Mbola taitra be ianao ka tsy mahatomany. Misy manam-pahaizana mitady fomba hampitomaniana an’ilay olona, nefa mbola tsy mahavita mitomany ihany izy. Mbola tampoka be aminy mantsy ilay zava-nitranga.’

Mety ho elaela vao zakanao ny fahorianao, ary tsy mahagaga izany satria tsy nampoizinao ilay zava-nitranga. Hoy i Christiano: “Hoatran’ireny vazy vaky natambatambatra ireny izahay mianakavy. Vao voadona kely fotsiny ilay izy dia vaky indray. Na olana tsy dia manao ahoana aza izao, dia efa tsy zakanay.” Araho àry ireto soso-kevitra ireto mba hahazakanao ny alahelonao:

Soraty izay andinin-teny hitanao hoe mampahery, ary vakio indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny.—Salamo 94:19.

Miresaha amin’ny olona mahay mangoraka. Mety hanamaivana ny alahelonao izany.—Ohabolana 17:17.

Saintsaino ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny Baiboly.—Jaona 5:28, 29.

Soraty koa izay ao am-ponao, mandritra ny fotoana kelikely. Hihena ny alahelonao amin’izay. Mba hahaizanao hanoratra ny ao am-ponao, dia andramo fenoina ilay efajoro eto ambany.

Tadidio fa ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.’ (1 Jaona 3:20) Fantany tsara ny antony mety ho nahatonga ny mpiray tam-po aminao hamoy fo. Tsy misy mahalala izany kokoa noho izy. Fantany tsara koa ny momba anao. Ianao aza mbola tsy mahalala izany noho izy. (Salamo 139:1-3) Matokia àry fa hainy tsara ny manjo anao. Raha mila tsy ho zakanao ny alahelonao, dia tadidio ny voalazan’ny Salamo 55:22 hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.”

Fampiononana ho An’ireo Nidonam-pahoriana

Raha te hahalala bebe kokoa ianao hoe ahoana no hahazakana ny fahafatesan’​ny havana na namana, dia vakio ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, navoakan’​ny Vavolombelon’​i Jehovah.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

^ feh. 12 Tokony hitadidy izany koa izay efa nanana mpiray tam-po matin’aretina na loza. Na tianao toy inona aza izy, dia tsy voasakanao “ny fotoana sy ny sampona.”—Mpitoriteny 9:11.

ERITRERETO IZAO:

▪ Iza no azonao iresahana, raha mila tsy ho zakanao ny alahelonao?

▪ Ahoana no hampaherezanao tanora nidonam-pahoriana?

[Efajoro, pejy 20]

Soraty izay ao am-ponao, fa tena hanampy anao hahazaka ny alahelonao izany. Fenoy àry ireto manaraka ireto.

Ireto misy zavatra mahafinaritra hahatsiarovako an’ilay mpiray tam-po amiko:

1 ․․․․․․

2 ․․․․․․

3 ․․․․․․

Raha mbola teo izy, dia izao no ho nolazaiko taminy:

․․․․․․

Inona no holazainao raha misy ankizy manamelo-tena, satria maty ny mpiray tam-po aminy?

․․․․․․

Iza amin’ireto andinin-teny ireto no hitanao hoe tena mampahery, ary nahoana?

□ “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.”—Salamo 34:18.

□ “Tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ny fahorian’ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.”—Salamo 22:24.

□ “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29.