Kilalao Fotsiny Ve?
Kilalao Fotsiny Ve?
I NONA àry izany? Namboarina tamin’ny hazo fisaka ny an’ny Ejipsianina, taratasy navalombalona ny an’ny Japoney, bakoly ny an’ny Alemà, ary hodi-biby ny an’ny Eskimô. Manangona azy ny olon-dehibe, ary tena tia azy ny ankizy. Tsy inona izany fa ny saribakoly.
Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Nampiasain’ny mpanao ody sy ny mpivavaka ny saribakoly fahiny, fa tsy natao kilalao.” Nanamboatra saribakoly kely tamin’ny hazo fisaka mitovy endrika amin’ny fivoy lakana, ny Ejipsianina. Nolokoiny ilay izy mba ho toy ny hoe miakanjo, ary nasiany vakana mikirazorazo ho solom-bolo. Nataony tao anaty fasana ireny saribakoly ireny, satria nino izy ireo fa hanompo an’ireo maty any ankoatra izy ireny. Rehefa te hamaly faty ny fahavalony kosa ny olona any Antilles, dia tsatohany paingo-dantelina be dia be ny saribakoliny.
Mifandray amin’ny fananan-janaka kosa ny fampiasana saribakoly any amin’ny tany maro. Nanao izany ny tovovavy tany Gresy fahiny. Ateriny eo amin’ny alitaran’i Artemisy, andriamanibavin’ny fahafaha-miteraka ny saribakoliny, alohan’ny hanambadiany. Ary ny ankehitriny? Mamatotra saribakoly eo amin’ny andilany ny vehivavy avy amin’ny foko ashanti, any Ghana, mba ho tsara tarehy ny zanany. Ahanton’ny tovovavy sasany any Syria eo am-baravarankely ny saribakoliny, mba hahafantarana fa efa ampy taona hanambady izy.
Misy Fetin’ny Saribakoly, na Hina Matsuri, any Japon isaky ny 3 Martsa. Fetin’ny ankizivavy koa izy io. Hoy ny Rakipahalalana Misy Sary Momba An’i Japon (anglisy): ‘Fombafomba isan-karazany fanao fahiny no niavian’io fety io. Anisan’izany ny fomba fidiovan’ny Sinoa, izay natao teny amoron’ny renirano isaky ny fiandohan’ny volana Martsa. Tamin’ny vanim-potoana Heian (794-1185), dia nampiantso mpanao ody ny tandapa isaky ny 3 Martsa, mba hamindra ny fahalotoany
amin’ny saribakoly taratasy. Atsipy any anaty renirano na ranomasina izy ireny avy eo.’Saribakoly kilalao
Mitovy endrika amin’ny olona ny saribakoly natao ho an’ny ankizy tany Japon, tamin’ny vanim-potoana Edo (1603-1867). Nampanaovina akanjo isan-karazany izy ireny. Afaka nihetsiketsika ny saribakoly sasany. Nampihetsehina tamin’ny kofehy, resaoro, tady, ary kodiarana kely izy ireny. Nisy mihitsy aza afaka nitondra dite ho an’ny vahiny, ary nitondra an’ilay kaopy niverina rehefa lany ny tao anatiny.
Nilaza ny rakipahalalana iray fa “tsy mba nankafy fahazazana toy ny ankehitriny ny ankizy” tany Eoropa, talohan’ny taona 1700. “Nasaina nitondra tena toy ny olon-dehibe izy ireo.” Samy nanamboarana saribakoly daholo na ny ankizy na ny olon-dehibe. Tsapa anefa nanomboka tamin’ny taona 1800 fa tena ilain’ny ankizy ny milalao mba hitomboany ara-dalàna. Niroborobo àry ny orinasa fanamboarana saribakoly tany Eoropa.
Ny Alemà kosa nahavita nanamboatra saribakoly afaka niteny hoe “papa” sy “mama”, tamin’ny 1824. Nahavita saribakoly afaka mandeha izy ireo, taloha kelin’ny 1900. Nanamboatra horonam-peo kely mihitsy aza i Thomas Edison, Amerikanina mpamorona zava-baovao, ka lasa toy ny hoe miresaka ny saribakoly nisy azy io. Ny Frantsay indray nahavita saribakoly afaka mihinan-kanina, izay nantsoina hoe Bébé Gourmand. Nalaza tamin’ny fanamboarana saribakoly manao akanjo ara-damaody koa izy ireo. Afaka nividy fihogo, akanjo volonondry, fikopahana, ary fanaka ho azy ireny ny tompony.
Nahazo vahana ny fanamboarana saribakoly nanomboka tamin’ny 1900. Afaka nanamboatra saribakoly mora vidy nefa be pitsiny ny mpanao saribakoly, rehefa nampiasaina ny plastika taorian’ny 1940. Ny saribakoly Barbie no tena be mpividy indrindra, taorian’ny namoronana azy io tamin’ny 1959. Arivo tapitrisa mahery no efa lafo tamin’izy io. Nahazo vola 1 800 tapitrisa dolara ny mpanamboatra azy io, tamin’ny taona 1997 fotsiny.
Natao hampianarana
Nanamboatra saribakoly tamin’ny hazo kesika na fakana raiketa ny Indianina Pueblo, any atsimoandrefan’i Etazonia. Nantsoina hoe kachina izy ireny, ary natao hampianarana ny ankizy momba ny andriamanitr’izy ireo. Nisy olona iray nanao akanjo sy fihetsika toy ny fanaon’ny andriamanitr’izy ireo, nandritra ny fety iray. Avy eo dia omen’ny ray aman-dreny saribakoly mitovy bika amin’ilay andriamanitra ny zanany. Lasa nahafantatra ny andriamanitr’izy ireo ny ankizy, rehefa nilalao an’ilay saribakoly.
Milaza Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao fa ‘afaka mamoaka ny alahelony sy ny hatezerany ary ny fihetseham-pony hafa ny ankizy rehefa milalao saribakoly. Averimberiny koa ny zavatra tiany hatao rehefa lehibe, eo am-pilalaovana azy io.’ Atao fampirantiana mandritra ny Fetin’ny Ankizy any Japon, isaky ny volana Mey, ny saribakoly iray manao akanjona miaramila fahiny sady mirongo fiadiana. Natao handrisihana ny ankizilahikely ho tonga lehilahy matanjaka sy mendri-kaja izy io.
Tena miraiki-po amin’ny saribakoliny ny ankizy. Miaiky ny ray aman-dreny malina fa mety hisy vokany amin’ny ankizy izy ireny. Misy milaza fa misy vokany ratsy eo amin’ny
ankizivavy ny bikabikan’ny saribakoly sasany sy ny fananan’izy io akanjo be dia be. Vokatr’izany dia lasa “ny akanjo sy ny bika aman’endrika no tena mampanahy ny ankizivavy, fa tsy ny toetrany”, hoy ny mpandinika iray.Tsy kilalao fotsiny tokoa ny saribakoly, na vita tamin’ny lamba izy io, na taratasy, na hazo, na plastika, na zavatra hafa. Namana izy io, mpiara-milalao, ary amborahan’ny ankizy ny ao am-pony mihitsy aza.
[Efajoro, pejy 27]
Lasa Be Mpitia ny Saribakoly Taloha
Nataon’ny olona maro fialam-boly ny nanangona saribakoly nanomboka tamin’ny 1970, ka lasa nisy tsena iraisam-pirenena ho an’ny saribakoly. Mitady saribakoly plastika mora vidy izy ireo, na saribakoly tsy fahita firy toy ny saribakoly vitan’ny orinasa alemà Kämmer sy Reinhardt taoriana kelin’ny taona 1900. Lafo 500 tapitrisa ariary latsaka kely ny iray tamin’izy ireny, rehefa natao lavanty! Anisan’ny toerana ahitana saribakoly betsaka indrindra ny Tranombakoka Strong, ao Rochester, any Etazonia. Misy saribakoly 12 000 ao amin’izy io.
[Efajoro/Sary, pejy 28]
Tokony ho Mailo ny Ray Aman-dreny
Mety hiteraka voka-dratsy eo amin’ny ankizy ny saribakoly. Ahoana àry no hiarovana azy ireo? Hoy Ny Gazetin’i Washington (anglisy): “Tsy manaiky ho tompon’andraikitra amin’ny voka-dratsin’ny zavatra vokariny ny orinasa mpanamboatra sigara, kilalao, ary ireo sampan’asa misahana ny fialam-boly. Tsy mieritreritra ny hanao fanitsiana izy ireo.” Mila mandray andraikitra àry ny ray aman-dreny.
Asain’ny Baiboly mampianatra ny zanany isan’andro, ny ray aman-dreny. (Deoteronomia 6:6-9; Ohabolana 22:6) Ahoana no fomba anaovana izany mba hahafahana hiaro ny ankizy? Milaza ny renim-pianakaviana iray fa novakiny tamin’ny zanany vavikely ny 1 Timoty 2:9, izay miresaka momba ny fitafiana maotina. Nampisaintsaina azy izy taorian’izay. Toy izao ny resadresaka nifanaovan’izy ireo:
Reny: Mbola ankizy ve ireo saribakoly ireo, sa efa olon-dehibe?
Zanaka: Efa olon-dehibe.
Reny: Nahoana indrỳ no milaza an’izany?
Zanaka: Satria mitovy amin’ny an’ny vehivavy lehibe ny vatany. Dia akanjo sy kirarona vehivavy lehibe koa no anaovany.
Reny: Ie! Marina izany. Ka araka ilay andinin-teny novakintsika iny, mety amin’ny Kristianina ve ny fitafian’ireo saribakoly ireo?
Zanaka: Tsy mety.
Reny: Fa nahoana?
Zanaka: Satria fohy kely ny zipony ... dia fohy koa ny ambonin’akanjony ... ary manara-tena be ny akanjony.
Marina aloha fa tsy mora ny mampianatra ny ankizy ny toro lalan’ny Baiboly, sy ny manampy azy hanatsoaka hevitra toy izany. Tsy ho very maina anefa ny ezaka ataonao! Maro ny ray aman-dreny nandray soa, rehefa nampiasa an’ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io boky feno sary io, mba hanampiana ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany ny toro lalan’ny Baiboly.
Raha te hanafatra an’io boky 256 pejy io ianao, dia manorata amin’ity adiresy ity: Vavolombelon’i Jehovah, B.P. 116, 105 Ivato. Lazao ao amin’ny taratasinao fa tianao ny hahazo iray amin’ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe.
[Sary, pejy 26]
Saribakoly mpitondra dite, Japon
[Sary, pejy 26]
Saribakoly Bru, Frantsa
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Ambony: © SHOBEI Tamaya IX; afovoany: Courtesy, Strong National Museum of Play, Rochester, New York; ambany: © Christie’s Images Ltd