Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve ny Miaro Tena Raha Misy Manafika?

Mety ve ny Miaro Tena Raha Misy Manafika?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mety ve ny Miaro Tena Raha Misy Manafika?

TAITRA tampoka ianao amin’ny misasakalina, satria nahare feo. Nisy olona namaky ny tranonao, ary henonao mihitsy ny nidirany. Midobodoboka be ny fonao. Sady matahotra ianao no mitady hevitra hoe inona àry no hatao.

Mety hitranga amin’ny olona rehetra izany. Tsy any an-tanàn-dehibe ihany mantsy izao no misy heloka bevava, na herisetra mahatsiravina. Maro no matahotra an’izany, ka mividy fitaovam-piadiana na mianatra fomba fiady, mba hiarovan-tena. Namoaka lalàna ny tany sasany hoe azo atao ny mampiasa fomba fiarovan-tena, na dia mety hahafaty olona aza izany. Inona kosa no lazain’ny Baiboly? Mety ve ny mampiasa hery, mba hiarovana ny tenantsika na ny fianakaviantsika?

Halan’Andriamanitra ny herisetra

Melohin’ny Baiboly ny olona mahery setra. Hoy i Davida mpanao salamo momba an’i Jehovah Andriamanitra: ‘Ny mifaly hampidi-doza dia halan’ny fanahiny.’ (Salamo 11:5) Nosazin’Andriamanitra ny firenena maro fahiny, anisan’izany ny vahoakany, satria nahery setra sy nandatsa-dra. (Joela 4:19; Mika 6:12; Nahoma 3:1) Araka ny Lalàna nomena ny Israely dia voaheloka ihany izay nahafaty olona, na dia tsy fanahy iniany aza izany.—Deoteronomia 22:8.

Mampirisika antsika hitandro fihavanana foana ny Baiboly, mba tsy hisian’ny ady. Matetika mantsy ny olona tezitra sy mifamaly no lasa mahery setra. Hoy ny Baiboly: “Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.” (Ohabolana 26:20) Raha tony ianao dia mety tsy ho tezitra be ilay olona mitady hiady aminao, ka ho voasoroka ny herisetra. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”—Romanina 12:18.

Rehefa misy manafika

Mety hiharan’ny herisetra ihany anefa ianao, na dia mitandro fihavanana aza. Imbetsaka no efa nisy mpanompon’Andriamanitra niharan’izany. (Genesisy 4:8; Joba 1:14, 15, 17) Inona àry no tokony hataonao, raha tafihin’ny jiolahy mitam-piadiana ianao? Hoy i Jesosy: “Aza manohitra an’izay manisy ratsy anao.” (Matio 5:39) Hoy koa izy: “Raha misy maka ny akanjonao ivelany, dia aza hazonina na ny akanjo anatiny aza.” (Lioka 6:29) Tsy navelan’i Jesosy hampiasa fitaovam-piadiana mba hiarovana fananana àry ny mpanara-dia azy. Hendry ianao raha tsy manohitra rehefa misy mandroba ny fanananao. Sarobidy lavitra noho ireny mantsy ny aina!

Ahoana kosa anefa raha ny aina no tandindomin-doza? Misy lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely fahiny, ahitantsika izay tokony hatao. Tsy azo novonoina ny mpangalatra raha tratra tamin’ny antoandro. Nosazina izay namono azy, satria tsy heloka mahafaty ny halatra. Tokony hotsaraina sy hosazina araka ny Lalàna fotsiny ilay mpangalatra. Tsy meloka kosa ny tompon-trano raha nahafaty mpangalatra tamin’ny alina. Tsy fantany mantsy izay mety ho nataon’ilay mpamaky trano satria maizina. Mety ho fiarovan-tena àry ny azy raha nahafaty an’ilay mpangalatra izy. Natahotra mantsy izy hoe notandindomin-doza izy mianakavy.—Eksodosy 22:1, 2.

Araka ny Baiboly àry dia afaka miaro tena ny olona iray, raha misy mitady hamono izy na ny fianakaviany. Azony atao ny mampiasa tetika mba tsy ho voa rehefa mamely ilay jiolahy. Afaka manohitra izy na mamely mihitsy, mba hahatorana an’ilay mpamono. Ny hampijanona ny famelezan’ilay jiolahy no tena tanjony amin’izany. Tsy meloka izy raha voa mafy na maty mihitsy ilay mpanafika, satria tsy fanahy iniany izany.

Ny fiarovana tsara indrindra

Tena azo atao àry ny miaro tena, amin’ny toe-javatra sasany. Zon’ny olona ny miaro ny ainy sy ny an’ny fianakaviany, raha misy mitady hamely na hamono azy. Mamela antsika hiaro tena ny Baiboly, raha tsy afaka mitsoaka isika. Ny tena fahendrena anefa dia ny manalavitra an’izay toe-javatra mety hitrangan’ny herisetra.—Ohabolana 16:32.

Mampirisika antsika ny Baiboly mba “hitady fihavanana sy hitandro azy io”, amin’izay rehetra ataontsika. (1 Petera 3:11) Tena azo ampiharina izany, ary mahasoa.

FA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Nahoana isika no tsy tokony hahery setra?—Salamo 11:5.

▪ Inona no fahendrena rehefa misy mandroba ny fananantsika?—Ohabolana 16:32; Lioka 12:15.

▪ Inona no toetra ilaina mba tsy hiadiana amin’olona?—Romanina 12:18.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Araka ny Baiboly dia afaka miaro tena ny olona iray, raha misy mitady hamono izy na ny fianakaviany