Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
▪ ‘Mbola tsy nihena noho ny tamin’ny 2007 mihitsy ny gilasy any amin’ny ranomasin’ny Tendrontany Avaratra, hatramin’ny fotoana nakana sary azy tamin’ny zanabolana.’ Nirefy 4 280 000 kilaometatra toradroa ny velarany. Nidina 23 isan-jato amin’ny refy ambany indrindra teo aloha izany, dia ny tamin’ny 2005.—NATIONAL SNOW AND ICE DATA CENTER, ETAZONIA.
▪ Olona 90 isaky ny 100 no manana basy any Etazonia. Ny mponina any no manana basy be indrindra eto an-tany. I Inde no “manarakaraka” azy. “Olona 4 monja ao anatin’ny 100” no manana basy any.—TIME, ETAZONIA.
▪ Dimy volana sy 13 andro monja, dia teraka ny zazakely iray tany Miami, Etazonia. Tsy nilanja afa-tsy 283, 5 grama izy io. “Izy io angamba no zaza teraka tsy tonga volana aloha indrindra, nefa velona.” ‘Tsy azo antoka ho velona [anefa] ny zaza iray, raha teraka alohan’ny 5 volana sy telo herinandro ary milanja latsaka ny 400 grama.’—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, ETAZONIA.
Rano Fisotro avy Amin’ny Ranomasina
Tsy ampy ny rano fisotro any amin’ireo nosin’ny Ranomasina Égée, ka namorona milina fanalana sira amin’ny ranomasina ireo mpahay siansa grika. Milaza ny Masoivohom-baovaon’i Athènes, fa izy io no “milina voalohany miasa samirery sy mitsinkafona ary tsy manimba tontolo iainana.” Helisy ahodin-drivotra sy fitaovana misintona angovo avy amin’ny masoandro no mampandeha azy io. Mamokatra rano fisotro madio ho an’ny olona 300 eo ho eo izy io, isan’andro, ary miasa tsara foana na ratsy be aza ny andro. Azo arahi-maso sy baikoina avy lavitra koa izy io, ary azo afindrafindra toerana.
Nipoitra Ireo Taolam-biby Taloha
Hoy ny tatitra nataon’ny masoivohom-baovao Reuters any Cherskiy, Rosia: ‘Mitsonika ny tany mivaingan’ny hatsiaka any amin’ny farany avaratr’i Siberia, noho ny fiovan’ny mari-pana[n’ny tany]. Miseho etsy sy eroa àry ny taolan’ireo biby fahiny, toy ny elefanta fahagola, ny tokantandroka voloina, ary ny liona.’ Vonona hividy lafo ny taolan’ireny biby ireny ny mpahay siansa sy ny mpanangona taolam-biby, raha mbola tsara izy ireny. Miezaka mafy mikaroka azy ireny manerana ilay toerana àry ireo mpitrandraka sy tompon-tany. Hoy ihany ilay tatitra: ‘Mitsonika sy mitresaka haingana be ilay tany mivaingan’ny hatsiaka, ka saika ahitana taolam-biby mipoitra avy ao anaty tany eny rehetra eny.’
Ampiasaina Tsara ny Toaka Voarara
Fanaon’ny mpiasan’ny doanina soedoà taloha ny “manary” ny toaka voarara tratran’izy ireo. Ankehitriny anefa, dia “manampy amin’ny famatsiana ny solika ilain’ny fitateram-bahoaka any an-toerana izany”, hoy ny fampahalalam-baovao iray any Stockholm. Efa ho 700 000 litatra ny toaka voarara tratran’ny fanjakana soedoà tamin’ny 2006. Navadika ho karazana solika mahasolo lasantsy na gazoalina izany, ary ‘mety amin’ny bisy sy kamiao ary ny fiarandalamby’ sasany. “Tena ahazoan-tombony” io karazana solika io, hoy ilay fampahalalam-baovao, “satria maimaim-poana ny akora anamboarana azy.” Mahasoa koa ny fampiasana azy io, satria mampihena ny etona mampiakatra ny mari-panan’ny tany any Soeda.
‘Manjary Saro-kenatra ny Olona’
Hoy ny gazety Sunday Telegraph, any Aostralia: ‘Lasa saro-kenatra ny olona maro eran-tany noho ny fandefasana hafatra amin’ny finday na ordinatera sy ny fitaovana fihainoana mozika.’ Milaza i Robin Abrahams, manam-pahaizana momba ny saina sady mpikaroka, fa tena mihabetsaka ny olona saro-kenatra rehefa eny imason’olona. Efa ho ny antsasaky ny mponina eran-tany izany. Hoy ihany izy: “Afaka mandositra toe-javatra sarotra isika, ary lasa mihataka kokoa amin’ny hafa” noho ireny fitaovana ireny. ‘Mifandefa e-mail sy hafatra amin’ny finday ny olona, fa tsy mifampiresaka mivantana.’