Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanananao Tokantrano Sambatra?

Ahoana no Hanananao Tokantrano Sambatra?

Ahoana no Hanananao Tokantrano Sambatra?

AZO oharina amin’ny olona manao dia lavitra ny mpivady. Betsaka ny zavatra tsy ampoizina eny an-dalana, ao ny tsara ao ny ratsy. Misy koa ny vato misakana, ary toa tena sarotra resena ny sasany. Mpivady maro anefa no mahavita tsara an’ilay dia lavitra, sady tsy nahita olana firy. Na maro aza mantsy ny vato misakana, dia mbola afaka ny ho sambatra foana izy ireo, raha mahay miatrika azy ireny.

Inona àry no hanampy ny mpivady hamakivaky soa aman-tsara ny lalam-piainany? Maro no miaiky fa ilaina ny mijery sarintany rehefa handeha lavitra. Nanome “sarintany” an’ohatra ho an’ny mpivady àry i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny fanambadiana. Tena azo ianteherana izy io. Tsy inona izany fa ny Baiboly Masina. Tsy hoe afaka ho azy akory ny olana, rehefa manana azy io. Misy toro lalana kosa ao, ka mila manaraka izany ny mpivady raha te ho sambatra.—Salamo 119:105; Efesianina 5:21-33; 2 Timoty 3:16.

Hanampy anareo mivady hanatsara ny fifandraisanareo ireny toro lalana ara-baiboly ireny. Ireto ny sasany aminy:

Hevero ho masina ny fanambadiana. ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Matio 19:6) Nanorina ny fanambadiana ny Mpamorona, rehefa nanome an’i Eva ho vadin’i Adama, lehilahy voalohany. (Genesisy 2:21-24) Nanatri-maso izany i Kristy Jesosy, talohan’ny naha olombelona azy. Niaiky izy fa natao haharitra ny fanambadian’i Adama sy Eva. Hoy izy: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay nahary azy, dia nahary azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”—Matio 19:4-6.

Inona no dikan’ilay hoe “nampiraisin’Andriamanitra zioga”? Tsy midika izany hoe izy no mandahatra izay ho vadin’ny olona tsirairay. Ny tian’i Jesosy holazaina kosa, dia hoe Andriamanitra no namorona ny fanambadiana, ka masina izy io. *

Mazava ho azy fa tsy misy mpivady te ‘hiray zioga’ raha tsy mifankatia. Tian’izy ireo hahafinaritra sy hahafa-po mantsy ny tokantranony. Ho faly ‘hiray zioga’ izy ireo, raha mampihatra ny torohevitry ny Mpamorona, ao amin’ny Baiboly.

Tsy maintsy misy ny tsy fitovian-kevitra sy ny adiady, satria tsy lavorary isika rehetra. Afaka ny ho sambatra anefa ny mpivady na tsy tena mifanentana aza, raha mahay mifanaraka sy be fitiavana. Ny fitiavana mantsy no “mamehy ny zavatra rehetra hirindra tanteraka.”—Kolosianina 3:14, Dikanteny Iombonana Anglisy.

Miresaha amim-panajana. “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” (Ohabolana 12:18) Hitan’ny mpikaroka fa raha mifanaja tsara ny mpivady rehefa manomboka miresaka, dia hifarana amim-panajana koa ny resak’izy ireo. Mankarary fo kosa raha ny olon-tianao no manao teny tsy voahevitra aminao. Mivavaha àry, ka miezaha maneho fitiavana sy manaja ny fahamendrehan’ny vadinao, rehefa miresaka aminy. (Efesianina 4:31) Hoy ny vehivavy japoney iray atao hoe Haruko, * izay 44 taona nanambadiana: “Miezaka mifanaja foana izahay rehefa miresaka sy manao zavatra, ary tsy mifantoka amin’ny fahalemen’ny anankiray. Izany no mahasambatra ny tokantranonay.”

Aoka ianao ho tsara fanahy sy hangoraka. ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka.’ (Efesianina 4:32) Rehefa mifamaly ny mpivady ka tezitra ny iray, dia tezitra koa ny iray. Niaiky toy izao i Annette avy any Alemaina, izay 34 taona nanambadiana: “Tsy mora ny mitony rehefa misy olana. Matetika ianao no mahateny zavatra mahatezitra ny vadinao, ka vao mainka ratsy ny vokany.” Hilamina kokoa anefa ny tokantranonao, raha miezaka ho tsara fanahy sy hangoraka ianao.

Manetre tena. “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny rehaka, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony.” (Filipianina 2:3) Matetika no miady ny mpivady rehefa be hambom-po, ka manilika ny fahadisoana any amin’ny ankilany, fa tsy manetry tena sy miara-mitady vahaolana. Raha manetry tena anefa ianao, dia handefitra fa tsy hanantitrantitra be hoe ianao foana no manana ny rariny.

Aza mora tezitra. “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao.” (Mpitoriteny 7:9) Aza tonga dia miaro tena, raha manontany momba ny zavatra nataonao na nolazainao ny vadinao. Henoy aloha ny heviny fa aza tonga dia toherina. Mieritrereta tsara vao mamaly. Aleo mandefitra mba hitandroana fihavanana, toy izay tsy manaiky ho resy nefa simba ny fifandraisana. Diso aoriana loatra ny mpivady maro vao mahatsapa hoe marina izany.

Aza maika hiteny. ‘Aoka ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.’ (Jakoba 1:19) Tena mila mifampiresaka tsara ny mpivady raha te ho sambatra. Nahoana anefa ny Baiboly no milaza fa “ao ny andro anginana”? (Mpitoriteny 3:7) Satria rehefa mangina ianao, dia afaka mihaino tsara izay lazain’ny vadinao, ka mamantatra ny tena ao am-pony sy ny antony mahatonga izany.

Ataovy tsapanao izay manjo azy. “Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.” (Romanina 12:15) Tena ilaina izany rehefa miresaka amin’ny vadinao ianao, mba hahalalanao ny fihetseham-pony lalina indrindra. Hifanaja ianareo amin’izay, fa tsy hanao tsinontsinona ny hevitry ny ankilany sy ny fihetseham-pony. Hoy i Nella, avy any Brezila, izay 32 taona nanambadiana: “Mihaino an’i Manuel tsara aho rehefa miresaka momba ny zava-manahirana anay izahay. Ataoko izay hahazoana ny heviny sy ny fihetseham-pony.” Rehefa miteny àry ny vadinao, dia tokony ‘hangina’ sy hihaino ianao, mba ho tsapanao izay manjo azy.

Asehoy foana fa sarobidy aminao ny vadinao. “Asehoy fa mahay misaotra ianareo.” (Kolosianina 3:15) Ataovy tsapan’ny vadinao fa sarobidy aminao izy. Mafy orina ny fanambadiana rehefa samy miezaka manao izany ny mpivady. Misy mihevitra fa tsy ilaina intsony ny manome toky ny vadiny hoe tiana izy, satria efa tokony ho fantany izany. Tena zava-dehibe anefa izany, ka mila resahina. Hoy ny Pr. Ellen Wachtel: “Ny ankamaroan’ny olona manambady dia tsy mba maneho hoe sarobidy aminy ny vadiny. Azony atao tsara izany, fa izy fotsiny no tsy te hanao.”

Ny vehivavy indrindra no tena mila fanomezan-toky sy porofom-pitiavana avy amin’ny vadiny. Ry lehilahy, derao ny vadinao rehefa misy toetra tsara hitanao aminy, ary ankasitraho izay zavatra tsara vitany. Hanatsara ny fanambadianareo izany, ka ho sambatra ny vadinao ary ho faly koa ianao.

Samy tena ilaina ny manao teny mamy sy fihetsika mitory fitiavana. Ry lehilahy, omeo oroka mamy, safosafo, na tsiky malefaka ny vadinao. Misy lanjany kokoa aminy izany, noho ny mandre fotsiny hoe “Tiako ianao.” Ho tsapany amin’izay fa tena ilainao izy, ary tsy misy atakalonao azy. Antsoy, ohatra, izy, na andefaso hafatra an-telefaonina toy ny hoe “Malahelo an-dry aho izany!”, na “Mandeha tsara ve izy ao e?” Tamin’ny ianareo vao niaraka ve no nanaovanao an’izany farany? Maninona raha manao an’izany indray izao? Fantaro foana izay zavatra manohina ny fon’ny vadinao.

Hoy ny renin’i Lemoela mpanjakan’ny Israely fahiny: ‘Ny lahy mitsangana ka midera azy hoe: Maro no zazavavy nanao soa, fa ianao manoatra noho izy rehetra.’ (Ohabolana 31:1, 28, 29) Ralehilahy, oviana izao ianao no nidera ny vadinao? Ary ianao ravehivavy?

Mifamelà heloka haingana. “Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesianina 4:26) Tsy maintsy manao diso na ianao na ny vadinao. Tokony ho vonona hifamela heloka àry ianareo. Tsapan’i Clive sy Monica, any Afrika Atsimo, izay efa nivady 43 taona, fa tena manampy io toro lalan’ny Baiboly io. Hoy i Clive: “Miezaka mampihatra ny Efesianina 4:26 izahay, ka mifamela heloka haingana. Fantatray mantsy fa mampifaly an’Andriamanitra izany. Maivamaivana erỳ izahay avy eo, ka mahita tory tsara satria milamina ny saina.”

Hoy ny ohabolana iray fahiny: “Voninahitra ... ny tsy mamaly fahadisoana.” (Ohabolana 19:11) Hoy ihany i Annette, voalaza tetsy aloha: “Tsy ho sambatra ny tokantrano, raha tsy mahay mifamela ny mpivady. Hifanao an-dolompo sy tsy hifampatoky eny foana [mantsy] izy ireo, nefa izany no tena manimba ny fanambadiana. Mifandray am-po kosa ny mpivady mifamela heloka, ary mihamafy ny fatoram-panambadiany.”

Ahoana àry raha nanao zavatra nampalahelo ny vadinao ianao? Aza mieritreritra fotsiny hoe izy ve dia tsy hamela sy hanadino an’iny. Mila miaiky ny fahadisoanao ianao, raha te hihavana aminy. Marina fa sarotra izany. Manetre tena anefa, ka mitenena, ohatra, hoe: “Malala a, azafady fa diso aho.” Hanaja kokoa anao ny vadinao amin’izay. Hifampatoky ianareo, ary hilamina ny sainao.

Aza mivadika amin’ny vadinao sy ny voady nataonao. “Tsy roa intsony izy [mivady], fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.” (Matio 19:6) Nivoady teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ianareo, fa hiaraka foana na amin’ny mora na amin’ny sarotra. * Tsy hoe voafatotry ny lalàna fotsiny ianareo. Ny fitiavana vokatry ny fo sy fifanajana ary fanekena an’Andriamanitra kosa no tokony hampiray anareo. Aza atao tsinontsinona mihitsy àry ny fanambadianao, satria masina. Aza milalao fitia, fa ny vadinao ihany tiavina.—Matio 5:28.

Aoka ianao hahafoy tena. “Asio fiheverana manokana izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenanareo ihany.” (Filipianina 2:4) Raha te hanamafy ny fatoram-panambadianao ianao, dia ampandefero aloha ny zavatra tianao, ka ataovy izay mahasoa ny vadinao. Miezaka manampy ny vadiny amin’ny raharaha ao an-trano i Premji, izay 20 taona nanambadiana. Hoy izy: “Manampy an’i Rita mahandro sy manadio ary manao raharaha hafa aho [satria miasa izy]. Tsy reraka loatra izy amin’izay, ka mba afaka manao izay mahafinaritra azy.”

Tsy very maina ny ezaka ataonao

Afaka manana tokantrano sambatra tokoa ny mpivady, saingy tsy mora izany. Kivy ny sasany indraindray ka tsy te hiezaka intsony. Tsarovy anefa ny voady nataonao. Eritrereto koa ny halavan’ny fotoana efa niarahanareo sy ny ezaka efa vitanao. Aza avela ho very maina fotsiny izany na eo aza ny olana.

Hoy i Sid, izay manana tokantrano sambatra efa 33 taona izao: “Raha samy tena miezaka ianareo, ka asehonareo fa tianareo ho sambatra ny tokantranonareo, dia hitahy anareo i Jehovah.” Mahaiza àry mifanohana hatrany ao anatin’ny sarotra. Miaraha mankafy fotoana mahafinaritra. Hanampy anareo hamakivaky ny lalam-piainana izany, ka ho sambatra ny tokantranonareo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Nilaza i Jesosy fa antony iray ihany no ahafahan’ny olona misaraka sy manambady indray, dia ny fijangajangana, izany hoe firaisana amin’olon-kafa.—Matio 19:9.

^ feh. 9 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 22 Araka ny Baiboly, dia afaka mifidy ny hisaraka ilay vady tsy manan-tsiny, raha nijangajanga ny vadiny. (Matio 19:9) Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Fanitsakitsaham-bady—Hamela Heloka sa Tsy hamela?”, ao amin’ny Mifohaza! Oktobra-Desambra 1995.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Toy ny sarintany manoro lalana ny mpivady ny Baiboly

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Rehefa misy olana mila resahina

Mifidiana fotoana rehefa samy tsy reraka ianareo.

Aza manakiana. Izay tsara ataon’ny vadinao ifantohana.

Mihainoa aloha rehefa miteny ny vadinao. Aza tapahina ny teniny.

Aza hamaivanina ny fihetseham-pon’ny vadinao.

Asehoy fa tsapanao ny manjo azy, na tsy mitovy hevitra aza ianareo.

Aza sarotiny na hentitra loatra.

Manetre tena ka mialà tsiny rehefa diso ianao.

Milazà teny maneho fitiavana sy fankasitrahana.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

Raha te hanana tokantrano sambatra

Ampiharo ny toro lalan’ny Baiboly.

Manokàna fotoana ho an’ny vadinao, sy hanatsarana ny fifandraisanareo.

Aoka ianareo hahay hanambitamby sy haneho fitiavana.

Miezaha ho mendri-pitokisana sy tsy mivadika.

Aoka ianao ho tsara fanahy sy hanaja.

Mifanampia amin’ny raharaha ao an-trano.

Ataovy mahafinaritra ny fifampiresahanareo.

Manaova vazivazy ary miaraha miala voly.

Ataovy foana izay hampifankatia anareo.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Fanontaniana hosaintsainina

Inona no tena mila iezahako, amin’ny fanambadianay?

Inona avy no hataoko mba hahavitako izany?