Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Inona no Olana?

Fa Inona no Olana?

Fa Inona no Olana?

TSY misy izany hoe tokantrano milamina foana izany. Na mifanentana toy inona aza mantsy ny mpivady, dia mety hiady ihany. Tsy maintsy misy àry ny olana. Maro ny zavatra mety hanimba ny fanambadiana. Toy ny harafesina takona ao ambany loko izy ireny, ka manimba tsikelikely. Andeha àry hojerentsika ireo olana mety hitranga eo amin’ny mpivady, mba hahitantsika vahaolana.

Fotoan-tsarotra

Efa nilaza ny Baiboly fa olona maro amin’ny androntsika no ‘ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo.’ (2 Timoty 3:2-4) Ireo toetra ireo no mahatonga ny mpivady tsy hifankahazo hevitra sy tsy hahay hifampiresaka. Mora manao teny mandratra koa izy ireo satria tsy lavorary.

Hoy ny mpikaroka iray: ‘Asa aloha raha tsara na ratsy ny manambady amin’izao andro izao. Amin’ny lafiny iray toa tsara, satria be dia be izao ny torohevitra manampy antsika hanana tokantrano sambatra. Amin’ny lafiny hafa kosa toa be loatra ny olana ara-bola sy ny zava-manahirana manasarotra ny fifandraisan’ny mpivady.’

Manantena zavatra tsy hisy

Hoy ny vehivavy iray mpanoro hevitra momba ny fanambadiana: “Manantena zavatra tsy hisy ny mpivady, ka izay no tena anisan’ny mahatonga azy ireo tsy ho afa-po amin’ny fanambadiany.” Maro no kivy rehefa tsy tena araka ny nantenainy ny fanambadiany sy ny toetran’ny vadiny. Diso fanantenana izy ireo rehefa mahita ny kileman’ny vadiny, izay tsy fantany teo aloha, na noheveriny ho tsy dia lehibe.

Efa nilaza anefa ny Baiboly fa “hanam-pahoriana” izay manambady. (1 Korintianina 7:28) Nahoana? Satria samy tsy lavorary ny mpivady, ka tsy maintsy hiseho ny kileman-toetrany, na ho ela na ho haingana.

Maro koa no manantena be hoe tena ho tsara ny fanambadiany, nefa izy tsy miezaka akory. Manonofinofy izy ireo fa ho sambatra sy hifankatia foana, nefa tsy tsapany hoe mila ezaka mafy izany. Tonga saina izy mivady atỳ aoriana, fa tsy araka ny nampoiziny ny zava-misy. Diso fanantenana sy very hevitra izy ireo. Izay nanantena be no tena diso fanantenana.

Tsy mahay mifampiresaka

Inona no tsy mety amin’ny fifampiresahan’ny mpivady sasany, ka mahatonga azy ireo tsy hifandray am-po? Tsy tena mihaino izy ireo fa zara raha mandre fotsiny, ary ny vava fotsiny no miteny fa ny fo sy ny saina tsy ao mihitsy. Tsy mifanao teny mamy intsony izy ireo, fa manao valy boraingina sy entim-pahazarana fotsiny. Zavatra tsisy dikany dia efa mampiady. Tsy manokana fotoana hifampiresahana intsony koa izy roa, ary tsy mba mifamboraka ny ao am-po. Mandika vilana ny hevitry ny andaniny ny ankilany, ka raikitra ny ady. Rehefa avy mifanao teny mandratra izy ireo, dia samy tsy miteny tsy mivolana.

Mampalahelo fa tsy voamariky ny olona akory ny zavatra tsara ataon’ny vadiny, na voamariny ihany fa tsy mba milaza teny fankasitrahana mihitsy izy. Tezitra ny vehivavy sasany satria sady miasa any ivelan’ny tokantrano izy, no tsy maintsy manao ny ankamaroan’ny raharaha ao an-trano. Maro amin’izy ireny koa no malahelo satria tsy mba maneho fitiavana azy ny vadiny.

Inona àry no azonao atao mba hahasambatra ny tokantranonao? Diniho ireto torohevitra mahasoa avy ao amin’ny Baiboly ireto.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Tsy tena mihaino izy ireo fa zara raha mandre fotsiny, ary ny vava fotsiny no miteny fa ny fo sy ny saina tsy ao mihitsy

[Teny notsongaina, pejy 5]

Maro no manantena be hoe tena ho tsara ny fanambadiany, nefa izy tsy miezaka akory