Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao ve ny Koatỳ?

Fantatrao ve ny Koatỳ?

Fantatrao ve ny Koatỳ?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BREZILA

ALAO sary an-tsaina hoe mandehandeha any anaty ala ianao. Tampotampoka eo anefa dia misy biby maromaro atao hoe koatỳ (na coati) manatona anao. Matahotra ianao sao hanaikitra anao izy ireo. Tsy misy tokony hatahoranao anefa! Marina aloha fa efa nisy koatỳ nanaikitra olona, kanefa ny zavatra ao anaty haronao no tena mahaliana azy ireo. Mitady zavatra hohanina foana ny koatỳ. Tsy mifidy mihitsy izy fa haniny daholo na kankana, na androngo, na hala, na totozy, na voankazo, eny fa na dia ny atodim-borona aza.

Mitovitovy amin’ny alika ny koatỳ, saingy lava kokoa ny rambony. Lava koa ny orony, sady tsy henjana fa afaka milefitra. Mirefy 66 santimetatra ny koatỳ, ary toy izany koa ny halavan’ny rambony. Any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Etazonia ka hatrany amin’ny faritra avaratr’i Arzantina ihany, no ahitana an’io biby mampinono io.

Miaraka maromaro ny koatỳ vavy ary mety hahatratra 20 izy ireo. Ny lahy kosa tia mandeha irery. Miaraka amin’ny andiana koatỳ vavy ny koatỳ lahy iray, rehefa tonga ny vanim-potoana fanaovan’izy ireo firaisana. Mandeha manao trano any anaty ala ireo koatỳ bevohoka, rehefa afaka fito na valo herinandro. Telo na efatra ny zanaky ny koatỳ iray. Mamonjy an’ilay andiany indray ireo koatỳ, iray volana sy tapany aorian’izay, ary entiny koa ny zanany. Toy ny baolina kely feno volo ny zanaka koatỳ, ary mibakabaka ny fandehany.

Manimbolo foana ny koatỳ rehefa mandehandeha any anaty ala, ary mihehy tany amin’ny tongony. Tena tsy tian’ny tantsaha mihitsy izy ireny, satria manimba ny tanin-katsaka sy ny tranon’akoho. Mahay mandositra ny koatỳ, rehefa misy mihaza. Fetsy izy ireo, ka hainy tsara ny miafina any anaty ala. Manao mody maty koa izy ireo, raha vao mandre poa-basy na olona mitehaka. Rehefa tonga haka azy anefa ny mpihaza, dia efa tsy hita intsony izay nalehany!

Mety hifanena amin’ny andiana koatỳ ianao, rehefa mitsidika an’i Brezila. Aza matahotra anefa! Tsy haninona anao izy. Tena ho faly kosa izy ireo raha mba hanipazanao sakafo kely!