Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Faran’izay Tsara Ilay Izy!”

“Faran’izay Tsara Ilay Izy!”

“Faran’izay Tsara Ilay Izy!”

▪ Izany no nolazain’ny lehilahy iray, momba ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Mpiandraikitra ny fanadihadiana iray momba ny fanambadiana izy. Mpivady nadinadinina no nanome azy an’ilay boky. Nohazavain’izy mivady, fa nanampy azy hanomana ny fanambadiany ny fianarana an’io boky io.

Nanoratra ho azy mivady ilay lehilahy mba hisaotra azy noho ilay “fanomezana faran’izay tsara.” Nilaza izy fa tiany raha mba mampianatra ny hafa “izay tokony hatao mba hananana fanambadiana sambatra sy mafy orina” ny mpivady toa azy ireo. Azony antoka fa hanampy ny mpivady hamaha olana, ny boky toy ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Nomarihin’io lehilahy io fa tombony ho azy mivady, ny fananana finoana matanjaka sy ny fianteherana amin’Andriamanitra.

Nilaza izy fa apetrany eo ambony biraony ilay boky, ary asehony an’izay mpianany mitady torohevitra momba ny fanambadiana. Namarana ny teniny izy hoe: “Mbola tsy nahita boky toa an’io mihitsy aho. Faran’izay tsara ilay izy!”

Mpivady an’arivony eran-tany no mandray soa amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Hanampy anao hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly koa izy io, ka hahafinaritra kokoa ny tokantranonao.

Raha te hanafatra an’io boky 192 pejy io ianao, dia fenoy ny tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.