Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Harena Sarobidin’i Niihau

Harena Sarobidin’i Niihau

Harena Sarobidin’i Niihau

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY HAWAII

MITOPATOPA mandona ny sisin-tanin’i Niihau ny onjan-dranomasina, isaky ny ririnina. Entin’ny onja mankeny amin’ny torapasika ireo akorandriaka kely be dia be. Mirefy 180 kilaometatra toradroa ny nosy Niihau, ary izy io no kely indrindra amin’ireo nosy fito misy mponina eto Hawaii. Tsy mahagaga àry raha hita ao amin’io nosy volkanika kely io ny sasany amin’ireo zava-tsarobidy madinika indrindra eto an-tany. Tsy inona izany fa ireo akorandriaka tsara tarehin’i Niihau.

Tsy dia misy havoana sady tsy manorana firy ao Niihau, fa tsy mba toy ny nosy Kauai, izay any amin’ny 27 kilaometatra eo avaratratsinanany. Nahoana anefa i Niihau no antsoina hoe “Nosy Tsy Azo Aleha”? Satria misy tompony io nosy io, ary mila mahazo alalana ny olona mankany. Mahavita tena ny mponina ao. Tsy ahitana paompy sy fivarotana ary paositra ao, sady tsy misy foiben-kerinaratra. Miezaka miaro ny kolontsainy ireo olona 230 eo ho eo mipetraka ao, ary fiteny hawaiien no ampiasainy. Ankoatra ny fiandrasana omby sy ondry, dia ny fanamboarana firavaka amin’ny akorandriaka kely, no asa fiveloman’ny ankamaroan’izy ireo. *

Mandeha an-tongotra na mandeha bisikileta amin’ny lalana be vovoka ny fianakaviana maro rehefa tonga ny ririnina, mba hanangona akorandriaka any amin’ny torapasika, sy eny amin’ny helodranomasina. Any izy ireo mandritra ny ora maro. Ahahiny eo amin’ny alokaloka ireo akorandriaka avy eo. Sokajiny arakaraka ny habeny sy ny hatsarany izay maina, ary atambany amin’ny kofehy mba ho lasa vakana tsara tarehy. Voninkazo no iambozonana any amin’ireo nosy be zavamaniry, fa akorandriaka kosa no atao vakana any Niihau.

“Vatosoa” avy any an-dranomasina

Efa ela ny mponina teto no nanamboatra firavaka tamin’ny akorandriaka. Nahita firavaka vita tamin’ireny “vatosoa” hafakely ireny ireo mpikaroka tany vaovao toa an’ny Kapiteny James Cook, rehefa nandalo teto taloha kelin’ny taona 1800. Nosoratan’izy ireo tao amin’ny diariny ny momba azy ireny. Nitondra santionany izy ireo, ary avy tao Niihau angamba ny sasany. Niambozona an’ireny firavaka ireny ireo vehivavy manan-kaja teto Hawaii tatỳ aoriana, anisan’izany ny mpandihy sy ny fianakavian’ny mpanjaka. Lasa fantatra tany an-tany hafa izy ireny tamin’ny taonjato faha-20, noho ireo mpizaha tany sy ireo toeram-pivarotana firavaka, ary ireo miaramila nandalo teto Hawaii tamin’ny Ady Lehibe II. Miravaka azy ireny koa izao ny olona any amin’ny tany maro.

Ny akorandriaka atao hoe momi sy laiki ary kahelelani, no tena anamboarana vakana any Niihau. Somary manahirana kely ny fanamboarana azy ireny, satria tsy mitovy ny lokony sy ny endriny. Vehivavy mazàna no manao an’io asa io, izay ilana fitandremana be. Misy karazany 20 eo ho eo ny momi, izay akorandriaka boribory lavalava mamirapiratra, mirefy iray santimetatra. Fotsy botsiaka ka hatramin’ny volontsôkôlà antitra ny lokon’izy ireo. Lasa toy ny Lei Pikake (firavaka namboarina tamin’ny voninkazo jasmina fotsy) ny firavaka vita amin’ny momi, raha atao mitovy amin’ny fanamboarana Lei Pikake ny fanamboarana azy.

Miambozona vakana vita amin’ny laiki mazàna ny vehivavy atao mariazy. Toy ny voam-bary malamalama io akorandriaka io. Isan-karazany ny lokony, manomboka amin’ny fotsy botsiaka ka hatramin’ny volontany manopy mavo, ary misy aza mitsipitsipika volontsôkôlà. Mirefy dimy milimetatra kosa ny akorandriaka kahelelani, izay angamba anaran’ny filoha hawaiien fahiny. Mora vaky izy io ka lafo vidy ny vakana vita aminy. Isan-karazany ny lokon’ny kahelelani, manomboka amin’ny mena antitra ka hatramin’ny mavokely antitra. Tsy fahita firy ny mavokely antitra, ka avo telo heny noho ny hafa ny vidiny.

Fanamboarana vakana

Fidin’ny mpanao vakana tsara aloha izay ho endriky ny vakana hamboariny. Loahany amin’ny haolo maranitra tsara ireo akorandriaka rehefa avy nesorina ny fasika. Na dia mitandrina tsara aza ilay mpanao vakana, dia akorandriaka iray isaky ny telo no vaky. Akorandriaka be dia be àry no ilaina vao mahavita vakana iray, izay mety ho an-taonany vao ho vita. Kofehy nylon no ampiasainy, ary hosorany simenitra na savoka izy io mba ho mafy tsara. Akorandriaka puka, izay toy ny bokotra no atao eo amin’ny sisiny roa amin’ilay kofehy, ary akorandriaka cauri no atao hidiny.

Betsaka ny fomba azo andaharana akorandriaka amin’ny kofehy. Anisan’izany ny fomba tsotra fandaharana momi fotsy, izay ahavitana vakana mahatratra 1,5 metatra na 1,9 metatra. Misy koa vakana vita amin’ny kahelelani kely an-jatony. Ao indray ireo vakana ahitana akorandriaka sy voan-javatra, izay natao sarisary kely. Samy manana ny mampiavaka azy ny vakana. Tena manahirana anefa ny manamboatra azy ireny, sady mandany fotoana no mandreraka maso. Na izany aza, dia mahavita vakana tsara tarehy ny mpanao asa tanana any Niihau, izay mahay mamoron-kevitra sy manam-paharetana. Tsy mahagaga àry raha mahatratra an’arivony dolara ny vakana sasany, ka tsy mena-mitaha amin’ireo firavaka misy vatosoa sarobidy sy ireo firavaka fahiny.

Somary ngazana sy vitsy mponina i Niihau, ary mitokana kely. Noho ny zava-bitan’ireo mpanao asa tanana mahay mamoron-kevitra anefa dia afaka miravaka ny vakana sarobidin’io nosy io ny olona any amin’ny faritra lavitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ahitana akorandriaka kely koa ny nosy hafa atỳ Hawaii sy ny faritr’i Pasifika, saingy tsy mitovy ny hatsarany sy ny habetsahany.

[Sary, pejy 24, 25]

Sokajina arakaraka ny habeny sy ny hatsarany ireo akorandriaka maina, ary avy eo anamboarana vakana tsara tarehy

[Sary nahazoan-dalana]

© Robert Holmes

[Sary, pejy 25]

Akorandriaka “momi” miolikolika

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

© drr.net