Lakandrano Mahasarika Olona Maro
Lakandrano Mahasarika Olona Maro
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE
Lakandrano 6 000 kilaometatra eo ho eo no namakivaky an’i Angletera sy Ekosy ary Pays de Galles, tamin’ny taona 1800 tany ho any. Inona no antony nanamboarana azy ireny, ary iza no mampiasa azy ireny ankehitriny?
TAORIAN’NY taona 1700, dia nandroso be ny taozava-baventy teto Grande-Bretagne. Nilaina ny fitaterana haingam-pandeha sy tsy nandaniam-bola firy, mba hitaterana ny akora sy ny zava-bitan’ny orinasa. Soavaly roa na mihoatra no nampiasaina talohan’izay, mba hitaterana entana na hitarihana kalesy, kanefa feno lavadavaka sy fotaka ny lalana amin’ny ririnina, ka tsy azo nandehanana. Soavaly iray monja anefa dia afaka nitarika sambokely iray mitondra entana hatramin’ny 30 taonina.
Nampanamboatra lakandrano àry ny Andrianan’i Bridgewater tamin’ny 1761, mba hitaomana arintany avy tao amin’ny toeram-pitrandrahany ho any amin’ireo mpanjifa tany Manchester, any amin’ny 16 kilaometatra. Nahazo vola be ilay andriana noho izany. Lasa mora be koa ny vidin’ny arintany tao Manchester. Nisy fanamboarana lakandrano nampitohy an’ireo renirano lehibe efatra teto Angletera, tamin’ny 1790. Nampifandray an’ireo orinasa tao afovoan-tany sy ny seranan-tsambo tany amorontsiraka izy ireny. Nanomboka teo ny fampiasana lakandrano teto Grande-Bretagne.
Namboarina ary nampiasaina
Nahita fomba hanamboarana lakandrano mamakivaky toerana an-kilaometatra maro ireo injeniera. Anisan’ireny i James Brindley, izay nampiana-tena sady tsy mba nanoratra ny kajikajy nataony na nanao sary. Mbola anisan’ny zava-bita miavaka foana ireo lakandrano, tionelina, vavahadin-drano, ary tetezana namboarina tamin’izany.
Sambokely vita tamin’ny hazo no nitaterana ny entana toy ny arintany, sokay, tanimanga
fanaovana bakoly, vy, biriky, ary lafarinina. Mirefy 20 metatra ny halavan’izy io, ary 2 metatra ny sakany. Soavaly no nitarika an’ilay sambo, ary nanaraka ny sisin’ny lakandrano izy ireo rehefa nitarika azy io. Nisy kosa “sambokely haingam-pandeha” natao hitaterana an’ireo entana maika na mora simba. Nandeha foana izy io na andro na alina.Soloana isaky ny adiny efatra ireo soavaly mitarika sambokely mpitondra olona, any amin’ny lakandrano sasany. Mitondra mpandeha hatramin’ny 120 izy ireny, ary mandeha 15 kilaometatra isan’ora. Mandefitra ny sambokely hafa raha vao mandalo izy ireny. Misy antsy eo amin’ny lohany, ka tapahiny izay tadin-tsambo misakantsakana ny lalany eny amin’ny Lakandranon’i Bridgewater. Lasa afaka nandeha lavitra ny olon-tsotra noho ny fisian’ny lakandrano. Mora kokoa mantsy ny saran-dalana sady mahafinaritra erỳ ny mandeha aminy.
Fiainan’ny tantsambo
Tsy mora ny fiainan’ireo mpitondra sambokely mitatitra entana. Mafy be ny asany sady mampidi-doza. Mandeha foana izy ireo, ka tsy mba afaka mampitombo ny fahalalany, sady tafasaraka tsikelikely amin’ny fiaraha-monina.
Miavaka ireo sambokely mpitatitra entana, noho ireo sarisary eo aminy. Ao, ohatra, ny sarina toerana mahafinaritra sy mareva-doko ary sarim-boninkazo, izay mandravaka ny ivelan’ilay sambo sy ny atin’ilay efitra kely eo amin’ny vodisambo. Mirefy telo metatra monja ny halavan’ilay efitra ary roa metatra ny sakany. Ao no mipetraka ilay tantsambo sy ny vady aman-janany. Manana fanaka afaka miforitra izy ireo, mba ho antonona ao amin’ilay efitra izay zavatra ilainy. Azo ovana ho fandriana, ohatra, ny fitoeran’entana. Azo ovana ho latabatra koa ny arimoara kely. Lamba kely natao krôse no mandravaka ny talantalana. Misy fanaka vita tamin’ny bakoly sy varahina manjelanjelatra manodidina ny fatana. Mahafinaritra sy mahatamana erỳ ilay tokantrano kely! Miasa mafy ny vadin’ilay tantsambo. Na betsaka aza ny raharahany ary na maloto aza ny entana entin’ilay sambo, dia ataony izay hampahadio foana ny ankohonany sy ny sambokeliny.
Borosiany hadio tsara na dia ny tady fonon’ny familiana aza.Nihalefy nefa niroborobo indray
Nisokatra tamin’ny 1825 ny zotran-dalamby nampitohy an’i Stockton sy Darlington, izay nataon’i George Stephenson. Tamin’izany no nisy lamasinina nitondra olona voalohany. Tokotokony ho 20 taona taorian’izay dia lasan’ny lamasinina indray ny entana sy ny olona tokony hotaterina teo amin’ny lakandrano. Nihalefy ny fampiasana lakandrano ary tsy voakarakara intsony izy io. Novidin’ny kompaniam-pitaterana an-dalamby mihitsy aza ny sasany mba tsy hisian’ny fifaninanana. Teo koa ny fisian’ny arabe vaovao sy tsara kokoa, taorian’ny Ady Lehibe I. Nihevitra àry ny olona hoe tsy haharitra intsony ny fampiasana lakandrano.
Tsy izany anefa no nitranga noho ny ezaka nataon’ny olona maromaro tato anatin’ny 50 taona farany. Mbola mitondra entana eny amin’ny lakandrano ny sambokely sasany, ny hafa lasa fonenan’ny olona, ny hafa indray mitondra mpitsangantsangana. Azo atao izao ny mamakivaky an’ireo lakandrano 3 000 kilaometatra mahery eto Grande-Bretagne, izay mandalo amin’ireo toerana faran’izay kanto sy mbola tsy nisy nanimba. Namelona indray an’ireo fomba nentim-paharazana ny mpankafy ny sambokely mpitondra entana, ka lasa misy fety fanao izao eny amin’ireo lakandrano mba hampahafantarana an’ireny fomba amam-panao ireny. Lasa be mpitia ireny sambokely mareva-doko ireny, ka nanjary be kokoa noho ny taloha ny sambokely mandeha eny amin’ny lakandrano.
Tsy mandeha sambo foana anefa ny ankamaroan’ny olona mivezivezy eny amin’ny lakandrano. Nahoana? Satria lasa misy zaridaina mahafinaritra izao ny sisin’ny lakandrano. Mandehandeha eny ny mpandeha an-tongotra, ny mpitaingina bisikileta, ny mpanjono. Nanjary azo itsangantsanganana mantsy ireo toerana tsy dia be mpahalala teo aloha. Lasa misy hazandrano izao ireo dobo fahiny namatsiana rano ny lakandrano. Ireo lakandrano kosa lasa misy zavamaniry sy vorona ary biby mivelona.
Nampisy fandrosoana lehibe teto Grande-Bretagne ny lakandrano. Ny lakandrano indray anefa izao no toerana ialan’ny olona amin’ny rotoroton’ny fiainana izay vokatry ny fandrosoana.
[Efajoro/Sary, pejy 14]
FANDEHANANA AO ANATY TIONELINA
Tsy misy lalana ny ankamaroan’ny sisin’ny lakandrano ao anaty tionelina. Mbola tsy nandeha maotera ny sambo fahiny, ka ahoana no nataon’ny tantsambo rehefa hamakivaky tionelina? Nasiany hazo fisaka roa teo amin’ny lohan-tsambo. Sady mitsilany eo ambonin’ilay hazo fisaka izy, no mamikitra amin’izy io, ary mandaka ny rindrin’ilay tionelina mba hanosehana an’ilay sambokely handroso. Tena mampidi-doza izany! Labozia iray monja mantsy no mba nanazava, ary mety hianjera eo anelanelan’ilay rindrina sy ny sambo ilay tantsambo ka ho tery ao. Nahatratra 68 kilaometatra ny fitambaran’ny tionelina teto fahiny, ary ireo tena za-draharaha tamin’ny fanosehana sambo no niasa tamin’ny tionelina lava kokoa. Ao Standedge, any Yorkshire, ny tionelina lava indrindra, izay mirefy dimy kilaometatra. Nosokafana indray izy io izao.
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of British Waterways
[Efajoro/Sary, pejy 15]
VAVAHADIN-DRANO SY FITAOVANA FIBATANA SAMBO
Ahoana no nataon’ireo injeniera rehefa sendra havoana ny toerana hanamboarana lakandrano? Atao mihodidina an’ilay havoana ny lakandrano ka mihalavitra ny lalana, na vakina asiana tionelina ny fanambanin’ilay havoana, na manamboatra vavahadin-drano izany hoe asiana vavahady roa mifanalavidavitra eo amin’ilay lakandrano. Hidiana ireo vavahady ireo rehefa tafiditra ao afovoany ny sambo ary fenoina rano ao mba hampiakarana an’ilay sambo, na anesorana ny rano mba hampidinana ilay sambo.
Tsy azo nampiasaina intsony anefa ny vavahadin-drano sasany, tatỳ aoriana. Izany no olana tany Ekosy. Nisy tetikasa goavana natao tany mba hampitohizana indray an’ireo lakandrano eo anelanelan’i Glasgow sy Édimbourg. Tsy azo naverina tamin’ny laoniny ireo vavahadin-drano 11 ao Falkirk, izay nampitohy ny reniranon’i Forth sy Clyde. Nanamboatra fitaovana lehibe fibatana sambo àry ny injeniera. Mirefy 35 metatra ny savaivon’izy io, ary afaka mibata sambo valo indray miaraka ny andaniny roa aminy. Ny efatra ampiakarina ho eo amin’ny lakandrano eo ambony, fa ny efatra kosa ampidinina ho eo amin’ny lakandrano eo ambany. Vita ao anatin’ny 15 minitra izany rehetra izany.
Milaza ny gazety Ny Fotoana (anglisy) fa anisan’ny “zava-bita tena mahavariana nataon’ny injeniera” izy io. Misy dobo antonona sambokely 20 mahery eo ambanin’izy io.
[Sary nahazoan-dalana]
Ambony havanana: Courtesy of British Waterways
[Efajoro/Sary, pejy 16, 17]
FITSANGANTSANGANANA NAHAFINARITRA
Efa be taona izahay mivady, ary nitsangantsangana tamin’ny sambokely vao tsy ela izay. Mangingina erỳ eny amin’ireo lakandrano. Tsy misy fiara mifamoivoy eny tsinona, sady tsy voatery mandeha mafy ny sambo. Azo alefa miadana kely ny sambo, tsy mihoatra ny dimy kilaometatra isan’ora. Manimba ny sisin’ny lakandrano mantsy ny onja raha mandeha mafy ny sambo. Afaka misongona anay àry ny olona mitondra alika mitsangantsangana eny amin’ny sisin’ny lakandrano.
Manam-potoana tsara hitazanana ny toerana mahafinaritra manodidina izahay rehefa mandeha miadana ny sambo, ary afaka miarahaba ny mpandalo mihitsy aza. Nanofa sambo tany amin’ny lakandranon’i Monmouthshire sy Brecon, any Pays de Galles, izahay mazàna. Mirefy 50 kilaometatra eo ho eo ny lakandrano any, avy eo amin’ny sisin-tanin’i Pays de Galles ka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Brecon, izay maherin’ny 886 metatra ny haavony. Mientam-po erỳ izahay rehefa miakatra na midina eo amin’ny vavahadin-drano ilay sambokely.—Jereo ny efajoro, pejy 15.
Misy izay rehetra ilaina ao amin’ny sambokely ary mahafinaritra ny ao anatiny. Misy efitra roa natao hofan’ny mpivady roa aza ny sasany, izay samy misy efitra fandroana sy kabine avy. Misy famanana efitrano koa ao, rehefa mamirifiry ny andro amin’ny hariva. Mijanona kely misakafo amin’ny hotely eny amoron-drano izahay, rehefa tsy te hahandro.
Nilamina erỳ fiainanay. Toy ny fitaratra ilay lakandrano amin’ny maraina, ka hita eo ny sarin’ireo hazo sy havoana. Tony koa ny zava-drehetra, ka heno tsara ny feom-borona. Ireo vanobe kosa mamindra moramora eo alohanay.—Lahatsoratra nisy nanome.
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of British Waterways
Ambony havanana: By kind permission of Chris & Stelle on Belle (www.railwaybraking.com/belle)
[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]
Courtesy of British Waterways