Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hanalavitra ny Asan’ny Maizina?

Nahoana Isika no Tokony Hanalavitra ny Asan’ny Maizina?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Nahoana Isika no Tokony Hanalavitra ny Asan’ny Maizina?

MANAO fety anomezam-boninahitra ny fanahy ny mponina any Myanmar, any Azia. Tena mafana ilay fety rehefa manao fampisehoana ny vehivavy roa misy tromba, izay efa nofidina mialoha. Miakatra ny mason’izy roa vavy ary mihetsiketsika sy mihovitrovitra be izy ireo.

Misy olona mifandray amin’ny fanahy antsoina hoe Changó (andriamanitry ny kotroka) any Porto Rico. Tantarainy amin’ny olona manatrika eo ny fahitana azony, ka lasa mihovitrovitra izy rehetra, toy ny hoe ipetrahan-javatra koa.

Fahita any amin’ny tany maro ny olona mifandray amin’ny fanahy. Mihamaro izao ny olona mino hoe misy ny hery miafina izay mahery lavitra noho ny olombelona, ary te hifandray amin’izy ireny izy ireo. Miely patrana koa izao ny boky, lalao, fampisehoana amin’ny televiziona, ary filma ahitana resaka demonia na filalaovana ody na fisehoan-javatra sarotra hazavaina.

Milaza anefa ny Baiboly fa mifandray amin’ny fanahy ratsy izay mandray anjara amin’ireny fanao rehetra ireny. Mampidi-doza izy ireny, fa tsy hoe kilalao mahafinaritra na fiezahana hamantatra zava-miafina fotsiny. Mifandray amin’ireo fanahy ratsy atao hoe demonia, ny olona manao izany. Tsy iza ny demonia fa ireo anjely nikomy tamin’Andriamanitra.—Apokalypsy 12:9, 12.

Misy itovizany amin’ny fomba fiasan’ny mpanjono ny fomba fiasan’ny demonia. Mampiasa jono isan-karazany ny mpanjono mba hahazoana trondro samihafa. Mampiasa fomba isan-karazany koa ny demonia mba hahatonga ny sojakin’olona samihafa ho eo ambany fahefany. Milaza ny Baiboly fa “andriamanitr’ity tontolo [ratsy] ity” ny lehiben’ireo demonia ireo. Vitan’izy io ny manajamba ny sain’ny tsy mino mba tsy hahafantaran’izy ireo ny fikasan’Andriamanitra sy ny fahamarinana ao amin’ny Teniny.—2 Korintianina 4:4.

Ny vokatry ny fanaovana asan’ny maizina

Inona no tanjon’ireo fanahy ratsy? Ny hamitaka sy handrebireby antsika mba tsy hifandraisantsika amin’ny Mpamorona. Ampirisihin’izy ireo tsy hankatò ny fitsipik’Andriamanitra ny olona, na fantany izany na tsia. Tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra noho izany ireo mifandray amin’ny fanahy ratsy. Tsy hanana fanantenana izy ireo, ary ho voaringana amin’ny farany.—Apokalypsy 21:8.

Hoy i Luis, avy any Porto Rico: “Fanao mahazatra ny fianakaviako hatramin’izaho mbola kely ny nifandray tamin’ny hery miafina, sady anisan’ny fivavahanay izany. Noheveriko ho fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fahaizako mamaky karatra sy namantatra ny hoavy. Nahay nitsatoka nomerao tamin’ny loteria aho matetika, ka afaka nanampy olona hahazo vola. Nanakana ahy tsy hianatra Baiboly izany fahaizako izany, ary nahatonga ahy tsy hifandray tamin’Andriamanitra.”—Jaona 17:3.

Maro ny olona mety hihevitra fa tsy mampaninona ny mifandray amin’ny hery miafina, ary mahasoa mihitsy aza. Mety hilaza izy ireo fa misy ny atao hoe ‘lolo tsara fanahy.’ Mety hilaza koa izy ireo hoe mahatonga ny olona hahafanta-javatra, na hanan-karena, na ho sambatra ny fifandraisana amin’ny hery miafina. Tsy marina mihitsy anefa izany. Hoy i Luis: “Tsy maintsy misy tambiny ny zava-drehetra.”

Nanomboka nahita zavatra mampahatahotra i Chad rehefa matory amin’ny alina, ary nanaitra azy tamin’ny torimasony izany. Hoy izy: “Nanafika sy nampijalijaly ahy isan’alina ny demonia.” Inona no azontsika atao mba tsy hampijalin’ny demonia toy izany?

Fomba hahazoana fiarovana

Tokony hanalavitra izay rehetra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina isika raha te ho voaro. (Galatianina 5:19-21) Izao no toromarika omen’i Jehovah Andriamanitra ny mpanompony: ‘Aoka tsy hisy mpanao fankatovana eo aminao, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany.’—Deoteronomia 18:10-12.

Nampihatra an’ireo teny ireo ny olona maro, ka voaro rehefa nanary ny bokiny na ny zavatra hafa nananany nisy ifandraisany tamin’ny herin’ny maizina. Iray tamin’ireny i Ken. Hoy izy: “Nosavako daholo ny entako, ary nopotehiko izay rehetra namofompofona herin’ny maizina.”—Jereo ny Asan’ny Apostoly 19:19, 20.

Ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, no fiarovana tsara indrindra ho antsika. Mampirisika antsika toy izao ny Jakoba 4:7, 8: “Koa maneke an’Andriamanitra ianareo, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary diovy ny fonareo, ry mpisalasala.”

Ampianarin’i Jehovah Andriamanitra sy arovany izay olona manatona azy. Lasa mahafantatra ny ‘teti-dratsin’i Satana’ izy ireo, sady tsy voafitaky ny zavatra sandoka ataony. (2 Korintianina 2:11; 11:14) I Jehovah no Mahery Indrindra. Afahany amin’ny fampijalian’ny fanahy ratsy izay olona miantso Azy amim-pinoana. Hoy i Chad: “Nony fantatro hoe ny demonia no nampijaly ahy, dia niangavy an’i Jehovah Andriamanitra aho mba hiaro ahy. Tsy nampijaly ahy intsony izy ireo taorian’izay.”—Salamo 91:1, 2.

Faly tokoa ireo olona tso-po satria mahazo ny fiarovan’Andriamanitra dieny ankehitriny. Fantany koa fa tsy ho ela dia ho ringana ireo demonia sy izay rehetra mifandray aminy. Alao sary an-tsaina ange ny fifaliana sy ny fiadanana hanjaka eto an-tany, rehefa tsy hisy intsony ny asan’ny maizina!—Isaia 11:9; Apokalypsy 22:15.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Inona avy ireo fanao tokony hohalavirin’ny Kristianina?—Deoteronomia 18:10-12; Apokalypsy 21:8.

▪ Iza no mampirisika ny olona hifandray amin’ny herin’ny maizina?—2 Korintianina 2:11; 11:14; Apokalypsy 12:9, 12.

▪ Ahoana no ahafahantsika miaro tena amin’ny fanahy ratsy?—Jakoba 4:7, 8.

[Sary, pejy 10]

Misy itovizany amin’ny fomba fiasan’ny mpanjono ny fomba fiasan’ny demonia