Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sakafo Mafilotry ny Tailandey

Sakafo Mafilotry ny Tailandey

Sakafo Mafilotry ny Tailandey

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MALEZIA

REHEFA mandeha eny amin’ny araben’i Bangkok, any Tailandy ianao, dia mety handre fofona manentohento mampitelin-drora. Misy mpivarotra sakafo tailandey mantsy ny sisin-dalana. Rehefa mandre an’ilay fofona manentohento ianao, ary mahita ny lokon’ilay sakafo mampilendalenda, dia mety ho te hanandrana azy io.

Matsiro erỳ ny sakafon’ny Tailandey satria hain’izy ireo ny mampifangaro ny zava-manitra, sy ny vodin-javamaniry, ny zava-maitso, ary ny voamadinika. Mifangaro ao ny mamy, ny marikivy, ny masira, ny mangidy ary ny masiatsiaka, ka lasa mampitelin-drora ny fofony ary tsy aritrao ny tsy hanandrana azy. Nahoana ny Tailandey no manana sakafo hafakely toy izany? Mamaly izany ny zava-nisy fahiny.

Tsiron-tsakafon’ny firenena maro

Toerana fandalovan’ny olona mivezivezy any Azia i Tailandy. Nandritra ny taonjato maro, dia nandalo tao ny Sinoa, ny Laosianina, ny Kambôdzianina, ny Indonezianina, ary ny Eoropeanina. Nanorim-ponenana tao mihitsy aza ny sasany. Samy nitondra ny sakafo mampiavaka ny taniny izy ireny, ary tavela tao Tailandy ireny fomba fahandro ireny.

Nampianarin’ny Karàna hampiasa karia tamin’ny sakafo ny Tailandey, fahiny ela be. Nitondra sakay koa ny Portogey tamin’ny taonjato faha-16, ary nety ho nitondra voatabiha koa. Be fangarony ny sakafon’ny Tailandey ankehitriny, ary misy tsiro isan-karazany. Misy sakay mavo sy maitso ary mena ny ankamaroan’izy ireny, ary asiana saosy karia mitovy loko aminy. Io fifangaroan’ny sakay sy karia io no tena mampiavaka ny sakafo any Azia.

Sakafo sy tsiro isan-karazany

Vary fotsy, lasopy, laoka nendasina, lasary, saosy, ary sakafo misy karia, no hanin’ny Tailandey rehefa misakafo. Tsindrin-tsakafo vita tamin’ny siramamy sy atody no hanina avy eo. Ataon’izy ireo tsindrin-tsakafo koa ny nofom-boaniho sy ny ranony.

Tsara ny sakafo rehefa vaovao. Vaovao ny ankamaroan’ny sakafo amidy eny an-tsena any Tailandy, anisan’izany ny voankazo, legioma, trondro, ny zavatra mampahatsiro sakafo toy ny veromanitra, kotomila, tongolo lay, sakamalao, voamadilo, ary komina. Be dia be koa ny sakay sy ny voasarimakirana, izay tena ampiasaina betsaka amin’ny sakafon’ny Tailandey.

Raha mitsidika an’i Tailandy ianao, na te hanandrana sakafo tailandey, dia andramo ny lasopy tom yam goong. Lasopy vita amin’ny patsabe izy io, izay sady masiatsiaka no marikivy. Io no sakafo tena mampiavaka ny Tailandey. Azonao andramana koa ny lasary papay masiatsiaka. Eo koa ny paty madinika kely nampiarahina tamin’ny henan’akoho na gana natsatsika, na poti-kenan-kisoa, na trondro avy nalona. Ao koa ny sakafo atao hoe ma ho, midika hoe “soavaly mikatrokatroka.” Henan-kisoa sy makamba ary voanjo, natao teo ambony mananasy izy io, ary norarahana sakay mena sy kotomila. Andramo ity tsindrin-tsakafo ity aorian’izay: vary malemy sy ranom-boaniho ary manga.

Ahoana no fomba fihinanana ny sakafon’ny Tailandey? Azonao tahafina izao fanao mahazatra azy ireo izao: Volavolaina amin’ny tanana ny vary, dia atsoboka ao anaty saosy, avy eo arapaka haingana any am-bava. Afaka mampiasa hazokely fihinanana koa ianao rehefa mihinana paty. Raha manahirana anao ny mampiasa hazokely dia afaka mampiasa sotro sy forsety ianao.

Nampilendalenda anao ve ny sakafon’ny Tailandey teo? Fantatrao izao ny sakafo mafilotra any amin’io firenena kanto io, ka mety haniry hahalala bebe kokoa momba ny sakafon’ny Aziatika ianao.

[Sary, pejy 23]

1 Lasopy tom yam goong

2 Paty madinika miaraka amin’ny poti-kenan-kisoa sy patsabe

3 Lasary papay masiatsiaka

4 Ma ho

5 Vary malemy sy ranom-boaniho ary manga