Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Tena betsaka ny ranomandry nitsonika [tany amin’ny Tendrontany Avaratra] tamin’ny [2007]. Be lavitra noho ny hatramin’izay mihitsy izany.”—MARK SERREZE, FOIBEM-PIKAROHANA MOMBA NY LANEZY SY RANOMANDRY, ETAZONIA.

Tombanan’ny mpanao fikarohana fa ‘raha mandany harena voajanahary toy ny an’ny Amerikanina ny mponina eran-tany, dia mila ampitomboina avo dimy heny ny tany manontolo, vao ho ampy. Raha toy ny an’ny Espaniola sy Frantsay ary Anglisy indray, dia avo telo heny. Roa sy tapany kosa, raha toy ny an’ny Alemà sy Japoney.’—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, GRANDE-BRETAGNE.

Vao Mainka Mankarary

“Vao mainka mety hahazo aretina ny ankamaroan’ny marary, raha ampidirana ra notehirizina”, hoy ny tatitra avy amin’ny Foibe Ara-pitsaboan’ny Oniversite Duke, any Durham, Etazonia. Hita tamin’ny fandinihana fa betsaka kokoa no lasa “marary fo, na tapaka lalan-dra, na maty mihitsy”, rehefa nampidiran-dra. Nahoana? Satria “miova ho zavatra hafa avy hatrany ny oksidana azota ao anatin’ny liomena, raha vao miala amin’ny vatana ny ra.” Tena ilaina anefa ny oksidana azota satria mampisokatra ny lalan-dra, mba hahafahan’ny liomena hitatitra oksizenina eran’ny vatana. “Marary an-tapitrisany no ampidirana ra efa tsy afaka mitondra oksizenina intsony”, hoy ilay tatitra.

Andevozin’ny Tele

Tsy navela hanana tele mihitsy ny mponina tao amin’ny fanjakana kelin’i Bhoutan any Himalaya, nandritra ny am-polony taona. Maro anefa no nitaraina satria tsy mba nahita ny Amboara Eran-tanin’ny Baolina Kitra, tamin’ny 1998. Navelan’ny fitondrana hisy tele àry tany, tamin’ny 1999. Milaza ny tatitra iray fa efa 40 izao ny foibena fahitalavitra misy any, ary lasa andevozin’ny filma amerikanina sy ny tantara mitohy karàna ny olona. Tsy miara-mipetrapetraka sy mihira ary miresaka toy ny taloha intsony ny fianakaviana, fa lasa miara-mijery tele. Mitaraina ny vehivavy iray fa tsy manam-potoana hanaovan-javatra hafa intsony izy, eny fa na dia ny hivavahana aza. Hoy izy: ‘Efa miezaka mifantoka amin’ny vavaka aho, fa lasa any amin’ny tele foana ny saiko.’ Hoy ny gazety The Peninsula any Quatar: “Maro no manahy satria lasa mividy zavatra tsy ilaina ny mponin’i Bhoutan, toy ny ataon’ireo olona any amin’ny tany mandroso. ‘Te hividy zavatra tsy takatry ny volany izy ireo, vokatry ny tele sy ny dokam-barotra.’ ”

Mpiasa Voahelingelina

Hoy ny gazety New Scientist: “Tsy mahavita asa mihitsy indraindray ny mpiasa birao, satria misy antso an-telefaonina sy olona tonga foana.” Hitan’ny mpikaroka fa vao miasa telo minitra eo ho eo ny mpiasa sasany, dia misy manelingelina. Misy aza very adiny roa mihitsy isan’andro. Mampiasa programan’ordinatera àry ny mpiasa birao sasany, mba hahitana izay tena maika amin’ireny fanelingelenana ireny. Ireto misy torohevitra azo ampiharina: ‘Tsory hoe tsy manam-potoana mihitsy ianao, na iray minitra aza. Piho ny telefaonina sy ny fandraisana hafatra amin’ny ordinatera, mandra-pahavitan’ny asa.’