Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Afaka Miantoka ny Hoavin’ny Tany?

Iza no Afaka Miantoka ny Hoavin’ny Tany?

Iza no Afaka Miantoka ny Hoavin’ny Tany?

“NY FIAKARAN’NY MARI-PANA no olana lehibe indrindra natrehin’ny olombelona hatramin’izao”, hoy ny Vaovao Momba ny Tany (anglisy), Oktobra 2007. Milaza ilay gazety fa raha tiantsika hovahana io olana io, dia mila “manao zavatra avy hatrany isika sady mampiseho fahamatorana, izay tsy hita taratra loatra hatramin’izay.”

Hampiseho fahamatorana tokoa ve ny olombelona? Misy antony maro manakana izany: ny tsy firaikana, ny fikatsahana harena bebe kokoa, ny tsy fahalalana, ny fiarovana tombontsoa, ary ny faniriana hanan-karena manjaka any amin’ny tany mahantra. Eo koa ireo olona an-tapitrisany tsy te hiala amin’ny fomba fiainany, izay mandany angovo be dia be.

Marina ny tenin’ny mpaminanin’Andriamanitra fahiny, izay mampiseho fa tsy haintsika ny mandamina olana mifandray amin’ny fitondran-tena sy ny fiaraha-monina ary ny fitondrana. Hoy izy: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23) Manamarina izany ny loza maro efa nitranga. Marina fa misy fandrosoana miavaka eo amin’ny lafiny ara-tsiansa sy teknolojia ankehitriny. Mandrahona antsika ihany anefa ny loza, izay tsy noeritreretina hisy akory taloha. Koa ahoana moa no ahazoantsika antoka fa ho tsara kokoa ny hoavy?

Betsaka ny resaka natao hamahana ny olana momba ny fiovan’ny toetrandro sy ny zavatra hafa manimba. Tsy dia nisy zava-bita anefa. Inona, ohatra, no nataon’ireo firenena tamin’ny 2007, rehefa azon’ny sambo naleha ny ranomasina mampitohy ny Ranomasina Pasifika sy Atlantika? Hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy): “Nanao izay tsy mahamendrika izy ireo, satria maika erỳ nilaza ho tompon’ilay faritra vao nipoitra, mba hitrandrahany solika sy hahazoany gazy bebe kokoa.”

Efa ho roa arivo taona lasa izay ny Baiboly no nilaza fa ‘hanimba ny tany’ ny olona, amin’ny farany. (Apokalypsy 11:18) Zavatra roa àry no ilain’ity tontolo ity: Mpitondra hendry sy manana ny hery hahatongavana amin’ny tanjona irina, ary vahoaka mankatò azy. Misy mpanao politika, na mpahay siansa tso-po sy mahay ve, afaka hiantsoroka izany andraikitra izany? Mamaly ny Baiboly hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.”—Salamo 146:3.

Tsy misy ahina ny hoavin’ny tany!

Mpitondra iray ihany no afaka mamaha ny olana mianjady amin’ity tontolo ity. Hoy ny Baiboly momba azy: “Ny Fanahin’i Jehovah [Andriamanitra] hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah ... Hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo ... ary ny fofonain’ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.”—Isaia 11:2-5.

Iza io Mpitondra io? Tsy iza fa i Jesosy Kristy, izay nampiseho fitiavana ka nahafoy ny ainy ho antsika. (Jaona 3:16) Fanahy mahery izy ankehitriny, ary nahazo alalana sy hery avy amin’Andriamanitra mba hitondra ny tany.—Daniela 7:13, 14; Apokalypsy 11:15.

Mahafeno fepetra amin’izany andraikitra izany koa izy, noho izy mahalala tsara ny zavaboarin’Andriamanitra. Talohan’ny nahatongavany teto an-tany mantsy, dia nampiasa azy ho “mpità-marika” na mpiasa tena mahay Andriamanitra, rehefa namorona an’izao rehetra izao. (Ohabolana 8:22-31) Eritrereto hoe ilay nanampy tamin’ny famoronana ny tany sy ny zavamiaina rehetra mihitsy no hitarika ny fanamboarana ny simba vokatry ny hadalan’ny olona!

Iza no ho vahoakan’i Kristy? Tsy iza fa ireo tena mpandefitra sady olo-marina. Mahalala an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izy ireo sady mankatò an’i Jesosy Kristy. (Salamo 37:11, 29; 2 Tesalonianina 1:7, 8) Nilaza i Jesosy fa ireo olona ireo “no handova ny tany”, izay ho lasa paradisa.—Matio 5:5; Isaia 11:6-9; Lioka 23:43.

Inona no azonao atao, raha irinao ny handray anjara amin’ny fanatanterahana izany fampanantenan’ny Baiboly izany? I Jesosy mihitsy no mamaly hoe: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Toa tandindomin-doza tokoa ny tany. Azo antoka anefa fa mbola ho eo mandrakizay io fonenan’ny olona io. Ho ringana kosa izay tsy mety manaja ny zavaboarin’Andriamanitra sy tsy mankatò an’i Jesosy Kristy. Mampirisika anao àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba handray ilay fahalalana hahazoana fiainana mandrakizay.

[Efajoro, pejy 8]

TSY HO VOALAMIN’NY SIANSA IZANY

Olona an-tapitrisany no manimba ny sainy sy ny vatany, satria mampiasa zava-mahadomelina sy mimamo ary mifoka sigara, na dia fantany tsara aza ny mety ho vokatr’izany. Aminy dia tsy fanomezana masina avy amin’Andriamanitra ny fiainana. (Salamo 36:9; 2 Korintianina 7:1) Mampalahelo fa tsy mihevitra ny tany ho fanomezan’Andriamanitra koa ny olona maro, ka lasa manimba ny tontolo iainana.

Inona àry no vahaolana? Ny siansa sy ny fianarana ve? Tsy dia izany loatra. Ilay voalaza etsy aloha no tena fototry ny olana. Noho izany, dia ny fampitomboana ny fahalalana an’Andriamanitra no vahaolana. Miaiky ny fahamarinan’izany ny Baiboly. Izany no antony ilazany fa “tsy handratra na hanimba” ny tany intsony ny olona, rehefa “ho henika ny fahalalana an’i Jehovah [ny tany], tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:9.

[Sary, pejy 8, 9]

Hanova ny tany manontolo ho paradisa ny olo-marina eo ambany fitondran’i Kristy