Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hampiasa Sary Masina ve Isika?

Tokony Hampiasa Sary Masina ve Isika?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tokony Hampiasa Sary Masina ve Isika?

“Nampianarina ahy fa lasa mahatsiaro ho akaiky kokoa an’Andriamanitra aho rehefa mampiasa sary masina.”—Mack.

“Feno sary masina tao an-tranonay. Nino izahay fa nahafaly an’Andriamanitra izany.”—Herta.

“Niankohoka tamin’ny sary masina izahay. Tsy noeritreretinay mihitsy hoe ahoana no fiheveran’Andriamanitra an’izany.”—Sandra.

MIOMBON-KEVITRA amin’izy ireo ve ianao? Maro no mino fa manampy azy hivavaka amin’Andriamanitra ny sary masina. Mitombina ve izany? Ary ahoana ny hevitr’Andriamanitra? Andeha hodinihintsika izay lazain’ny Teniny, dia ny Baiboly Masina.

Ny hevitr’Andriamanitra

Zavatra hita maso ampiasain’ny olona hivavahana na ankamasininy na hajainy fatratra ny sary masina, toy izany koa ny sampy. Ampiasaina amin’izany, ohatra, ny lakroa, sarivongana, sary, ary ny sarin’ny zavatra eny amin’ny lanitra sy etỳ an-tany. * Hajain’ny olona fatratra koa ny sainam-pirenena.

Efa an’arivony taona ny olona no nivavaka tamin’ny sary. Nolazain’Andriamanitra mazava tsara àry ny heviny momba an’ireny sary ireny, rehefa nanome ny Didy Folo ho an’ny firenen’ny Israely izy tamin’ny 1513 T.K., fony io firenena io vao niforona. Hoy izy: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro.”—Eksodosy 20:4, 5.

Mariho fa zavatra roa no nandraran’Andriamanitra teo: Tsy tokony hanao sarin-javatra hivavahana ny vahoakany, ary tsy tokony ‘hiankohoka’ na hanompo azy ireny. Nahoana ny Mpamorona antsika no mandrara ny fanaovana sary masina? Satria “tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” Tsy hita maso i Jehovah fa fanahy, ary any an-danitra izy no mipetraka. (Jaona 1:18; 4:24) Tsy tokony hanao sarin-javatra koa isika satria “saro-piaro” Andriamanitra. Hoy izy: “Ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.” (Isaia 42:8) Tsy mety àry ny manamboatra sary mba hanampy antsika rehefa mivavaka. Tezitra mafy i Jehovah rehefa nanao toy izany i Arona, anisan’ny mpitarika ny Israelita.—Eksodosy 32:4-10.

“Aza miankohoka eo anatrehany”

Hoy ny Baiboly momba ny sampy: “Manam-bava izy, fa tsy miteny; mana-maso izy, fa tsy mahita; manan-tsofina izy, fa tsy mandre.” Nampitandrina toy izao izy io avy eo: “Ho tahaka azy izay manao azy”, izany hoe ho lasa tsy mananaina toa azy.—Salamo 115:4-8.

Tsy rariny koa ny ataon’ireo mivavaka amin’ny sary. Diniho ange izao e! Hanao ahoana ny fihetseham-ponao raha nanome zavatra lafo vidy an-janakao ianao, nefa tsy ianao no isaorany fa olon-tsy fantatra na zavatra tsy mananaina? Mety hanampy anao hahatakatra ny fihetseham-pon’ilay Mpamorona sy Mpanome Aina antsika izany. Matetika mantsy no zavatra tsy mananaina na zavatra hafa no isaorana sy ivavahana, fa tsy Izy.—Apokalypsy 4:11.

Natao toy ny endrik’Andriamanitra koa isika olombelona, ka manambany antsika ny fankamasinana zavatra tsy mananaina. (Genesisy 1:27) Hoy i Isaia mpaminany momba izany: ‘Eo anatrehan’ny asan’ny tanany no iankohofany, dia izay nataon’ny rantsantanany; koa [lasa ambany] ny olona, ary hietry izy,—ary aza mamela ny helony [Jehovah Andriamanitra ô]!’—Isaia 2:8, 9.

Mahatezitra an’Andriamanitra koa ny fivavahan-diso, satria raha ny marina izy ireny dia fivavahana amin’ny demonia fahavalony. Rehefa niala tamin’i Jehovah ny Israelita ary nanompo sampy, dia “namono zavatra ho fanatitra ho an’ny demonia” fa tsy ho an’Andriamanitra.—Deoteronomia 32:17.

Nankamasina sary masina, na nampiasa azy ireny, ve ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy tamin’ny taonjato voalohany? Tsia! Hoy ny apostoly Jaona: “Ry zanako malalako, mitandrema tena amin’ny sampy.” (1 Jaona 5:21) Hoy ny boky Tantaran’ny Fiangonana Voalohany Hatramin’ny Nahafatesan’i Constantin (anglisy): “Ny fivavahana tamin’ny sary angamba no zavatra naharikoriko indrindra an’ireo mpianatra voalohany.”

Fomba fivavaka mety

Hoy i Jesosy: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona toy izany tokoa no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy.” (Jaona 4:23) Tian’Andriamanitra hahafantatra azy isika, anisan’izany ny zavatra tiany sy tsy tiany, ny fitsipiny, ary ny fikasany momba antsika. (Jaona 17:3) Izany no nahatonga azy hampanoratra ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Ankoatra izany, dia “tsy lavitra antsika tsirairay” Andriamanitra, ka afaka mivavaka aminy foana isika na rahoviana na rahoviana, na aiza na aiza, ary tsy mila ny fanampian’ny sary masina.—Asan’ny Apostoly 17:27.

Hoy i Sandra, ilay voalaza terỳ aloha: “Tsy nahita sary masina mihitsy aho rehefa nankany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nasehon’ireo Vavolombelona ahy tao amin’ny Baiboly ny toetran’Andriamanitra sy ny zavatra takiny. Nianarako tamin’izany ny fomba fivavaka henoin’Andriamanitra. Mahafantatra ny marina momba ny Mpamorona aho izao, ary mifandray akaiky aminy.” Niaiky i Sandra fa mamelombelona sy manafaka, ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (Jaona 8:32) Afaka ny ho toa azy koa ianao!

[Fanamarihana ambany pejy]

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Nahoana isika no tsy tokony hampiasa sary masina?—Salamo 115:4-8; 1 Jaona 5:21.

▪ Ahoana no fomba tokony hivavahana amin’ilay tena Andriamanitra?—Jaona 4:24.

▪ Ahoana no hahafantaranao ny marina momba an’Andriamanitra, ary inona no soa ho azonao avy amin’izany?—Jaona 8:32; 17:3.