Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
▪ Tamin’ny 2007, dia Sinoa 47 tapitrisa teo ho eo no tsy ampy rano fisotro, noho ny hain-tany. Io no hain-tany mafy indrindra tao anatin’ny folo taona. Ny 42 tapitrisa kosa tratran’ny rivo-doza, ary ny 180 tapitrisa tratran’ny tondra-drano.—XINHUA NEWS AGENCY, CHINE.
▪ “Tamin’ny 2003, dia [vehivavy] iray isaky ny dimy no nanala zaza eran-tany, ka iray isaky ny telo teo ho eo ny tany Eoropa. Tany amin’ireo firenena anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha kosa, dia 45 isan-jaton’ny vehivavy bevohoka no nanala zaza.”—BRITISH MEDICAL JOURNAL, GRANDE-BRETAGNE.
Lalao Video Feno Herisetra any Am-piangonana
Hoy ny gazety The New York Times: “Te hampirisika mafy ny tanora mba hiangona ny mpitondra fivavahana sy pasitera an-jatony, ka mampiasa lalao video be mpitia, nefa feno herisetra, mba hisarihana azy ireo. Tsy mahazatra izany fomba izany, ka manahy ny olona sady manakiana.” Lalao video ho an’ny olon-dehibe izy io. Mitana ny toeran’ny miaramila iray ny mpilalao, ary tsy maintsy mamono olona amin’ny fomba maro. Tsy voasakan’ilay fanakianana anefa ireo lehiben’ny fikambanana tanora protestanta sy evanjelika. “Nofenoiny milina fanaovana an’io lalao io ny trano fiangonana. Tanora maro àry no afaka milalao eo amin’ireo tele lehibe, ka mandray anjara amin’ny fifampitifirana”, hoy ihany ilay gazety.
Ampiasaina Hisandohana ny Anaran’ny Ankizy
Milaza ny gazety The Wall Street Journal, fa mihamaro izao ny olona mampiasa ny anaran’ny ankizy sy ny mombamomba azy mba hisandohana. Ratsy be ny vokatr’izany eo amin’ny hoavin’ilay ankizy, satria mety tsy ho afaka hindram-bola izy sady ho simba ny fifandraisany amin’olona. Havan’ilay ankizy ihany mazàna no mahavita izany heloka izany, ary tsy tratra raha tsy am-polony taona atỳ aoriana. Hoy ihany ilay gazety: “Tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona hoe nisy nangalatra nampiasa ny anarany sy ny mombamomba azy, ... raha tsy efa mangataka asa na vatsim-pianarana izy, na maka fahazoan-dalana hamily fiara, na mitrosa hividianan-trano.” Misy ihany anefa ny mahafantatra izany aloha kokoa, rehefa mitaky trosa amin’ny anarany ny orinasa mpampindram-bola.
Baomba Niokleary Diso Toerana
Nanidina nandritra ny adiny telo sy sasany teo amin’ny habakabak’i Etazonia ny fiaramanidina B-52, mpanjera baomban’ny tafika amerikanina, tamin’ny 30 Aogositra 2007. Nilaza ny gazety The Washington Post fa “nitondra tsy nahy” bala afomanga enina misy baomba niokleary ilay izy, “teo ambany elany.” “Nandritra ny 36 ora be izao [anefa], dia tsy nisy nahamarika” an’ilay fahadisoana, na ny mpanamory na ny mpiasa nametaka ireo bala afomanga. Araka ny tatitra, dia “nilaza ny lehiben’ny Tafika Ana Habakabaka fa tsy nifahana ireo baomba ireo, ka tsy natahorana hampidi-doza ny vahoaka mihitsy.” Hoy anefa ny mpilaza vaovao iray: “Izany kosa ve dia tsy hampatahotra e?”
Ijerena ny Fahalotoan’ny Rivotra ny Voromailala
Nilaza ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Rajasthan, any amin’ny faritra avaratr’i Inde, fa azo ampiasaina hijerena ny fahalotoan’ny rivotra ny voromailala. Izany no vokatry ny fandinihana ireo voromailala tao amin’ny tanànan’i Jaipur. Manazava izany ny gazetiboky Down to Earth, any New Delhi, ao amin’ny takelaka fanampiny hoe Gobar Times. Hoy izy io: “Miditra ao amin’ny volon’ireo vorona ny metaly mavesatra eny amin’ny rivotra ary mijanona ao, na dia efa mihintsana aza [ireo volo].” Miaina eo amin’ny faritra iray foana ny voromailala, ka mety ho hita avy amin’ny fandinihana ny volony ny fahalotoan’ny rivotra eo amin’ny misy azy. Hita ao, ohatra, ny fatran’ny firamainty, kadmiôma, krôma, ary varahina.