Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena ho Velona Indray ny Maty!

Tena ho Velona Indray ny Maty!

 Tena ho Velona Indray ny Maty!

“NILAZA foana i Neny hoe tsy maintsy maty ny olona.” Izany no tenin’ny tovolahy iray, tao amin’ny filma iray efa ela. Nijoro teo akaikin’ny fasan’ny havany izy tamin’io. Hoy izy avy eo: “Raha mba tsy maty mihitsy mantsy ny olona...”

Izany daholo no fanirian’ny olona efa nidonam-pahoriana. Fahavalo mahatsiravina tokoa ny fahafatesana! Mampanantena anefa Andriamanitra hoe: “Hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.” (1 Korintianina 15:26) Fa nahoana anefa aloha isika no maty? Tokony ho afaka ny ho velona mandrakizay mantsy isika, raha ny atidohantsika fotsiny no jerena. Ary ahoana no hanafoanana ny fahafatesana?

 Nahoana isika no mihantitra sy maty?

Hoy ny Baiboly momba an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona: ‘Tonga lafatra izay ataony.’ (Deoteronomia 32:4; Salamo 83:18) Tonga lafatra i Adama, ilay olona noforoniny voalohany, ka ho afaka niaina mandrakizay tao amin’ilay Paradisa nametrahany azy. (Genesisy 2:7-9) Nahoana anefa izy no voaroaka tao, ary nihantitra sy maty?

Nisy voankazo tsy navela hohaniny. Efa nolazain’Andriamanitra ny sazy hahazo azy, raha mihinana azy io izy. Hoy Andriamanitra: “Ho faty tokoa ianao.” (Genesisy 2:16, 17) Tsy nankatò anefa izy sy Eva vadiny, ka voaroaka tao Edena. Nahoana izy ireo no noroahina avy hatrany? Hoy ny Baiboly: ‘Sao hanatsotra ny tanany [i Adama] ka haka amin’ny voan’ny hazon’aina, dia hihinana izany ka ho velona [mandrakizay].’—Genesisy 3:1-6, 22.

Tsy nankatò izy mivady ka maty. Nahoana anefa no mihantitra sy maty daholo koa ny taranany? Satria nandova ota tamin’i Adama. Ny ota no mahatonga antsika tsy ho lavorary sy ho faty. Hoy ny Baiboly: ‘Niditra avy tamin’ny olona iray [Adama] ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’—Romanina 5:12.

Ho velona indray ny maty

Hofoanana ny fahafatesana”, araka ny efa hitantsika, ka tsy hisy intsony! (1 Korintianina 15:26) Amin’ny fomba ahoana anefa? Hoy ny Baiboly: ‘Ambara ho marina ho amin’ny fiainana ny karazan’olona rehetra, noho ny asa fanamarinana iray.’ (Romanina 5:18) Ahoana àry no hahatonga ny olona ho marina eo anatrehan’Andriamanitra, ka ho velona mandrakizay?

Misy zavatra nataon’Andriamanitra mba hanafoanana ny ota. Hoy ny Baiboly: ‘Fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika no fanomezana omen’Andriamanitra.’ (Romanina 6:23) Hoy koa i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra [ny olona], ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

Eritrereto ange ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy antsika e! Nijaly be i Jesosy mba hamonjena antsika. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Ny Zanak’Andriamanitra efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.’ (Galatianina 2:20) Nahoana anefa no i Jesosy irery no afaka ‘nanome ny ainy ho vidim-panavotana’, mba hamonjena antsika amin’ny vokatry ny ota?—Matio 20:28.

I Jesosy irery no afaka nanao izany, satria izy ihany no olona tsy nandova ota tamin’i Adama. Fa nahoana? Andriamanitra mihitsy no nanao fahagagana, ka namindra ny ainy avy tany an-danitra ho ao an-kibon’i Maria, tovovavy virjiny. Nisy anjely nilaza tamin’i Maria àry hoe “masina, Zanak’Andriamanitra” ilay zanany. (Lioka 1:34, 35) Izany no antony iantsoana an’i Jesosy hoe “Adama farany.” Tsy nandova ota tamin’ilay “Adama voalohany” izy. (1 Korintianina 15:45) Tsy nanota i Jesosy, ka afaka nanolotra ny tenany ho  “vidim-panavotana mifandanja.” Nifandanja na nitovy tamin’ilay vatana lavorary nananan’i Adama tamin’ny mbola tsy nanota mantsy ny vatany.—1 Timoty 2:6.

Nataon’Andriamanitra àry izay hahazoantsika indray ilay zavatra nafoin’ilay Adama voalohany, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Tsy maintsy hatsangana anefa ny olona an-tapitrisany efa maty, vao hahazo an’io fitahiana io. Tena mampahery izany, nefa sarotra inoana ve?

Inona no porofo fa hatsangana ny maty?

Tena sarotra inoana ve hoe i Jehovah Andriamanitra, izay nahavita namorona ny olona, dia tsy hahavita hamelona azy ireo indray? Diniho fotsiny ny fiterahana. Nataon’Andriamanitra izay hahatonga an’ilay vehivavy voalohany hitoe-jaza. “Nanao firaisana tamin’i Eva” i Adama, ka bevohoka i Eva. Niteraka izy, sivy volana tatỳ aoriana, ary olona toa azy mivady ihany no naterany. (Genesisy 4:1) Mbola heverina ho fahagagana hatramin’izao ny niforonan’ilay zaza tao an-kibon’i Eva, satria mbola tsy tena fantatra!—Salamo 139:13-16.

Na izany aza, dia tsy heverin’ny olona ho zavatra sarotra inoana ny fiterahana, satria ana hetsiny isan’andro ny zaza teraka. Mbola maro kosa anefa no tsy mino hoe azo velomina indray ny maty. Tsy vao izao ny olona no tsy nino an’izany. Nisy zazavavy maty, ohatra, tamin’i Jesosy teto an-tany. Nilaza tamin’ireo mana-manjo i Jesosy hoe matory fotsiny ilay zaza. “Nihomehezan’ireo” anefa izy, satria fantatr’izy ireo fa tena maty ilay zaza. Hoy àry i Jesosy tamin’ilay maty: “ ‘Miarena!’ Dia niarina avy hatrany razazavavy ka nanomboka nandeha. Raha vao nahita izany ny [olona teo], dia faly tsy nisy hoatr’izany.”—Marka 5:39-43; Lioka 8:51-56.

Rehefa nasain’i Jesosy nosokafana koa ny fasan’i Lazarosy namany, dia tsy nety i Marta anabavin’i Lazarosy. Hoy i Marta: “Tsy maintsy maimbo izy izao, satria efa efatra andro izay.” Natsangan’i Jesosy anefa io namany io, ary faly be ny olona! (Jaona 11:38-44) Maro no nahita ny fahagagana nataon’i Jesosy. Tamin’i Jaona Mpanao Batisa nigadra, ohatra, dia notantarain’ny mpianany taminy izany. Hoy izy ireo: ‘Atsangany ny maty.’—Lioka 7:22.

Ny tena fiainana

Nahoana i Jesosy no nanangana ny maty, nefa mbola narary sy maty indray ireny olona ireny tatỳ aoriana? Satria tiany hoporofoina fa azo averina indray ilay zavatra nafoin’i Adama, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Ary tena hisy izany. Noporofoiny koa fa hisy olona an-tapitrisany “handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29.

Afaka ny hiaina mandrakizay koa isika, raha ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra’ foana. Milaza ny Baiboly fa “misy fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy”, ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Antsoina koa hoe “tena fiainana” io fiainana “ho avy” io.—1 Timoty 4:8; 6:19.

Hanao ahoana anefa izany tena fiainana izany, dia ilay fiainana ho avy ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana?

[Sary, pejy 6]

“Faly tsy nisy hoatr’izany” izy ireo