Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Maninona Aho no Tsy Maintsy Mody Aloha?

Fa Maninona Aho no Tsy Maintsy Mody Aloha?

Manontany ny Tanora Hoe...

Fa Maninona Aho no Tsy Maintsy Mody Aloha?

Tara ianao vao tonga, avy niaraka tamin’ny namanao. Efa dila ny ora tokony hodianao. Misalasala ianao hiditra ny trano, satria matahotra an’ireo ray aman-dreninao. Mieritreritra ianao hoe: ‘Tsy efa matory ve izay ry zareo?’ Miditra moramora àry ianao. Indreo anefa izy mivady, mijery famantaranandro sady miandry izay holazainao!

EFA mpahazo anao ve izany? Tsy mitovy hevitra ve ianao sy ny ray aman-dreninao, momba ny ora tokony hodianao? Hoy i Domoina, 17 taona: ‘Tsy misy atahorana loatra eny aminay, nefa raha vao mody alinalina aho dia tsy mahatombina mihitsy i Dada sy Neny.’ *

Nahoana no sarotra ny manaja ny ora fodiana? Diso ve ianao raha mba te hody taratara? Ahoana raha bedy ianao raha vao tara kely?

Nahoana no mahasosotra ilay izy?

Mety hahatsiaro ho voafehifehy be ianao, indrindra raha lasa voafetra ny fiarahanao amin’ny namanao. Hoy i Natacha, 17 taona: “Mahasosotra be ilay izy! Indray mandeha aho niara-nijery filma tamin’ny namako, teny akaikinay. Efa fantatr’i Dada sy Neny izany, nefa vao tara roa minitra fotsiny aho dia nitelefaonina ahy ry zareo!”

Miresaka olana hafa koa i Sahoby. Hoy izy: ‘Tsy maintsy mody aho alohan’ny hatorian’i Dada sy Neny. Kizitina be ry zareo raha voatery miandry ahy. Teniteneniny eo aho, avy eo. Tsy tiako maizina ilay izy! Maninona àry ry zareo raha tonga dia matory? Tsy azoko mihitsy.’ Izany no nahatonga an’i Katie, 18 taona, hilaza hoe: “Tokony mba tsy hofehezin’i Dada sy Neny loatra aho. Raha tsy izany mantsy dia mitady fomba hialana foana aho.”

Sosotra koa ve ianao rehefa asaina mody aloha? Raha izany dia eritrereto izao:

Inona no itiavako mandehandeha? (Mifidiana iray.)

□ Amin’izay aho mba mahatsiaro ho mahaleo tena.

□ Amin’izay mba milamindamina ny saiko.

□ Amin’izay aho mba miaraka amin’ny namako.

Tsy misy maharatsy an’ireo. Ara-dalàna raha te hahaleo tena ianao rehefa mihalehibe, ary tsara ny miova kely amin’ny mahazatra. Mampirisika anao koa ny Baiboly mba hitady namana tsara. (Salamo 119:63; 2 Timoty 2:22) Ho sarotra ihany izany raha mijanona ao an-trano foana ianao!

Ahoana anefa raha aloha loatra aminao ny ora tokony hodianao? Diniho ireto.

Olana #1: Hoatran’ny hoe zazakely ianao. Hoy i Anja, 21 taona: “Hoatran’ireny ankizikely ireny aho taloha. Ny olona mantsy mbola nanao fety, nefa izaho tsy maintsy niala aloha be ary nitady olona hanatitra!”

Inona no azonao atao? Any amin’ny tany sasany, ohatra, dia mahazo maka fahazoan-dalana hamily fiara ny tanora. Tsy maintsy miaraka amin’olon-dehibe anefa izy, ary amin’ny fotoana sy toerana sasany ihany no mahazo mitondra fiara, mandra-pahafeno taonany. Tsy haka an’ilay fahazoan-dalana ve ianao, satria hoe mbola voafehifehy? Azo antoka aza fa ho faly be mihitsy ianao satria efa mahazo mitondra fiara!

Toy izany koa ny ora fodiana. Efa azo lazaina hoe lehibe ianao matoa mahazo mandehandeha, na dia mbola voafetra ihany aza. Ny fotoana azonao ivoahana àry ifantohana, fa tsy ny fotoana hodianao. Tsy ekenao koa ve fa be kokoa izao ny zavatra azonao atao, noho ny tamin’ny ianao mbola kely?

Nahoana izany no tsara? Tsy ho sosotra loatra ianao, raha hararaotinao tsara ny fotoana azonao ivoahana. Hajao àry ny ora fodianao, dia tsy ho sarotiny loatra aminao ny ray aman-dreninao.—Lioka 16:10.

Olana #2: Tsy azonao mihitsy hoe maninona ianao no tsy maintsy mody aloha be. Izany no tsapan’i Nadia taloha. Hoy izy: “Nihevitra aho hoe angamba te hifehifehy ahy fotsiny mamanay.”

Inona no azonao atao? Ampiharo ny toro lalana ao amin’ny Ohabolana 15:22, hoe: “Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana, fa tanteraka kosa izany raha maro ny mpanolo-tsaina.” Miresaha milamina tsara amin’ny ray aman-dreninao. Fantaro ny antony nifidianany hoe amin’ny firy ianao no tsy maintsy mody. *

Nahoana izany no tsara? Mety hiova hevitra ianao rehefa azonao izay ao an-tsain’ny ray aman-dreninao. Hoy i Sanda: “Nilaza tamiko i Dada fa tsy mahita tory mihitsy i Neny, raha tsy efa tonga soa aman-tsara ao an-trano aho. Tsy nampoiziko mihitsy izany.”

Tadidio foana fa aleo miresaka milamina toy izay tezitra sy mamalivaly, satria hisy vokany ratsy izany. Hoy i Nadia, voalaza tany aloha: “Rehefa tezitra aho ka mamalivaly, dia vao mainka tsy mahazo mandeha rehefa miera.”

Olana #3: Hoatran’ny voafehifehy loatra ianao. Mety hilaza ny ray aman-dreninao fa natao hahasoa anao ny fifehezany, anisan’izany ny hoe tsy maintsy mody aloha. Hoy i Baliaka, 20 taona: “Rehefa miteny an’izany i dadanay sy mamanay, dia lasa mieritreritra aho hoe tsy tian-dry zareo hanao izay tiako na hilaza ny hevitro aho.”

Inona no azonao atao? Araho ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:41, hoe: “Raha misy manam-pahefana manery anao handeha iray kilaometatra ka hanao fanompoana ho azy, dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra.” Nampihatra izany i Ashley sy ny zokiny. Hoy izy: “Miezaka foana izahay mba ho tonga fahefatr’adiny mialoha ao an-trano.” Afaka manao toy izany koa ve ianao?

Nahoana izany no tsara? Mahafinaritra kokoa ny manao zavatra, raha safidinao ilay izy fa tsy hoe noterena ianao! Sady raha mifidy ny hody aloha ianao, dia ianao no mifehy ny fotoananao. Amin’izay koa “tsy ho an-tery ny soa ataonao, fa ho an-tsitrapo.”—Filemona 14.

Hatoky anao kokoa ny ray aman-dreninao raha mody aloha ianao, ka vao mainka ianao homeny fahafahana kokoa. Hoy i Toavina, 18 taona: “Tsy hifehy loatra anao ny ray aman-dreninao, raha matoky anao izy ireo.”

Soraty eto izay olana hafa hitanao, momba ny ora fodiana.

․․․․․

Inona no azonao atao?

․․․․․

Nahoana izany no tsara, araka ny hevitrao?

․․․․․

Azo inoana fa hiala ao an-trano ianao indray andro any, ka tsy ho voafehifehy intsony. Aza maika àry. Hoy i Tiffany, 20 taona: “Marina fa tsy afaka manao izay rehetra tianao hatao ianao izao. Raha mianatra manaja fitsipika anefa ianao, dia tsy voatery hiferinaina mandra-pahalehibe.”

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Novana ny anarana rehetra ato.

^ feh. 21 Jereo ny “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Voafehifehy Loatra?”, ao amin’ny Mifohaza! Desambra 2006.

ERITRERETO IZAO:

▪ Tia anao ny ray aman-dreninao matoa asainy mody aloha ianao. Nahoana?

▪ Raha tara fodiana ianao, inona no azonao atao mba hatoky anao indray ny ray aman-dreninao?

[Efajoro, pejy 27]

NY HEVITRY NY TANORA SASANY

“Tsara mihitsy hoe asaina mody aloha aho, satria ho kizitina be aho raha tsy ampy torimaso!”—Gaël, 17 taona.

“Efa imbetsaka aho no saika nahita olana, fa soa ihany aho fa tsy maintsy mody aloha. Nisy ankizy nitondra toaka, ohatra, tao amin’ny fety iray nalehako. Vao nahita izany izahay sy ny namako dia nilaza haingana hoe tsy maintsy mody izahay sao tara.”—Katie, 18 taona.

[Efajoro, pejy 28]

MITADIAVA MARIMARITRA IRAISANA

Resaho amin’ny ray aman-dreninao ny ora tianao hodiana. Jereo izay marimaritra iraisanareo amin’ireto:

▪ Hody amin’ny ․․․․․ aho amin’ireto andro ireto: ․․․․․, ary amin’ny ․․․․․ amin’ireto andro ireto: ․․․․․.

▪ Raha tsy manaja ora fodiana aho, dia ho voasazy ka tsy maintsy mody aloha, izany hoe amin’ny ․․․․․, mandritra ny ․․․․․ herinandro, fara fahakeliny.

▪ Hovana ho tara kokoa ny ora fodiako, raha tonga ara-potoana foana aho, mandritra ny ․․․․․ volana, fara fahakeliny.

[Efajoro/Sary, pejy 28]

TIANAO VE NY HAVELA HODY TARA KOKOA?

▪ Mitadiava fotoana mety tsara hiresahana an’ilay izy.—Mpitoriteny 3:1, 7.

▪ Hajao foana ny ora fodianao mba hatoky anao ny ray aman-dreninao.—Matio 5:37.

▪ Toy izao lazaina: ‘Aleo aho hody taratara indraindray fotsiny aloha, ka raha hita fa manaja fotoana aho vao hatao raikitra ilay izy.’—Matio 25:23.

[Efajoro, pejy 29]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

▪ Henonao manokatra varavarana moramora ny zanakao lahy. Tara antsasak’adiny amin’ny ora tokony hodiany izy. ‘Heveriny fa efa matory angamba aho’, hoy ianao. Tsy natory anefa ianao fa nipetraka niandry azy, nanomboka tamin’ny ora tokony ho nodiany. Rehefa tafiditra izy, dia hitany fa hay ianao efa niandry azy. Inona no holazainao? Inona no hataonao?

Mety tsy haninona ianao, fa hieritreritra fotsiny hoe: ‘Ny ankizilahy angaha moa tsy izao foana.’ Mety ho tezitra koa anefa ianao, ka hilaza hoe: “Tsy mahazo mivoaka ny trano intsony ianao!” Aza tonga dia misendaotra anefa. Henoy aloha izy sao mba tena nisy antony nahatara azy. Azonao hararaotina ilay toe-javatra, mba hampianarana azy lesona tena lehibe. Amin’ny fomba ahoana?

Soso-kevitra: Lazao amin’ny zanakao fa hiresaka ianareo rahampitso. Mifidiana fotoana mety tsara, ka hazavao aminy ny fepetra horaisinao. Izao, ohatra, no nataon’ny ray aman-dreny sasany: Raha tara fodiana ny zanany, dia haroso antsasak’adiny ny ora hodiany amin’ny manaraka. Ahoana kosa raha tonga ara-potoana foana izy, ka hita fa azo atokisana? Mety ho azonao omena fahafahana bebe kokoa izy, ka avelao hody taratara indraindray. Ataovy mazava amin’ny zanakao àry hoe amin’ny firy izy no tokony hody, ary inona no vokany raha tsy hajainy izany. Tena ampiharo ilay sazy avy eo.

Mahaiza mandanjalanja: Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ho fantatra fa mahay mandanjalanja ianareo.’ (Filipianina 4:5) Miresaha amin’ny zanakao, alohan’ny hamerana ny ora fodiany. Avelao izy mba hilaza ny ora tiany hodiana sy ny antony itiavany izany. Henoy tsara izy. Raha efa hitanao fa azo atokisana izy, dia ekeo ny heviny raha azo leferina.

Tena ilaina eo amin’ny fiainana ny manaja fotoana. Tsy vitan’ny hoe miaro ny zanakao àry ianao, raha mametra ny ora fodiany. Mampianatra azy ho marim-potoana koa ianao. Hahasoa azy mandritra ny androm-piainany izany.—Ohabolana 22:6.

[Sary, pejy 27]

Efa lehibe ianao matoa mahazo mitondra fiara, na dia voafetra ihany aza. Izany koa eritreretina, momba ny ora fodiana