Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Renirano Mikoriana Miverina

Ilay Renirano Mikoriana Miverina

Ilay Renirano Mikoriana Miverina

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY KAMBÔDZA

EFA nahita renirano mikoriana miverina ve ianao, na ala difotry ny rano mandritra ny enim-bolana isan-taona? Fantatrao ve fa misy olona mipetraka amin’ny trano mitsingevana, ary voatery afindra toerana ireny trano ireny rehefa ritra ny rano? “Tsy misy an’izany”, hoy angamba ianao. Mety hiova hevitra anefa ianao raha mankatỳ Kambôdza amin’ny fotoam-pahavaratra.

Izao no mitranga eto Kambôdza, manomboka eo antenatenan’ny Mey ka hatramin’ny Oktobra: Manga ny lanitra amin’ny maraina nefa mihamaizina tsikelikely, ary avy be ny orana amin’ny tolakandro. Heniky ny rano misasasasa ny tany maina sy be vovoka, ary tondraka ny renirano.

Nahoana no mikoriana miverina?

Jereo eo amin’ilay sarintany ny fihaonan’ilay renirano mahery atao hoe Mékong sy ny Reniranon’i Tonle Sap. Mikambana ho renirano iray izy ireo, nefa avy eo dia mizara ho Reniranon’i Mékong sy Reniranon’i Bassac. Mikoriana mianatsimo ihany izy ireo, ary ilay lemaka midadasika lalovany any Vietnam no antsoina hoe Vinanihefak’i Mékong.

Tondraka ny toerana iva amin’io tany lemaka io, raha vao miandoha ny fahavaratra. Lasa tondraka indray ireo sakelidrano efa ritra. Rehefa mitohy ny fahavaratra, dia lasa mihandrona ny rano ao amin’ny Reniranon’i Tonle Sap, ka tsy mikoriana mianatsimo toy ny mahazatra, fa miverin-dalana mianavaratra kosa. Mikoriana miverina àry ilay renirano tondraka, mandra-pivariny any amin’ny Farihin’i Tonle Sap.

Eo amin’ny lemaka iva iray, 100 kilaometatra eo ho eo miala an’i Phnom Penh, renivohitr’i Kambôdza, no misy ilay farihy. Mahatratra 3 000 kilaometatra toradroa ny velaran’izy io, amin’ny main-tany. Mitombo avo efatra heny na dimy heny anefa ny velarany amin’ny fahavaratra, ka amin’izay fotoana izay dia izy no farihy lehibe indrindra atỳ Azia Atsimoatsinanana.

Dibo-drano ny toerana maro nisy tanimbary, lalana, hazo, ary tanàna. Iray metatra fotsiny teo aloha ny halalin’ny rano fandehanan’ny lakan’ny mpanjono. Misosa eny an-tampon’ireo hazo mahatratra folo metatra anefa izao ireny lakana ireny! Heverina ho zava-doza mazàna ny tondra-drano be toy izany, any an-toeran-kafa. Matetika kosa ny mponin’i Kambôdza no mihevitra izany ho fitahiana. Nahoana?

Tondra-drano mitondra soa

Rehefa mikoriana miverina ny Reniranon’i Tonle Sap, dia mitondra antsanga be zezika ao amin’ny Farihin’i Tonle Sap. Misy trondro be dia be avy any amin’ny Reniranon’i Mékong koa miakatra mankao amin’ilay farihy, mba hanatody ao amin’io rano be otrikaina io. Anisan’ny toerana be trondron-dranomamy indrindra eran-tany àry ny Farihin’i Tonle Sap. Miharìtra haingana ilay farihy aorian’ny fahavaratra, ka nisy mpanjono efa nahazo trondro tavela teny ambony hazo!

Misy vokany eo amin’ny fanirin’ny zavamaniry io tondra-drano isan-taona io. Tsy mitovy amin’ny any an-toeran-kafa ny fitombon’ny hazo sy zavamaniry ao amin’ilay faritra dibo-drano. Maniry miadana kokoa mantsy ny hazo any amin’ny tany mafana. Mihintsan-dravina izy amin’ny main-tany, ary mitsimoka rehefa fahavaratra. Mifanohitra amin’izany ny hazo ao amin’ny faritr’i Tonle Sap. Tsy mihintsan-dravina izy, raha tsy efa difotry ny rano. Tsy mihafaingana toy ny mahazatra koa ny fitomboany mandritra ny fahavaratra, fa vao mainka miadana. Rehefa mihena ny rano ary manomboka ny main-tany, dia mamoaka tsimoka ny hazo, ary mitombo haingana ny raviny. Feno ravina efa lo eny amin’ny tany, rehefa ritra ilay farihy. Ireny no zezika mamelona ny hazo sy ny zavamaniry hafa mandritra ilay hain-tany ho avy.

Trano misy tongony na mitsingevana

Ahoana no ataon’ny olona? Misy manao trano misy tongony. Miteronterona eny amin’ny enina metatra ambonin’ny tany ilay trano, mandritra ny main-tany. Rehefa miakatra be anefa ny rano, dia tonga hatreo an-tokonam-baravarana mihitsy ny lakana fanjonoana, sy ireo koveta vy lehibe izay itaterana ankizy indraindray.

Ny mponina hafa indray mipetraka amin’ny tranosambo, izany hoe trano aorina eo ambony zahatra. Rehefa mitombo ny fianakaviany, dia manamboatra zahatra hafa indray izy ireo, ka akambany amin’ilay voalohany, ary halehibeaziny ilay trano. Miisa 170 eo ho eo ny tanàna mitsingevana ao amin’ilay farihy.

Manjono sy manarato daholo ny olona, na antitra na tanora, mandritra ny andro. Arakaraka ny isondrotan’ny rano na ihenany no mety hamindrana ny trano na tanàna iray manontolo. Afindra any amin’ny kilaometatra maro izy ireo, mba ho akaikin’ny morony na ny toerana be trondro.

Misy lakana lava be mamatsy entana ny mponina, ka toy ny tsena mitsingevana izy ireny. Ampiasaina hitaterana olona koa izy ireny. Trano mitsingevana no atao sekoly ianaran’ny ankizy. Manaraka ny fiovaovan’ny rano àry ny zava-drehetra, hatramin’ny olona ka hatramin’ny zavamaniry. Izany no mitranga ao amin’ilay toerana misy renirano mikoriana miverina.

[Sarintany, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

Main-tany

Fahavaratra

KAMBÔDZA

Farihin’i Tonle Sap

Reniranon’i Tonle Sap

Reniranon’i Mékong

PHNOM PENH

Reniranon’i Bassac

Vinanihefak’i Mékong

VIETNAM

[Sary, pejy 23]

Ankizilahy mivoy lakana eo amin’ny Reniranon’i Tonle Sap

[Sary, pejy 23]

Tanàna iray ihany, amin’ny main-tany sy fahavaratra

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Sarin-tany: Based on NASA/Visible Earth imagery; sarin’ny tanàna: FAO/Gordon Sharpless