Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mijery Internet ve ny Zanakao?—Inona no Azonao Atao?

Mijery Internet ve ny Zanakao?—Inona no Azonao Atao?

Mijery Internet ve ny Zanakao?—Inona no Azonao Atao?

INONA no mampitebiteby anao kokoa? Ny mahalala hoe nentin’ny zanakao ny lakilen’ny tranonareo, sa hoe afaka mijery Internet araka izay tiany izy? Samy ilana fitandremana ireo. Tsy ho afaka handrara azy foana tsy hitondra lakile ianao, satria mety hila izany izy indraindray. Azonao ampianarina hitandrina kosa izy. Afaka manao toy izany koa ianao, raha mijery Internet ny zanakao. Maro ny ray aman-dreny manampy ny zanany hitandrina. Ireto àry misy toro lalan’ny Baiboly azo arahina:

“Miezaka hahalala ny zava-misy ny olona malina rehefa hanao zavatra.” (Ohabolana 13:16) Mila mianatra izay tena tokony ho fantatra momba ny Internet ianao. Fantaro koa izay ataon’ny zanakao rehefa mifanoratra amin’olona ao izy, na manao zavatra hafa ao. Hoy i Marshay, vehivavy manan-janaka roa: “Aza mieritreritra hoe efa antitra loatra ianao, na tsy nianatra firy, ka tsy hahay Internet. Miezaha foana haharaka ny teknolojia.”

‘Asio arofanina ny tampon-trano, mba tsy hisy olona hianjera avy eny.’ (Deoteronomia 22:8) Feno hafatra na sary natao hanasana ny olona hijery pejy misy sary vetaveta na zava-dratsy hafa, ao amin’ny Internet. Azo lazaina hoe efa misy “arofanina” ihany anefa ao. Miezaka manampy ny ray aman-dreny mantsy ny tompon’andraikitra sasany, ka manisy programa natao hanakanana ilay hafatra tsy hipoitra. Misy mihitsy aza programa manakana ny ankizy tsy hilaza ny mombamomba azy, toy ny anarany na ny adiresiny. Tadidio anefa fa tsy voasakan’ireny programa ireny daholo ny zava-dratsy. Matetika koa no mahita fomba hialana amin’ilay programa ny ankizy efa mahay ordinatera.

“Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany, ka toheriny daholo rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.” (Ohabolana 18:1) Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Grande-Bretagne, fa ankizy 1 amin’ny 5, eo anelanelan’ny 9 sy 19 taona no manana ordinatera misy Internet ao amin’ny efitranony. Tsara àry raha hatao eo amin’ny toerana talaky maso ny ordinatera. Afaka mahita ny ataon’ny zanakao ianao amin’izay. Tsy ho sahy hijery zava-dratsy koa izy.

“Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.” (Efesianina 5:15, 16) Tokony hanapa-kevitra ianao hoe isaky ny inona ny zanakao no mahazo mijery Internet, ary adiny firy. Fero koa ny zavatra azony jerena. Resaho aminy ireo, ary ataovy azony tsara.

Tsy afaka manara-maso ny zanakao anefa ianao, rehefa tsy ao an-trano izy. Tena ilaina àry ny mampianatra azy hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Hahay hanapa-kevitra izy amin’izay, na dia tsy eo aza ianao. * (Filipianina 2:12) Hazavao tsara aminy hoe inona no ho vokany, raha tsy arahiny ny fitsipika napetrakao. Aoka ianao ho hentitra.

“Manara-maso izay mitranga ao an-tokantranony [ny reny hendry].” (Ohabolana 31:27) Araho maso ny zavatra ataon’ny zanakao ao amin’ny Internet, ary lazao aminy fa hanao izany foana ianao. Tsy hoe miditra amin’ny fiainany ianao amin’izany. Tadidio fa azon’ny olon-drehetra jerena ny Internet. Manoro hevitra ny ray aman-dreny ny FBI, mba hamaky tsindraindray ny e-mail alefan’ny zanany sy voarainy, ary ny pejy nojereny.

“Hiambina anao ny fahaiza-misaina, ary hiaro anao ny fahaiza-manavaka. Hanafaka anao amin’ny ratsy izany, sy amin’ny olona miresaka zava-dratsy.” (Ohabolana 2:11, 12) Tsy voatery ho arakao foana izay ataon’ny zanakao ao amin’ny Internet. Ampianaro hanavaka ny tsara sy ny ratsy àry izy, ary aoka ianao ho modely ho azy. Makà fotoana hiresahana aminy momba ny voka-dratsin’ny Internet. Mila mifampiresaka tsara ianareo. Izany no tena hiaro azy. Hoy i Tom, raim-pianakaviana kristianina: “Samy niresahanay ny zanakay roa lahy. Nolazainay taminy fa misy olona ratsy saina ao amin’ny Internet. Nohazavainay koa hoe hoatran’ny ahoana izany sary vetaveta izany, nahoana no ratsy ny mijery azy ireny, ary nahoana izy mirahalahy no tsy tokony hiresaka mihitsy amin’ny olona tsy fantany.”

Afaka miaro ny zanakao ianao

Mila miezaka mafy ianao, raha te hiaro ny zanakao amin’ny voka-dratsin’ny Internet. Miova foana rahateo ny fomba azo ampiasana ireny fitaovam-pifandraisana ireny. Tsy maintsy hisy koa ny fitaovana vaovao. Mety hahasoa lavitra noho izay nisy teo aloha izy ireny, nefa koa mety vao mainka hanimba ny ankizy. Inona àry no azonao atao dieny izao? Hoy ny Baiboly: “Fiarovana ny fahendrena.”—Mpitoriteny 7:12.

Ampianaro hanana fahendrena àry ny zanakao. Ampio izy hitandrina tsara rehefa mijery Internet, mba tsy hiharan’ny voka-dratsin’izy io. Tsy hampidi-doza azy ny Internet amin’izay.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Tadidio fa efa misy Internet izao ny finday maro sy ny fitaovana elektronika entin-tanana hafa, ary na dia ny fitaovana sasany fanaovana lalao video aza.

[Teny notsongaina, pejy 8]

Na isan-kerinandro aza vao mijery Internet ny ankizy sasany any Grande-Bretagne, eo anelanelan’ny 9 sy 19 taona, dia mbola mahita sary vetaveta ihany ny 57 isan-jato aminy. Ny 16 isan-jaton’ny ray aman-dreny monja anefa no mino fa nahita an’izany tokoa ny zanany

[Teny notsongaina, pejy 9]

Misy manam-pahaizana milaza fa mahatratra 750 000 isan’andro ny mpametaveta mijery tchat sy pejy natao hitadiavana olona hiarahana

[Teny notsongaina, pejy 9]

Mijery Internet ny 93 isan-jaton’ny tanora any Etazonia, eo anelanelan’ny 12 sy 17 taona

[Sary, pejy 8, 9]

Ampianaro hitandrina tsara ny zanakao rehefa mijery Internet