Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Porto Rico—Ilay Nosy Manankarena

Porto Rico—Ilay Nosy Manankarena

Porto Rico—Ilay Nosy Manankarena

NIANTSONA teo amin’ny helodranomasin’ny nosy iray maitso mavana, teo amin’ny Ranomasina Karaiba, ny sambo nandehanan’i Christophe Colomb, tamin’ny 19 Novambra 1493. Nisy andian-tsambo espaniola niara-dia taminy. Nataony hoe San Juan Bautista (Md. Joany Batista) ny anaran’ilay nosy. Tsy naharitra tao anefa izy ireo, fa naka vatsy fotsiny dia lasa.

Feno zavamaniry fahita amin’ny tany mafana ilay nosy, izay nantsoin’ny tompon-tany tamin’izany hoe Boriquén. Mivolom-bolamena sy voaravaka palmie ny morontsirak’izy io. Tsy liana tamin’izany anefa i Christophe Colomb, satria nosy lehibe ahitana harena no notadiaviny.

Misy milaza fa niaraka tamin’i Christophe Colomb tamin’io diany io i Ponce de León, izay nieritreritra ny mbola hiverina tao amin’ilay nosy. Reny mantsy fa niravaka volamena ny mponina tao, ka nino izy fa misy volamena ireo havoana ao amin’io nosy io. Niverina tao àry izy, 15 taona tatỳ aoriana, mba hitrandraka volamena. Nanorim-ponenana tany amin’ny morontsiraka avaratr’ilay nosy izy sy ny Espaniola hafa, tamin’ny 1521, ary tao no nataony renivohitra. Nantsoin’i Ponce de León hoe Porto Rico, na “Seranan-tsambo Manankarena”, io tanàna vaovao io. Nanantena mantsy izy fa tsy ho ela dia hahazo volamena be dia be. *

Diso fanantenana anefa i Ponce de León. Kely ny volamena tao Porto Rico, ka vetivety dia lany. Teo koa ny olana ara-politika. Nifindra tany Amerika àry izy, tao amin’ny tanànan’i Floride ankehitriny.

Kely tokoa ny harena an-kibon’ny tany tao Porto Rico. Hitan’ny Espaniola anefa fa tena nilaina ilay helodranomasina lehibe tao. Nasian’izy ireo seranan-tsambo azo antoka àry tao San Juan renivohitra, tamin’ny taonjato faha-16. Natao hiarovana an’ireo sambolay espaniola, izay nitatitra volamena avy tany Amerika ho any Espaina, izy io. I San Juan no “toerana tena nanjakan’ny Espaniola tany Amerika”, tamin’izany.

Niezaka mafy niaro ny tanànany ny mponin’i San Juan. Porofon’izany ireo tamboho be manodidina ilay tanàna. Mirefy 13 metatra ny haavony ary 6 metatra ny hateviny. Misy trano goavam-be roa fiafenana amin’ny fahavalo koa ao. Tian’ny olona foana ny mankao San Juan, rehefa mitsidika an’ireo nosy Karaiba izy. Afaka maka sary an-tsaina ny fiainana tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany izy ireo, rehefa mandeha eny akaikin’ireo tamboho be sy mitsidika ireo trano tranainy.

San Juan Tranainy

Antsoina hoe San Juan Tranainy ilay tanàna misy tamboho be, izay tsy mitovy amin’ireo tanàna maoderina sy maresaka manodidina azy. Toy ny sambo eny ambony ranomasina ny tanànan’i San Juan Tranainy. Mitodika any amin’ny Ranomasimbe Atlantika ny lohany. Eo amin’io lohany io no nanorenan’ny Espaniola trano goavam-be fiafenana antsoina hoe El Morro, izay niarovana ny fidirana ho ao amin’ilay helodranomasina. Misy tamboho be eo amin’ny andaniny roa ao andamosin’i El Morro. Manaraka ny sisin’ny ranomasina izany, ka toy ny hoe vatan’ilay sambo. Ahitana trano goavam-be fiafenana iray hafa antsoina hoe San Cristóbal, any amin’ny iray kilaometatra sy sasany eo ho eo, any atsinanan’i El Morro. Natao hiarovana ny vodisambo, na ny faran’ilay tanàna, tamin’ny fanafihana avy eny an-tanety izy io. Eo afovoan’ireo trano goavam-be roa ireo no misy ny tanànan’i San Juan Tranainy. Nataon’ny UNESCO Lova Iraisam-pirenena izy io, tamin’ny 1983.

Nohavaozina io tanàna tranainy io. Nolokoin’ny mponina loko mazava ny tranony. Nasiany voninkazo mareva-doko teny an-davarangana. Nofenoiny zavamaniry fahita amin’ny tany mafana koa ny tokotaniny. Vato avy any amin’ny toerana fitrandrahana vy any Espaina no nanamboarana ny lalana tao San Juan. Miloko volondavenona manopy manga ireny vato ireny. Tain-drendrika izy ireny, ary nampiasain’ny Espaniola koa mba tsy hampihilangilana ny sambo.

Mbola misy tafondron’ny Espaniola eo amin’ny tambohon’i San Cristóbal. Mitodika any amin’ny helodranomasina izy ireny. Tsy sambo espaniola mpitondra volamena intsony izao no hita ao amin’ilay seranana, fa sambo mpitondra mpizaha tany. Tsy mirotoroto ny fiainana any Porto Rico ary sariaka ny olona, ka izany no itiavan’ny mpizaha tany mankany. Matetika ny mpamily no mijanona rehefa misy mpitsangantsangana maka sary eny amin’ny araben’ilay tanàna tranainy.

Valan-javaboary mila arovana

Mipetraka ao San Juan ny ampahatelon’ny mponin’i Porto Rico. Tsy ao ihany anefa no toerana mahaliana. Be tendrombohitra sy renirano ary lemaka any, ary ahitana toetrandro samihafa. Vokatr’izany, dia maro karazana ny biby sy zavamaniry any, na dia kelikely ihany aza ilay nosy. Andeha isika izao hiresaka toerana mahaliana sasany, izay ezahin’ny fanjakana any Porto Rico arovana.

Alan’i El Yunque. Valan-javaboary iarovana ny iray amin’ireo alan’ny tany mafana any amin’ny Nosy Karaiba izy io. Misy riandrano mahafinaritra eny amin’ireo tehezan-tendrombohitra misy an’io ala io. Manome endrika an’ilay ala maitso mavana ireo voninkazo mivolondaoranjy. Mifanizina ao ny ampanga sy ny vahy ary ny palmie. Misy boloky koa ao, izay atahorana ho lany tamingana. Tsy mitsahatra maneno ao anatin’ilay ala ny coquí, ka manakoako ny feony. Sahona kely eny ambony hazo izy io, ary ny sariny no famantarana an’i Porto Rico.

Toy ny misarona voaly mivolombolafotsy ny alan’i El Yunque, raha tazanin-davitra. Ny lokon’ny ravin’ny hazo yagrumo no mahatonga izany. Nihabetsaka indray io hazo io, na dia ravan’ny Rivo-doza Hugo aza ilay toerana, taona vitsivitsy lasa izay. Asehon’izany fa “afaka miverina amin’ny laoniny ny ala, aorian’ny loza voajanahary”, araka ny nolazain’ny mpikaroka iray. “Ny olombelona ihany no tena atahorana hanimba azy io.” Misy karazan-kazo 225, karazana ampanga 100, ary karazana orkide 50 ao amin’io ala io. Maro karazana ny zavamaniry ao, ka izany no nahatonga azy io ho anisan’ny Valan-javaboarin’ny Firenena Mikambana.

Valan-javaboarin’i Guánica. Ny iray isan-jaton’ny alan’ny tany maina angamba sisa no tavela ankehitriny. Ahitana iray amin’izany, tsy lavitra an’i El Yunque. Misy manam-pahaizana milaza fa i Guánica angamba no “alan’ny tany maina miavaka indrindra eto an-tany.” Ao no ahitana ny ankamaroan’ny vorona mampiavaka an’i Porto Rico. Misy karazan-javamaniry 750 koa ao, ary atahorana ho lany tamingana ny 7 isan-jaton’ireo. Manintona ny kôlibria sy ny lolo isan-karazany ireo voninkazo hafakely hita ao. Misy morontsiraka mbola tsy nosimban’ny olona, manamorona ilay ala. Manatody eny ny soka-dranomasina toy ny fanozaty sy ny fano valozoro.

Honko sy haran-dranomasina. Ahitana ala honko koa ny morontsiraka ao amin’ny valan-javaboarin’i Guánica. Hoy ny mpiambina azy io: “Maniry tsara ny honko ato amin’ity valan-javaboary ity, satria tsy misy loto avy amin’ny orinasa sy ny toeram-pambolena sy fiompiana eto. Toerana tena mety hanatodizan’ireo trondro monina eny amin’ny haran-dranomasina ny ala honko.” Anisan’ny tena misarika ny mpizaha tany koa ireo helodranomasina manjelanjelatra any Porto Rico.—Jereo ilay efajoro etsy ambany.

Noferana ny fanjonoana teny amin’ireo haran-dranomasina, ary natao anisan’ny toerana arovana ny nosy kely vitsivitsy sy ny toerana sasany ahitana vato harana ambany ranomasina. Mahafinaritra ny mpanao antsitrika ireny zaridaina any anaty ranomasina ireny. Mahita sokatra sy karazana lambondriaka ary trondro maro mareva-doko koa izy ireo any.

Na dia tsy nanaitra an’i Christophe Colomb sy nandiso fanantenana an’ireo Espaniola nitady harena aza i Porto Rico, dia toerana manintona ny mpizaha tany izy io ankehitriny, satria manankarena zavaboary.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Nifamadika ny anaran’ilay nosy sy ny renivohiny, tsy ela tatỳ aoriana, satria tsy nitovy hevitra ireo mpanao sarintany. Lasa anaran’ilay nosy indray ny hoe Porto Rico, fa San Juan kosa no renivohitra.

[Efajoro/Sary, pejy 16]

TOERANA FIJERENA NY ANY AMBONY TSY TAKA-MASO

Tsara tsidihina ny toerana fandinihana ny any ambony tsy taka-maso ao Arecibo. Miala 80 kilaometatra any andrefan’i San Juan izy io. Ao no misy ny teleskaopy lehibe indrindra fandraisana onjam-peo alefan’ny kintana sy ny zavatra any ambony tsy taka-maso. Toy ny sahafa lehibe izy io, ary mirefy 305 metatra ny savaivony. Ahafahan’ny astronoma mahita zavatra tsy hita amin’ny teleskaopy hafa izy io.

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy Arecibo Observatory/ David Parker/Science Photo Library

[Efajoro/Sary, pejy 17]

“MILOMANO ENY AMIN’NY KINTANA”

Ao amin’ny nosin’i Vieques, tsy lavitra an’i Porto Rico, no misy ilay atao hoe Helodranomasina Manjelanjelatra. Be zavamiaina bitika manjelanjelatra mantsy ao amin’io rano io. Mamiratra manga manopy maitso izy ireny, rehefa voakotaba ilay rano. Misy zava-mitranga tsy fahita firy ao amin’io helodrano io, noho izany.

Raha amin’ny alina ny mpitsidika no tonga eo amin’ilay helodrano, dia hahita hazavana manjelanjelatra izy ireo, rehefa mandositra ny sambony ny trondro. Mamiratra toy ny tain-kintana ny lalana alehan’ilay trondro ao anaty rano. Rehefa misy olona milomano ao anatin’ilay rano, dia hita avokoa izay fihetsika ataony. Rehefa manainga ny tanany, ohatra, izy, ka misy piti-drano milatsaka, dia toy ny kintana mamirapiratra no fahitana izany. “Toy ny hoe milomano eny amin’ny kintana ianao!”, hoy ny mpizaha tany iray.

[Sary, pejy 15]

El Morro

[Sary, pejy 15]

Ilay tanàna tranainy, tazana avy eo San Cristóbal

[Sary, pejy 15]

San Juan Tranainy

[Sary, pejy 16]

Ampanga ao amin’ny alan’i El Yunque

[Sary, pejy 16, 17]

Morontsirak’i Guánica

[Sary nahazoan-dalana]

© Heeb Christian/age fotostock

[Sary, pejy 17]

Bolokin’i Porto Rico

[Sary, pejy 17]

Haran-dranomasina

[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]

Passport Stock/age fotostock

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Sary rehetra: Passport Stock/age fotostock

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Boloky: U.S. Geological Survey/Photo by James W. Wiley; haran-dranomasina: © Stuart Westmorland 2005; mpilomano: Steve Simonsen