Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Tsara ity Boky Ity!”

“Tena Tsara ity Boky Ity!”

“Tena Tsara ity Boky Ity!”

▪ Inona no afaka manome torohevitra sy tari-dalana tsara ho an’ny tanora? Ankizivavy 13 taona any Italia i Cheren. Nahafinaritra azy ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. Afaka niresaka momba azy io tamin’ny mpiara-mianatra taminy izy, vao tsy ela izay.

Hoy izy: “Ao amin’ny kilasy T8 aho. Niresaka momba ny olana mpahazo ny tanora izahay tao am-pianarana. Nanatona ahy ny mpampianatra anay, indray andro, ary nilaza fa efa reny, hono, hoe manampy ny tanora ny boky sy gazetintsika. Niangaviany aho mba hitondra boky ho azy, ka ny Manontany ny Tanora no nentiko.

“Nampiasainy tao an-dakilasy ilay izy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ka noresahinay ny toko faha-10 hoe: ‘Zava-dehibe ve ny Endrika Ivelany?’ Avy amin’ilay ‘Fanontaniana Hiaraha-midinika’ eo amin’ny faran’io toko io aza, no nakany ny entimodinay. Hoy izy: ‘Tena tsara ity boky ity, saingy tsy ianareo rehetra no manana azy!’

“Nilaza aho fa afaka hitondra ho an’izay te hahazo. Mpianatra 16 no nangataka an’ilay boky. Nilaza ho tsy liana tamin’ilay izy ny ankizy sasany. Rehefa nitondra an’ireo boky anefa aho, dia mba nangataka koa izy ireo.”

Hita ao amin’ny boky Manontany ny Tanora koa ireto toko ireto: “Nahoana Aho no Ketraka Aoka Izany?”, “Ahoana no Ahafantarako Raha Tena Fitiavana Izao?”, “Nahoana no Tokony Holavina ny Zava-mahadomelina?”, ary “Ahoana no Ahafahako Mifehy ny Fahazarako Mijery Tele?” Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.