Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Nisy “106 ny olona mpanarivo tapitrisa amin’ny dolara amerikanina”, any Chine, tamin’ny 2007, “nefa 15 ny isan’izy ireo [tamin’ny 2006], ary tsy nisy na iray aza tamin’ny 2002.”—CHINA DAILY, CHINE.

‘Milaza ny lalàna vaovao any Inde, fa mampigadra ny fanaovana tsirambina ny ray aman-dreny be taona. Asehon’io lalàna io fa atahorana ho simban’ny fandrosoana haingana be ny kolontsaina tsy misara-mianakavy, izay efa nisy hatramin’ny taonjato maro.’—REUTERS, INDE.

“Mety ho efa mitovy isa amin’ny Anglikanina ny isan’ny Silamo eto Angletera, ankehitriny.”—THE ECONOMIST, GRANDE-BRETAGNE.

Hazo “Mpitrandraka” Metaly Sarobidy

“Ahitana volamena ao amin’ireo foto-kazo lo” any amin’ny alan’i Siberia, hoy ny gazetiboky rosianina Vokrug Sveta. Hitan’ny mpikaroka avy any Ulan-Ude sy Irkoutsk ary Novossibirsk, fa mitroka an’ireo metaly mitsiranoka ao anaty tany ny hazo maitsoririna maniry eny amin’ny toerana misy metaly any Siberia. Rehefa maty ireo hazo ka lo, dia tavela eo amin’ireo poti-kazo ny metaly. Platinina dimy grama, sy volamena 200 miligrama eo ho eo, ary volafotsy telo kilao no azon’ny mpikaroka, tao amin’ny poti-kazo lo milanja iray taonina.

Fitsaboana Vonjimaika eny Am-pandevenana

Nomena milina mpamerina ny fitepon’ny fo ny mpangady fasana any amin’ny toeram-pandevenana iray any Aostralia. Nahoana? Misy vonton’alahelo loatra mantsy ny mpandevina ka mijanona tampoka ny fony. Mba hamelomana azy ireo àry no nanomezana an’ilay milina, araka ny voalazan’ny gazety Sun-Herald any Sydney. “Eny am-pandevenana no tena mora hihetsehan’ny aretim-po”, hoy i Sisenanda Santos, mpitondra tenin’ilay fikambanana misahana an’io fitsaboana vonjimaika io. “Mifanety be ny olona. Vonton’alahelo izy ireo, ary manao akanjo be dia be nefa ny andro mafana.” Efa misy toromarika noraisim-peo ho an’izay mampiasa azy, ao amin’ilay milina mpamerina ny fitepon’ny fo. Tsy mety mandeha izy io raha tsy misy famantarana mazava hoe tsy mitepo tokoa ny fon’ilay marary.

Manimba Tontolo Iainana ny Fisaraham-panambadiana

Manimba ny tontolo iainana ny fitomboan’ny fisaraham-panambadiana eran-tany, araka ny Tatitry ny Akademia Amerikanina Momba ny Siansa. Nahoana? Noho ny fisaraham-panambadiana dia vao mainka mitombo ny fandaniana ny tahirin-tsolika, sy herinaratra, ary rano, sy zavatra hafa. Rehefa misaraka mantsy ny mpivady, dia mitombo ny isan’ny tokantrano, mihena ny isan’ny olona mipetraka ao amin’ny trano tsirairay, ary mitombo ny fandaniana isan’olona. “Raha ampitahaina ny fandanian’ny mpivady misaraka sy ny mpivady tsy misaraka [tany Etazonia], tamin’ny 2005, dia mety hihoatra an’ireto ny fitsitsiana azo natao: Efitrano 38 tapitrisa, herinaratra 73 000 tapitrisa kilowatts isan’ora, ary rano 2 400 000 tapitrisa litatra.” Enina tapitrisa mahery ny isan’ny tokantrano mahatonga “fandanilaniam-poana” toy izany tany Etazonia, tamin’ny taona 2000.

Baiboly toy ny Loham-paingotra

Nilaza ny Science Daily tao amin’ny Internet, fa vitan’ny mpahay siansa any Israely ny nanao pirinty ny “Testamenta Taloha” manontolo amin’ny teny hebreo, ao anaty fitaovana elektronika “kely kokoa noho ny loham-paingotra.” Voarakotra volamena ny tampon’ilay fitaovana elektronika, ary taratra faran’izay manify no nampiasaina mba hanaovana sokitra ny soratra teo aminy. “Asehon’io tetikasa fanaovana Baiboly faran’izay bitika io, fa afaka manao zavatra faran’izay bitika isika”, hoy ny Profesora Uri Sivan, ao amin’ny ivon-toeram-pikarohana iray any Israely. Asehon’izy io koa fa azo atao izao ny “mitahiry fanazavana ao anatin’ny zavatra faran’izay bitika.”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

AP Photo/Ariel Schalit