Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Lany Tamingana ny Ombidia Eoropeanina

Tsy Lany Tamingana ny Ombidia Eoropeanina

Tsy Lany Tamingana ny Ombidia Eoropeanina

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY POLONINA

Faly erỳ ireo mpihaza nahita ny dian-tongotr’ilay biby notadiaviny. Tazany ihany ilay biby rehefa nanohy ny diany izy ireo. Volontsôkôlà antitra ny lokon’ny volony, ary somary mainty ny volombavany. Mifaingoka be ny tandroka miteronterona eo amin’ny lohany. Be mpitady ny henany sy ny hodiny, sady lafo be raha amidy.

Vao nitifitra ireo mpihaza, dia voa ilay biby. Naratra izy ka nandositra nitady fiafenana tany an’ala, fa tsy nahita. Mbola nahavoa azy ny tifitra faharoa, ka maty nidaraboka tamin’ny tany ilay biby goavam-be. Tsy fantatr’ireo mpihaza hoe nipetraka ho tantara iny zava-nitranga iny. Ny volana Aprily 1919 izany no nitranga. Matin’izy ireo ny farany tamin’ny ombidia eoropeanina monina amin’ny faritra iva, tany amin’ny alan’i Polonina. Soa ihany tamin’izany fa mbola nisy ombidia velona, nompiana tany amin’ireo toeram-pijerem-biby na toerana hafa an’olona manokana.

BE DIA BE taloha ny ombidia eoropeanina (Bison bonasus), ka saika nahitana azy avokoa nanerana an’i Eoropa. Mety hahatratra 900 kilao ny lanjan’ny ombidia lahy, ary mety hahatratra roa metatra ny haavony, raha refesina avy eo amin’ny sorony. Nantsoina hoe andrianan’ny ala io biby lehibe mampinono io taloha.

Izao no anisan’ny mampiavaka azy: Tsy mifanentana ny haben’ny tapany aloha sy ny tapany aoriana amin’ny vatany. Mivelatra be sady mavesatra mantsy ny sorony ary hita be ny trafony. Kely kosa ny tapany aoriana amin’ny vatany. Fohy ny volo eny amin’ny tapany aoriana, fa lava sy misavoritaka kosa ny volo eny amin’ny tapany aloha sy ny volombavany.

Saika lany tamingana

Tombanana ho an’arivony sisa ny ombidia eoropeanina, satria simba ny fonenany voajanahary noho ny fambolena sy ny fandripahana ala. Tsy mitsahatra mihaza azy ireo koa ny mpihaza tsy ara-dalàna. Tany amin’ny taonjato faha-8, dia efa ripaka tanteraka ny ombidia eoropeanina tany Gaule (Frantsa sy Belzika).

Nandray fepetra hiarovana an’io bibidia io ireo mpanjaka poloney, tamin’ny taonjato faha-16. Anisan’ny voalohany nanao izany i Sigismond II Auguste, izay namoaka didy hoe heloka mahafaty ny famonoana ombidia eoropeanina. Nahoana izy no nanao izany? Hoy ny Dr. Zbigniew Krasiński, ao amin’ny Valam-pirenen’i Białowieza: “Ny antony dia mba hahafahan’ny mpanjaka sy ny tandapa hihaza an’ireny.” Tsy nahavita niaro an’ireny ombidia ireny anefa ny lalàna na dia teo aza ny sazy henjana. Tany amin’ny Alan’i Białowieza any amin’ny faritra atsinanan’i Polonina sy tany Caucase ihany sisa no nahitana azy ireny, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-18.

Nanomboka nihatsara ihany anefa ny toe-javatra tamin’ny taonjato faha-19. Rehefa lasan’ny Fanjakana Rosianina ny Alan’i Białowieza, dia nandidy ny hiarovana ny ombidia eoropeanina ny Mpanjaka Alexandre I. Tsy ela dia niharihary ny vokatr’izany. Nihamaro isa ny ombidia eoropeanina, ary tamin’ny 1857 dia efa ho 1 900 ny ombidia narovan’ny fanjakana. Tatỳ aoriana, dia nisy toerana naorina mba hanomezana sakafo azy ireo rehefa ririnina. Natao teny amin’ny toerana mety tsara koa ny lavaka fasiana rano, ary nisy faritra nosorohina mba hambolena zavamaniry ho sakafon’izy ireo.

Mampalahelo anefa fa tsy naharitra ireny fotoana nikarakarana tsara ny ombidia eoropeanina ireny. Nihena ho antsasany ny isan’izy ireo tao anatin’ny 60 taona, ary ripaka tanteraka ireo ombidia tany amin’ny alan’i Polonina, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe I. Marina fa namoaka didy i Alemaina mba ‘hiarovana ny ombidia ho hitan’ny taranaka fara mandimby.’ Nandripaka an’ireny biby ireny anefa ny miaramila alemà, sy ny mpiady rosianina, ary ny mpihaza tsy ara-dalàna. Araka ny voalaza etsy aloha, dia tamin’ny 1919 no novonoina ny ombidia eoropeanina farany tany amin’ny alan’i Polonina.

Nihamaro indray

Naorina tamin’ny 1923 ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miaro ny Ombidia Eoropeanina. Ny tanjona voalohan’io fikambanana io dia ny hanisa hoe firy ny ombidia tsy safiotra mbola ompian’ny olona. * Mbola nahitana ombidia eoropeanina 54 àry tany amin’ny toeram-pijerem-biby isan-karazany sy tany amin’ny toeram-piompiana hafa eran-tany. Ombidia tsy safiotra monina amin’ny faritra iva izy ireo. Tsy izy rehetra anefa no azo nakana taranaka, satria efa antitra na nisy aretina ny sasany. Koa 12 no nofidina mba hampitombo taranaka azy ireo. Ny dimy monja tamin’ireo anefa no fantatra fa niavian’ny ombidia eoropeanina rehetra monina amin’ny faritra iva, izay mbola velona hatramin’izao.

Naverina tany an’ala tamin’ny fomba manetriketrika ny ombidia eoropeanina roa, tamin’ny fararanon’ny taona 1929. Napetraka tao amin’ny valan-javaboary voaomana tsara tao amin’ny Alan’i Białowieza izy ireo. Nitombo ho 16 ny isany rehefa afaka folo taona.

Tsy ho lany tamingana intsony ve?

Nisy ombidia eoropeanina 2 900 teo ho eo eran-tany, teo am-piandohan’ny taonjato faha-21. Teto Polonina ny 700 teo ho eo tamin’izy ireo. Rehefa nandeha ny taona, dia nanjary nisy andiana ombidia koa tany Bélarus, Kirghizistan, Litoania, Rosia, ary Ukraine.

Tsy midika anefa izany hoe tsy tandindomin-doza intsony ny ombidia eoropeanina. Mbola eo foana mantsy ny bibikely, ny aretina, ny tsy fahampian’ny sakafo sy rano, ary koa ny mpihaza tsy ara-dalàna. Miteraka olana lehibe koa ny kilema manaranaka, noho izy ireo vitsy an’isa. Mbola anisan’ny biby atahorana ho lany tamingana àry ny ombidia eoropeanina.

Ny ezaka mafy nataon’ny olona no nahatonga ny ombidia eoropeanina mbola hisy hatramin’izao. Mampahatsiahy antsika anefa i Krasiński voaresaka etsy aloha, fa “lesona ho antsika ny nanjo ny ombidia eoropeanina. Vetivety monja dia atahorana ho lany tamingana ny karazam-biby na zavamaniry iray, nefa ilana ezaka be vao mety ho tafarina izany.” Mbola tsy azo antoka ny hoavin’ny ombidia eoropeanina sy ny biby maro hafa, fa hatramin’izao aloha, dia voaro tsy ho lany tamingana “ilay andrianan’ny ala.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Roa karazana ny ombidia eoropeanina: ireo monina amin’ny faritra iva, sy ireo monina an-tendrombohitra, izany hoe ireo avy any Caucase. Maty tamin’ny 1927 ny farany tamin’ny ombidia avy any Caucase. Talohan’izay anefa dia nisy ombidia avy any Caucase nampivadiana tamin’ny ombidia monina amin’ny faritra iva, ka nahazoana taranaka safiotra. Mbola misy ireo taranaka safiotra ireo.

[Sary, pejy 10]

Ombidia eoropeanina ao amin’ny Valan-javaboarin’i Białowieza

[Sary nahazoan-dalana]

Sary rehetra: Białowieski Park Narodowy